Mijery an’i Jesoa
12
Araka izany sahala amin’ny zavon-tany ny vavolombelona magnodidigna antsika, ka avelay aigny ny raha magnavesatra indesintsika sy ny fahotana mora mahazo antsika; andao tozontsika ny fihazakazahana nasaina hataontsika; 2 hifantoka amin’i Jesoa, izay ianteheran’ny finoantsika hatramin’ny farany atsika, Ilay nagneky ho foaty tamin’ny kakazo fijaliana ary tsy nahoany ny hegnatr’ôlona satria efa hitany ny hafaliana mandigny Ananjy; mentòtra ankavagnan’ny seza fiandriagnan’Andriamagnitra Izy amin’izao. 3 Diniho tsara ma ny niaretan’i Jesoa ny fanoherana nataon’ny mpanota Taminanjy e! Sao mbôka ho disaka ianareo ka ho ketraka ny fagnahinareo.
4 Mbôla tsy nihatra taman’aigna avy ny ady sy ny fanoherana nataonareo tamin’ny fahotana. 5 Tsy tadidinareo angaha ny fagnanaran’Andriamagnitra anareo sahala amin’ny zanagny? Hozy:
“Ô zanako, aza hamaivagnina ny fagnitsiana ataon’i Tômpo,
ary aza disaka raha anariny,
6 satria izay tian’i Tômpo no ahitsiny,
ary izay dahôlo raisiny ho zanaka no tarôny.” (Oha 3. 11-12)
7 Fagnitsiana no anton’ny fiaretanareo; ataon’Andriamagnitra sahala amin’ny zanaka ianareo, fa tsisy zanaka tsy ahitsin-drainy ma? 8 Fa raha tsy ahitsy sahala amin’ny zanaka ianareo dia zanaka ambelagny. 9 Nanagna daday aketo an-tany atsika mbô hagnitsy antsika ary najaintsika izy; mintsaka fa ny fagnitsian’i Dadaintsika aigny an-dagnitra ma izany tsy hekentsika mbô hahavelona atsika? 10 Nagnitsy antsika tamin’ny fotoana fohika araka izay hitany fa manjary ny dadaintsika, kanefa ilay Dadaintsika aigny an-dagnitra indray, magnitsy antsika mbô hahasoa antsika ary handraisantsika ny fahamasinany. 11 Tsy mbô faly atsika fa malahelo rehefa ahitsy amin’ny andro agnanaovana an’izany; fa rehefa atỳ afara indray, dia migoka ny fahamarinana sy fiadanana azo avy amin’izany atsika.
12 Araka izany, ataovy izay hampahatanjaka ny tagnana reraka sy ny lohalitra godro; 13 ary amboaro tsara ny lalana homban’ny tongotrareo mbô tsy hampabitsoka ny tongotr’izay mikotrila fa mbô hagnasitrana ananjy.
Fampitandremana mikasika ny fandavana an’Andriamagnitra
14 Ataovy izay hihavanana amin’ny ôlona dahôlo, ary ataovy koa izay hanagnana fiaignam-pahamasinana satria ny ôlona izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tômpo. 15 Tandremo tsara sao dia hisy hiala amin’ny fahasoavan’Andriamagnitra; tandremo koa sao dia hisy fakany mafaitra mitsiry hampisavoritaka sy hagnapoizina ny sanagny. 16 Tandremo sao dia hisy ôlona malanga na ôlona magnafoka raha masina sahala amin’i Esao izay nanakalo ny fizokiany mbô hahazoany hanina indray homana. 17 Tafaran’izay, fantatrareo fa te hahazo tsodrano avy amin’ny rainy izy kanefa tsy nameny. Tsy nahita hirika hampiova hevitra ny rainy mihitsy izy na dia nigololoka nitomagny aza.
18 Fa tsy raha manjary raisina amin’ny tagnana no nakaikesinareo sahala amin’ny tendrombohitra Sinay mirehitra, na ny aizimpito, na ny tafio-drivotra, 19 na ny trompetra magneno na ny teny notaravin’ny feo ka nampahatonga an’izay naharegny an’izany niangavy mbô tsy hotohizana intsony. 20 Tsy zakany mboka ilay notaravina hoe: “Raha misy mahavoakasika an’ilay tendrombohitra na dia ny biby aza dia hotoraham-bato ho foaty izany” (Eks 19. 12-13), 21 ary satria tegna nampatahotra ny raha nitranga, dia hozy Mosesy: “Matahotra sady mangitakitaka izaho” (Deo 9. 19). 22 Ianareo indray dia efa nagnakaiky ny tendrombohitra Ziona, ilay tanànan’Andriamagnitra velona miaraka amin’ny anjely amagnalignalina; Jerosalema aigny an-dagnitra izany tanàna izany. 23 Nagnakaiky ny fiarahana mikoragnan’ireo voalôhan-jaza amin’Andriamagnitra izay voasoratra agnarana aigny an-dagnitra ianareo, nagnakaiky an’Andriamagnitra, ilay Mpitsara ny ôlona dahôlo sy ny fagnahin’ireo ôlona marina, izay efa natao ho tsisy kianina, 24 ary nagnakaiky an’i Jesoa, Ilay Mpagnalalana amin’ny fagnekena vaovao, ary ny famafazana ny rany, izay milaza raha mandombolombo ny an’i Abela.
25 Tandremo sao dia tsy tandrignesinareo izay ôlona mitarea aminareo. Tsy afaka nilefa ny sazy mbôka ireo izay tsy nagneky nitandregny ilay nampitandrina anjareo tatỳ ambonin’ny tany; mintsaka fa atsika raha miodigna miala amin’Ilay avy aigny an-dagnitra, 26 Izay nampihorohoro ny tany tamin’ny feony talôha; fa amin’izao Izy dia efa nagnano fampanantenagna hoe:
“Mbôla hampihorohoro in-dray mandeha koa Izaho,
tsy ny tany irerika fa ny lagnitra koa” (Hag 2. 6).
27 Ny teny hoe’in-dray mandeha’ kosany dia midika fa ny raha dahôlo nohariana dia hozongozognina sy horavana mbô ilay tsy manjary hozongozognina sisa no tafajanona. 28 Andao ary atsika hisaotra an’Andriamagnitra amin’ny fanompoam-pivavahana ankasitrahany sy amin’ny fagnajana ary amin’ny fahatahorana Ananjy satria mahazo fanjakana tsy manjary hozongozognina atsika; 29 afo mandevona mbôka ny Andriamagnitsika (Deo 4. 24).