9
Nanagna ny lamina momba ny fanompoam-pivavahana sy ny toerana masina atỳ an-tany ny fagnekena voalôhany. 2 Natsangana ny tabernakely. Ny efitra voalôhany na ny toerana masina, no misy ny fitoeranjiro sy ny latabatra ary ny mofo atao fagnatitra. 3 Tambadiky ny efitra lamba faharoa no nisy ny tabernakely na ny toerana farany masina, 4 no nisy ny alitara volamena fandoroana ny ditina kakazo magnitra sy ny vata misy ny Fagnekena; rakotra takelaka volamena io vata io ary tagnatiny no nahitana ny siny volamena izay nisy ny mana, ny anjeran’i Arona izay namelana ary ny vato fisaky ny Fagnekena. 5 Tambonin’io vata io koa no nisy ny kerobima feno voninahitra, izay nagnalokaloka ny rako-pagnavotana tamin’ny embagny; tsy vita izao ny hiresaka mikasika an’izany raha dahôlo izany.6 Sahala amin’izay no nandaminana ireo raha dahôlo ireo, ary takao amin’ny efitra voalôhany no nidiran’ny mpisorogna hagnatanteraka ny fanompoam-pivavahana isanandro. 7 Fa ny efitra faharoa kosa dia ny mpisorognabe sambirerika no miditra akao indray mandeha isan-taona; ary na izy aza dia tsy afaka miditra akao raha tsy mitondra ra hatolony noho ny amin’ny vatantegnany sy takatry ny hadisoana nataon’ny ôlona kanefa tsy fantany avy. 8 Taravin’ny Fagnahy Masina tsara aketo fa mbôla tsy aboagna alôha ny lalana mankaigny amin’ny Toerana Farany Masina, raha mbôla akeo ny tabernakely voalôhany. 9 Sary mampiseho ny vanim-potoana ankahitrio izany. Ny dikan’izany dia hoe ny fagnolorana fagnatitra sy ny sorogna dia tsy mahatonga lafatra ny fieritreretan’ny ôlona magnano an’izany. 10 Fombafomba nataon’ôlona, hatao mandra-pahatongan’ny fotoana fagnavaozana, ny resaka momba ny raha hohanina sy ny raha hosotroina ary ny fomba fisasana isan-karazagny.
11 Kanefa tonga Kristy mbô ho lasana Mpisorognaben’ny raha tsara mbôla ho avy. Nanivatsiva ny tabernakely tegna geda sady faran’izay tsara Izy; tsy namboarina tamin’ny tagnana sady tsy an’izao tontolo izao izany tabernakely izany. 12 Indraika foagnany Izy no niditra takao amin’ny Toerana Farany Masina, kanefa tsy mbô nitondra ran’osilahy na ran’ny zanak’aomby avy, fa ny ran’ny vatantegnany foagnany no nindesiny mbô ahazoantsika fagnavotana mandrakizay. 13 Ny ran’osilahy sy ny ran’aombilahy ary ny lavenon’ny vantotra aombivavy rehefa afafy amin’izay voaloto dia magnamasina sy magnadio ny vatagna, 14 mintsaka fa ny ran’i Kristy, izay nanolotra ny tegnany tsisy kilema ho an’Andriamagnitra, tamin’ny alalan’ny Fagnahy mandrakizay, no hagnadio ny fieritreretantsika ho afaka amin’ny asa izay mitarika ho amin’ny fahafatesana, mbô hanompoantsika an’Andriamagnitra velona.
15 Araka izany dia Mpagnelagnelana akao amin’ny fagnekena vaovao Izy, rehefa avy niaritra fahafatesana mbô hagnavotany ny ôlona amin’ny fahotana nataonjareo nandritra ny fotoagnan’ny fagnekena voalôhany, mbôry izay ny ôlona voaantso dia handray ny lova mandrakizay izay nampagnantegnain’Andriamagnitra.
16 Rehefa misy didim-panagnana dia ilàna porofo fa tegna maty tokoatrany ilay ôlona nagnano an’izany. 17 Fa tsisy varany ny didim-panagnana raha mbôla velona ilay nagnano ananjy fa manjary kosany izany rehefa maty izy. 18 Izany no nahatonga ny fagnekena voalôhany tsisy varany raha tsy nisy ra alatsaka. 19 Notaravin’i Mosesy tamin’ny vahoaka ny didy dahôlo araka izay hita akao amin’ny lalàna, dia nialaka ran’ny zanak’aomby sy ran’osilahy nosambena rano izy, avy takeo dia natsobogny tamin’io fangaro io ny rantsagna hisopa notadena volon’ondry jaky ka nafafiny tamin’ny boky sy ny vahoaka dahôlo izany; 20 dia hozy:
“Ity no ran’ny fagnekena
dia ilay fagnekena namen’Andriamagnitra hotandremanareo” (Eks 24. 8).
21 Nofafazany ohatran’igny koa ny tabernakely sy ny fanaka dahôlo ampiasaina amin’ny fanompoam-pivavahana. 22 Araka ny lalàna mbôka dia diovina amin’ny ra ny ankabeazan’ny raha dahôlo; fa raha tsisy ra alatsaka dia tsisy famelan-keloka.
23 Nilaina nodiovina tamin’iregny ny sarin’ny raha aigny an-dagnitra, fa ny tegna raha aigny an-dagnitra kosa dia tsy maintsy diovina tamin’ny sorogna tegna tsara.
24 Tsy niditra takao amin’ny toerana masina namboarin’ôlona, izay sarin’ny tegna izy Kristy; niditra aigny an-dagnitra Izy ankahitrio mbô hiboagna agnatrehan’Andriamagnitra ho antsika; 25 isan-taona ny mpisorognabe no miditra akao amin’ny toerana masina mitondra ra izay tsy ananjy fa Kristy kosany tsy mbô niverimberigna nanolotra ny aignany tamin’Izy niditra tan-dagnitra, 26 fa raha izany mbôka dia tsy maintsy nijaly matetika Izy hatramin’izay nagnamboarana an’izao tontolo izao; fa amin’izao andro farany izao dia efa niboagna indray mandeha Izy mbô hagnafaka ny ota tamin’ny nanolorany ny aignany. 27 Notendrena ho foaty indray mandeha ny ôlona, ary afaran’izany dia ho tsarain’Andriamagnitra izy. 28 Dia ôhatra izany koa Kristy, rehefa natolotra indray mandeha hitondra ny otan’ny maro Izy dia hiboagna fagnindroany, tsy amin’ny ota, fa ho famonjena kosa ho an’izay mandigny Ananjy.