6
Araka izany dia andao ialantsika ny abidy mikasika an’i Kristy, fa andao atsika handroso ho aigny amin’ny farany tsara ka tsy hiverigna hatramin’ny voalôhany indray, aigny amin’ny fampianarana mikasika ny finoana an’Andriamagnitra, ny fialana amin’ny tsy fanjariana, 2 ny batisa, ny fametrahan-tagnana, ny fitsangana amin’ny maty ary ny fitsarana mandrakizay. 3 Raha sitrapon’Andriamagnitra izany dia hataontsika.
4 Izay efa nandray ny fahazavan’Andriamagnitra indray mandeha, nagnandrana ny fagnamezana avy aigny an-dagnitra, nandray ny Fagnahy Masina 5 ary efa nagnandrana ny tsiron’ny tenin’Andriamagnitra sy ny hasin’ny fiaignana ho avy, 6 kanefa niverin-dalana, dia tsisy hevitra intsony ny hialany amin’ny tsy fanjariana indray satria mamantsika fagnindroany ny Zanak’Andriamagnitra amin’ny kakazo fijaliana zareo sady magnala baraka Ananjy. 7 Ny tany rehefa mitroka tsara ny ranonorana ka mahavokatra be ho an’ny ôlona mamboly akeo dia amin’io tany io ny fitahian’Andriamagnitra. 8 Fa raha mamoaka tsilo sy tainkilotra kosa izy dia tsisy ilàna ananjy, ho voaozogna ary hodorana no hiafarany.
9 Kanefa raôlona, na dia mitarea an’izany aminareo aza izahay dia azonay antoka fa misy anjara farany tsara mandigny anareo, dia ny famonjena. 10 Marina Andriamagnitra. Tsarôvany ny raha nataonareo sy ny fitiavanareo izay tsapa taminareo nagnampy ny ôlona masina ary mbôla manohy an’izany ho voninahitry ny agnarany. 11 Magniry izahay ny mbôla hanohizanareo an’izany hafanam-po izany hatramin’ny farany mbôry izay ho azo antoka ny fagnantegnanareo 12 mbô tsy ho kamo ianareo fa hagnaraka an’ireo mpandova ny raha nampagnantegnaina noho ny finoana sy ny faharetanjareo.
13 Tamin’Andriamagnitra nampagnantegna an’i Abrahama dia nifanta tamin’ny aignany Izy satria ny aignany no farany ambony azony nifantana, 14 ka hozy:
“Hataoko tehika fitahiana ianao
ary hataoko betsaka be ny taranakao” (Gen 22. 17).
15 Nahavita nandigny Abrahama, dia nahazo izay nampagnantegnain’Andriamagnitra ananjy. 16 Fataon’ôlona ny mifanta amin’izay ambony noho izy; izany fanta ataonjareo izany no mampatomboka ny teny mbô hampijanona ny fifandirana dahôlo. 17 Araka izany, tian’Andriamagnitra hazava tsara amin’ny mpandova ny raha nampagnantegnainy, fa tsy miova ny heviny ary nataony matomboka tamin’ny fanta izany fampagnantegnana izany. 18 Misy raha roay namen’Andriamagnitra atsika: fampagnantegnana sy fanta, izay samby tsisy azo ovaina; ary tsy mandainga amin’izany Izy. Izany raha dahôlo izany no mandrisika atsika hitana ny fagnantegnana namena antsika. 19 Ôhatry ny vatofantsika, sady matomboka no tsy mihontsigna, amin’ny fiaignantsika io fagnantegnana io; mbôla io koa no mampiditra antsika aigny agnatin’ny lamba nagnefitra 20 izay nidiran’i Jesoa mbô ho Mpisava lalana antsika, rehefa nanjary Mpisorognabe mandrakizay araka ny laharan’i Melkizedeka Izy.