Mpisorognabe araka ny laharan’i Melkizedeka
7
Melkizedeka dia mpanjakan’ny Salema sady Mpisorogn’Andriamagnitry ny andriamagnitra. Izy ilay nitseza an’i Abrahama niverigna avy nandresy mpanjaka maro ka nitsodrano ananjy. 2 Namen’i Abrahama ananjy ny ampahafolon’ny raha dahôlo azony avy taigny. Roay ny dikan’ny agnarana hoe Melkizedeka: Mpanjakan’ny fahamarinana sy mpanjakan’ny Salema, na mpanjakan’ny fiadanana. 3 Tsisy fantatra na ny rainy, na ny reniny, na ny razagny, na ny nahaterahany, na ny nahafatesany, fa nataon’ny Soratra Masina mitovy amin’ny Zanak’Andriamagnitra izy ary mipetraka ho mpisorogna mandrakizay.4 Jerevo ma fa ôlona managna ny hajany i Melkizedeka. Namen’i Abrahama patriarika ananjy ny ampahafolon’ny raha tsara azony taigny amin’ny ady. 5 Araka ny lalàna dia izay avy amin’ny taranak’i Levy ihany ka magnano ny fisorognana no manjary mialaka ny fahafolonkarena amin’ny ôlona, izany hoe amin’ny Zanak’Israely rahalahinjareo izay taranak’i Abrahama ôhatra anjareo koa. 6 Tsy iray razagna amin’ireo avy Melkizedeka nefa izy dia nandray ny fahafolonkarena tamin’i Abrahama ary nitsodrano ilay nandray ny fampagnantegnana. 7 Tsy manjary ifamarana fa ny geda no mitsodrano ny madinika. 8 Ary ny taranak’i Levy izay mandray ny fahafolonkarena dia mety maty, fa i Melkizedeka dia velona araka ny Soratra Masina. 9 Ary azo ambara koa fa na dia nandray ny fahafolonkarena aza i Levy dia mbô nandoa an’izany koa izy tamin’ny alalan’i Abrahama 10 satria mbôla tsy teraka izy tamin’i Melkizedeka nitseza an’i Abrahama.
11 Mipetraka ambonin’ny lalàna ny fisorognan’ny taranak’i Levy. Raha ôhatra ka tonga lafatra izany fisorognana izany, dia ino ma no mbôla ilàna mpisorogna hafa izay notendrena araka ny laharan’i Melkizedeka ankoatra an’izay araka ny laharan’i Arona? 12 Fa raha ovaina ny fisorognana dia tsy maintsy ovaina koa ny lalàna. 13 Ny Tômpo no taravina amin’izany. Avy amin’ny foko hafa izay mbôla tsisy nagnano asa fisorognana tamin’ny alitara no niaviany. 14 Haintsika fa avy tamin’ny fokon’i Joda Izy, ary tamin’i Mosesy niresaka mikasika ny mpisorogna dia tsy nasiany teny avy izany foko izany. 15 Mbôla magnazava an’izany koa ny fahitavana fa sahala amin’i Melkizedeka ny mpisorogna hafa nivoaka takeo. 16 Tsy avy amin’ny lalànan’ny ôlona no nahatonga Ananjy ho mpisorogna fa avy amin’ny hasin’ny fiaignana tsisy fahataperana. 17 Izao no voasoratra mikasika Ananjy:
“Ianao no Mpisorogna mandrakizay
araka ny laharan’i Melkizedeka” (Sal 110. 4).
18 Nofoaganana ny didy talôha satria sady tsy nanankery no tsy nahasoa. 19 Tsisy nataon’ny lalàna tonga lafatra ny raha dahôlo, dia namena ny fagnantegnana tsara lombolombon’izany atsika, mbôry izay atsika afaka hagnatogna an’Andriamagnitra.
20 Fagnampin’izany koa, dia nisy fanta nataon’Andriamagnitra. 21 Ny sanagny notendrena ho mpisorogna tsy tamin’ny fanta fa Jesoa kosa tamin’ny fanta nataon’Ilay nitarea hoe:
“Efa nifanta ny Tômpo
ka tsy hiova hevitra:
Ianao no mpisorogna mandrakizay” (Sal 110. 4).
22 Noho io fanta io dia nanjary mpiantoka ny fagnekem-pihavanana farany tsara Izy.
23 Betsaka iregny mpisorogna iregny satria tsy navelan’ny fahafatesana ho laloantitra amin’ny maha mpisorogna anjareo; 24 kanefa tsy azo afindra ny fisorognana ataon’i Jesoa satria velona mandrakizay Izy. 25 Araka izany dia mahavotra izay magnatogna an’Andriamagnitra amin’ny alalany Izy satria velona mandrakizay hifona ho anjareo.
26 Fa Mpisorognabe ôhatra izany no ilaintsika satria masina Izy, tsisy tsigny, tsisy ota, navahana tamin’ny mpanota ary nasondrotra agnambo mandombolombo ny lagnitra. 27 Tsy mila magnano sorogna isanandro ôhatra ny Mpisorognabe dahôlo Izy. Ho an’ny otany malôha no agnanaovanjareo an’izany, izay vao ho an’ny ôlon-kafa. Fa ny Ananjy kosa, poaka indraika no nagnanaovany an’izany, Taminanjy nanolotra ny aignany. 28 Ny lalàna mbôka dia manendry ôlona tsy tonga lafatra ho Mpisorognabe; kanefa kosa ny fanta, natao tafaran’ny lalàna, dia manendry ny Zanaka izay tonga lafatra mandrakizay.