Ny finoan’ireo mpino talôha
11
Ny finoana dia fahazoana antoka tsara ny raha antenaina, faharesen-dahatra mikasika ny fisian’ny raha tsy hita maso. 2 Izany finoana izany no nagnamarinan’Andriamagnitra ny ôlona talôha.
3 Finoana no ahafantarantsika fa noharian’Andriamagnitra tamin’ny teniny izao tontolo izao ary izao raha hita maso izao dia namboarina avy amin’ny raha tsy hita maso.
4 Finoana no nagnanaovan’i Abela sorogna ho an’Andriamagnitra tsara mandombolombo ny an’i Kaina. Avy amin’izany finoan’i Abela izany no nitaravan’Andriamagnitra fa marina izy satria sitragny ny sorogna nataony; avy amin’izany finoany izany koa, na dia efa maty aza izy dia mbôla miteny.
5 Finoana no namindrana an’i Enoka ho akaikin’Andriamagnitra akeo ka tsy nahazo ny zoron-dambany ny fahafatesana; dia tsisy nahita ananjy intsony satria nafindran’Andriamagnitra izy; talôhan’izany mbôka dia notaravina fa sitrak’Andriamagnitra izy. 6 Tsisy sitraka azo avy amin’Andriamagnitra raha tsy amin’ny finoana. Ary izay ôlona magnatogna Ananjy dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady mpamaly soa an’izay mazoto mikaraka Ananjy.
7 Finoana no nagnamboaran’i Noa sambofiara mbô hamonjeny ny fianakaviany, rehefa nampitandrina ananjy ny amin’ny raha mbôla tsy hitany Andriamagnitra. Avy amin’izany finoana izany no nagnadisoan’i Noa an’izao tontolo izao ka nanjary mpandova ny fahamarinana izy.
8 Finoana no nagneken’i Abrahama rehefa nantsovin’Andriamagnitra handeha hankaigny amin’ny tany namena holovainy izy; dia nandeha izy na dia tsy fantany avy izay tany hombany. 9 Finoana no nipetrahany taigny amin’ny tany nampagnantegnaina ananjy, sahala amin’ny tsy tômpo-tanàna; nipetraka tagnatin’ny lasy izy mbaraky Isaka sy Jakoba, izay mpiara-mandova an’izany fampagnantegnana izany. 10 Nagnategna mbôka izy fa hipetraka amin’ny tanàna efa misy fototra matomboka, izay Andriamagnitra no tômpo-marika sy mpagnamboatra an’izany.
11 Finoana koa no nandraisan’i Saraha tanjaka hanagna zanaka rehefa tsy afaka namaitra intsony izy satria azony antoka fa mahafatoky Ilay nagname ny fampagnantegnana. 12 Araka izany, tamin’ny alalan’ny lehilahy iraika, na dia efa anti-dahy akaiky ho foaty aza izy, no niavian’ny taranaka betsaka be tsy voaisa sahala amin’ny kintana an-dagnitra sy fasigna aigny an-dranomasina.
13 Ireo ôlona dahôlo ireo dia maty takao amin’ny finoana, na dia mbôla tsy nahazo izay tany nampagnantegnaina ananjy avy fa nahatazagna sy nikopakopa-tagnana avy talavitra foagnany; dia nagneky fa vahiny sy mpivahiny tatỳ ambonin’ny tany zareo. 14 Ny ôlona izay mitarea raha sahala an’izany dia mikaraka izay tany ho ananjy. 15 Ary raha ôhatra ka nahamanigna ananjy ny tany niaviany dia nahita andro hiveregnana foagnany izy. 16 Kanefa ilay aigny an-dagnitra, izay toerana tsara mandombolombo an’izany, no iriny. Izany no mampatonga an’Andriamagnitra tsy megnatra raha antsoviny hoe Andriamagniny satria efa nagnamboatra tanàna hipetrahanjareo Izy.
17 Finoana no nagnoloran’i Abrahama an’Isaka tamin’ny fotoana nitsapana fagnahy ananjy; ny zanagny lahitokana mihitsy no natolotr’ilay efa nahazo ny fampagnantegnana; 18 Abrahama mbôka ilay notaravin’Andriamagnitra hoe:
“Avy amin’ny alalan’Isaka no hanagnanao taranaka” (Gen 21. 12).
