Ny fanompoam-pivavahana tranainy
8
Izao no tegna tianay taravina: Managna Mpisorognabe sahala amin’izany atsika, ilay mentòtra aigny an-dagnitra, ankavagnan’ny seza fiandrianan’Andriamagnitry ny andriamagnitra akeo; 2 magnano fanompoana akao amin’ny toerana masina Izy, dia akao amin’ny tabernakely tegna izy, ilay tsy namboarin’ôlombelona fa namboarin’ny Tômpo.3 Ny Mpisorognabe dia tendrena hanolotra fagnamezana sy sorogna, tokony mbô manan-katolotra koa Izy araka izany. 4 Raha tatỳ ambonin’ny tany Izy dia tsy ho mpisorogna mihitsy satria efa misy mpisorogna manolotra ny fagnamezana mifagnaraka amin’ny lalàna. 5 Ny fanompoana ataonjareo ireo dia sary sy talinjogn’ny toerana masina aigny an-dagnitra, sahala ny tamin’ny natoron’Andriamagnitra an’i Mosesy, taminanjy hagnano ny tabernakely dia hozy: “Tandremo sao dia tsy ataonao araka ilay modely natoroko anao tan-tampontanety taigny ny raha dahôlo!” (Eks 25. 40). 6 Fa amin’izao dia fanompoana matomboka be no nankinina Taminanjy satria Izy no mpagnelagnelagna amin’ny fagnekem-pihavanana tsara be, izay natao tamin’ny fampagnantegnana tsara be.
7 Raha ôhatra ka tonga lafatra ilay fagnekem-pihavanana voalôhany, dia ino ma no mbôla ilàna fagnekem-pihavanana faharoa? 8 Kanefa magname tsigny ny ôlona Andriamagnitra hoe:
“Hozy ny Tômpo: Tonga ny fotoana
izay hagnanaovako fagnekena vaovao
amin’ny taranak’Israely
sy ny taranak’i Joda.
9 Tsy hitovy amin’ny fagnekena nataoko
tamin’ny razanjareo,
taminjareo nindesiko nivoaka avy taigny Egipta, anefa izany.
Nivadika tamin’ny fagnekeko zareo,
ka tsy nahoako koa,
hozy ny Tômpo.
10 Izao izany no fagnekena hataoko amin’ny taranak’Israely,
afaran’izany fotoana izany, hozy:
Hataoko agnatin’ny lôhany
sy hosoratako agnatin’ny fony ny lalànako,
ho Andriamagniny Izaho,
ary zareo ho ôloko.
11 Tsisy ôlona hampianatra ôlon-kafa intsony ka hitarea hoe: Fantaro ny Tômpo!
Samby hahafantatra Anahy mbôka zareo dahôlo,
manomboka amin’ny farany madinika ka hatramin’ny farany geda;
12 satria havelako ny tsy fanjariany
Ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany” (Jer 31. 31-34).
13 Mitarea mikasika ny fagnekena vaovao Andriamagnitra, midika izany fa efa antitra ilay voalôhany. Ary ny raha rehefa antitra, tsy ho ela dia hanjavona.