10
Ny lalànan’i Mosesy dia sarin’ny raha tsara ho avy foagnany, fa tsy ilay tegna izy avy. Tsy mahatonga lafatra ny ôlona izay magnatogna an’Andriamagnitra io lalàna io na dia manolotra sorogna tsy tapaka isan-taona aza izy. 2 Raha tegna nampadio ny ôlona tamin’ny fahotana marina ny lalàna sy ny sorogna, dia tokony hanangana tsy hagnano sorogna intsony zareo izay mandray anjara amin’izany fanompoam-pivavahana izany satria tsy tokony hagnenjika ananjy ny eritrerigny. 3 Kanefa isan-taona ireo sorogna ireo dia mampahatsiaro ny ôlona ny fahotana 4 satria tsy magnala ota avy ny ran’aombilahy sy ny ran’osilahy.5 Araka izany, tamin’i Kristy tonga taketo amin’izao tontolo izao dia hozy tamin’Andriamagnitra:
“Tsy nilainao na ny sorogna na ny fagnatitra
fa nagnamboaranao vatantegna izaho.
6 Tsy nankasitrahanao na ny sorogna doroana
na ny sorogna fagnalana ny ota.”
7 Dia hozy izaho hoe: “Inty Izaho Andriamagnitra, hagnano ny sitraponao,
araka ny raha voasoratra mikasika Anahy agnaty horonam-boky akao” (Sal 40.6-8).
8 Hozy malôhany:
Tsy ilainao sady tsy ankasitrahanao
ny sorogna sy ny fagnatitra, ny sorogna doroana dahôlo sy ny sorogna fagnalana ota,
na dia mifagnaraka amin’ny lalàna avy no nagnanaovana an’izany. 9 Dia hozy indray avy takeo: “Inty Izaho, hagnano ny sitraponao”. Nalany ny talôha mbô hametrahany ny vaovao. 10 Araka izany sitrapon’Andriamagnitra izany no nagnoloran’i Jesoa Kristy indray mipôka ny vatategnany, mbô hagnamasinana antsika.
11 Mitsangana magnalin’andro isan’andro ny mpisorogna magnano fanompoam-pivavahana avy akeo manolotra sorogna mitovy foagnany zareo matetika kanefa dia tsy mahafaka ota avy izany. 12 Fa Kristy kosany, rehefa avy nagnano sorogna indray mipôka ho fagnalana ny ota, dia mentòtra akeo ankavagnan’Andriamagnitra mandrakizay. 13 Ka mandraka izao dia mandigny Izy ny hagnanaovan’Andriamagnitra ny fahavalony ho ankalagna hametrahana ny tongony. 14 Nataony tonga lafatra mandrakizay tamin’ny fagnatitra iraika foagnany ireo ôlona voadio tamin’ny ota. 15 Magnamafy an’izany amintsika koa ny Fagnahy Masina rehefa avy nitarea an’izany:
16 “Hozy ny Tômpo:
Afaran’izany andro izany
dia izao ny fagnekena hataoko aminjareo:
Hataoko am-ponjareo
sady hosoratako an-dôhanjareo ny lalànako;
17 tsy hotsarôvako intsony ny fahotanjareo sy ny heloka nataonjareo” (Jer 31.33-34).
18 Rehefa voavela ny heloka dia tsisy ilàna fagnatitra noho ny ota intsony.
Andao atsika hagnatogna an’Andriamagnitra
19 Araka izany raôlona, ny ran’i Jesoa no ahazoantsika antoka hidirana malalaka akao amin’ny Toerana Farany Masina. 20 Nameny lalana vaovao sady velona atsika, nanivatsiva takeo amin’ny efitra lamba, dia ny vatantegnany izany. 21 Managna mpisorogna geda koa atsika izay napetraka hitarika ny tragnon’Andriamagnitra. 22 Araka izany, andao atsika hagnatogna an’Andriamagnitra amin’ny fo tsotra, amin’ny fahatokisana tanteraka vokatry ny finoana; managna fo voadio afaka amin’ny eritreri-dratsy sy voasasa tamin’ny rano madio. 23 Andao fangohantsika mafy ny fagnantegnana izay hanagnantsika mbô tsy ho voahozongozogna satria azo atokisana ilay nagname ny fampagnantegnana. 24 Ary andao atsika hifagnahoa mbô samby harisika amin’ny fitiavana sy ny asa tsara. 25 Andao atsika tsy hametraka ny fiarahana mivory, sahala amin’ny fataon’ny sanagny, fa andao hifankahery satria hainareo fa efa magnakaiky ny andron’ny Tômpo.
26 Raha magnano fagnahy iniana manota antsikany, nefa mahafantatra tsara ny marina, dia tsisy raha hafa manjary atao sorogna intsony hagnalana ny ota; 27 fa dia tsy maintsy mandigny ny fitsarana mampatahotra izay hataon’Andriamagnitra sy ny afo midedadeda izay handevonany ny fahavalony dahôlo. 28 Vonoina ho foaty tsisy indrafo izay ôlona mandika ny lalànan’i Mosesy ka voamarin’ny vavolombelona roay na telo ny raha nataony. 29 Araka ny hevitrareo, mbô manakôry aiky ma ny hamafin’ny raha hahazo an’izay ôlona magnafoka ny Zanak’Andriamagnitra sady tsy magnisy hasiny ny ran’ny fagnekegna izay nagnamasinana an’ilay ôlona ary mamingavinga ny Fagnahin’ny fahasoavana? 30 Fantatsika mbôka izay nitarea hoe:
“Izaho no magnasazy;
Izaho no mamaly izay raha ataon’ny ôlona”;
ary hozy koa:
“Hotsarain’ny Tômpo ny ôlony” (Deo 32.35-36).
31 Aza mahavoa ny vokapok’Andriamagnitra velona fa tegna zava-doza!
32 Fa tadidio ny andro talôha izay niaretanareo fijaliana tamin’ny ady mafy izay niaignanareo tafaran’ny nandraisanareo ny fahazavana. 33 Indraindraika nalàna baraka sy nafokaina tamasom-bahoaka ianareo, ary niara-niaritra tamin’izay niharan’izany koa indraindraika. 34 Niara-niaritra tamin’ny ôlona nigadra ianareo ary nifaly raha norobaina ny fanagnanareo satria fantatrareo fa ianareo dia managna fanagnana tsara sady mateza mandombolombon’ilay takeo. 35 Aza magnary toky fa misy fagnamezana gedabe ho azonareo amin’izany. 36 Rehefa nahavita ny sitrapon’Andriamagnitra ianareo dia tokony hanagna faharetana mbô hahazoanareo izay nampagnantegnainy.
37 “Kely sisa dia ho tonga Ilay Ho Avy ary tsy hitamatama Izy.”
38 Ary “ny ôloko marina dia ho velon’ny finoana;
fa tsy ankasitrahan’ny fagnahiko raha miverign-dalana izy.” (Hab 2.3-4).
39 Fa tsy mbô naman’izay miverign-dalana ho amin’ny fahaverezana atsika fa naman’izay mino ho amin’ny famonjena ny fagnahy.