19 Azony antoka fa Andriamagnitra dia mahavita manangana ny maty; dia izany no namerenan’Andriamagnitra ny zanagny taminanjy satria sary famantarana izany. 20 Finoana no nagnamezan’Isaka tsodrano an’i Jakoba sy i Esao ny amin’ny fiainan-ko avinjareo. 21 Finoana no nagnamezan’i Jakoba tsodrano ny zanak’i Josefa roa lahy talôhan’ny hahafatesany, dia nitehina tamin’ny lôhan’ny anjerany izy ary nidera an’Andriamagnitra. 22 Finoana no nitaravan’i Josefa talôhan’ny hahafatesany fa hiala aigny Ejipta ny Zanak’Israely, ary finoana ihany koa no nagnafarany ny raha hatao amin’ny taolagny.
23 Finoana no nanitrifan’ny ray aman-drenin’i Mosesy ananjy telo volana tafaran’izy teraka satria hitany mbôka fa managn’endrika ilay zaza, sady tsy natahotra izay didin’ny mpanjaka zareo.
24 Finoana no tsy nagneken’i Mosesy ny atao hoe zanaky ny zanakavavin’i Farao rehefa geda izy; 25 alainy nisafidy ny hiara-mitondra fahoriana amin’ny vahoakan’Andriamagnitra fa tsy hiaigna fifaliana vetiketika amin’ny fahotana; 26 azony antoka mbôka fa harena be mandombolombo ny raha tsaran’ny Ejipta ny fangalam-baraka avy amin’ny fagnarahana an’i Kristy satria efa akaigny amin’ny valisoa ho avy foagna ny eritreretiny.
27 Finoana no nialany taigny Ejipta ka tsy natahotra ny fahasosen’ny mpanjaka izy; fa nitana ny heviny izy ôhatra ny mahita an’Andriamagnitra izay tsy hita maso. 28 Finoana no nagnanaovany ny Paka sy ny famafazana ny ra, sao dia vonoin’ny mpandringana izay lahimatoa dahôlo tamin’ny Israely.
29 Finoana no nitsakan’ny zanak’Israely ny ranomasina mena sahala amin’ny mandeha tany maigna, fa mbô nanandrana an’izany koa ny Ejiptiana kanefa nazetran’ny ranomasina zareo dahôlo.
30 Finoana no nampirondraka ny rindrimben’ny Jerikoa rehefa nohodidignin’ny ôlona impito.
31 Finoana no tsy nahafaty an’i Rahaba mpivarotegna niaraka tamin’ny ôlona tsy mino satria nampandrosoany an-dragno zareo mpitsikilo.
32 Mbôla betsaka ny raha manjary koragnina fa ho lany andro aketo raha hotantaraina dahôlo ny momba an’ery Gideona, Baraka, Samsona, Jefta, Davida, Samoela mbaraky zareo mpagnazary. 33 Finoana no nandresenjareo fanjakana betsaka, niasanjareo tamin’ny fahamarinana, nahazoanjareo ny fampagnantegnana, nagnidina ny vavan’ny liona, 34 namonoana ny afo miredareda, nialana ny lelana biriziny, nampatanjahana ny malemy, nahazoana hery tamin’ny ady ka nahavaky lefa ny miaramilan’ny firenena hafa. 35 Finoana no nampandrosoan’ireo vehivavy tan-dragno ny havany efa maty fa natsangana ho velona indray; ny sanagny nampijaliana ho foaty nefa tsy nagneky ho havotsotra mbô hitsanganany amin’ny maty ka hahazoany fiaignana tsara lavitra; 36 ny sanagny indray niaritra eson-teny sy lako ary ny sanagny kosa notadiana sady nogadraina; 37 nisy taminjareo hotoraham-bato ho foaty, nisy ny notsofaina ka nizara roay, takao koa ny nampijaliana, ny novonoina tamin’ny boriziny; nisy koa ny nivengegna nagnarogna hoditra ondry sy hoditra osy, ny ôlona farahidiny, nikinjehina sy nampahoriana. 38 Kanefa tsy manjary hijanonany avy izao tontolo izao; dia nivengegna taigny ankodahoda zareo, taigny an-tampon-tanety, tan-davabato ary tagnaty lavaka.
39 Zareo dahôlo ireo, na dia efa nanagna ny lazany tamin’ny finoana avy, dia tsy mbô nandray ny fampagnantenana. 40 Andriamagnitra mbôka efa nagnamboatra izay tsara lavitra ho antsika ka tsy ho vita izany raha tsy efa akeo atsika.