5
Ny Mpisorognabe tsiraikaraika dia nosafidian’Andriamagnitra tagnatin’ny maro ary notendreny hisolo tegna ny ôlona hagnano ny asany: Hanolotra fagnamezana sy hagnano sorogna hangalana ny fahotana. 2 Managna fahalemena koa izy ka dia hainy ny mitondra amin’ny fahatsorana ny ôlona tsy mahay raha sy ireo ôlona mivily lalana. 3 Noho izany dia tsy maintsy hagnano sorogna hangalana ny fahotana ho an’ny aignany izy, sahala amin’ny ataony ho an’ny ôlona. 4 Tsisy afaka mialaka an’izany voninahitra izany ho an’ny vatan-tegnany raha tsy izay nantsovin’Andriamagnitra ihany, sahala amin’i Arona.5 Sahala amin’izany koa Kristy: Tsy Izy no nanondrotra ny vatan-tegnany ho Mpisorognabe fa Ilay nitarea Taminanjy hoe:
“Zanako Ianao
ary miantena nigniany ity dia Izaho no niteraka Anao” (Sal 2. 7).
6 Dia hozy koa aigny amin’ny teny hafa:
“Ianao no mpisorogna mandrakizay
araka ny fataon’ny Melkizedeka” (Sal 110. 4).
7 Tamin’ny fahavelomany dia tamin’ny fitaraignana mafy sy ny ranomaso be no nivavahany sy nangatahany tamin’Ilay afaka namonjy Ananjy tamin’ny fahafatesana; dia notainoana Izy satria natahotra an’Andriamagnitra. 8 Na dia Zanaka aza Izy, dia nianatra nankatô tamin’ny fijaliana nozakainy. 9 Vokatr’izay raha dahôlo izay dia nataon’Andriamagnitra farany tsara Izy, ary nanjary lôharanon’ny famonjena maharitra mandrakizay ho an’izay mankatò Ananjy. 10 Araka izany, dia nilaza Andriamagnitra fa Mpisorognabe Kristy, magnaraka ny laharan’ny Melkizedeka.
Mikasika izay raha sarotra taravina
11 Mikasika an’izany, managna raha maro koragnina sy sarotra hazavaina aminareo izahay satria ela ianareo vao mahazo ognon-draha. 12 Ela ihany izay, efa tokony ho mpampianatra ianareo kanefa dia mbôla mila hampianarina ny abidian’ny tenin’Andriamagnitra foagna; mbôla mitovy amin’ny zaza tokony hamena ronono fa tsy ventin-kanina ianareo. 13 Fa izay mbôla mivelona amin’ny ronono dia tsy zatra ny tenin’ny fahamarinana satria mbôla zaza. 14 Fa ny ôlona geda kosa dia mihinana ventin-kanina, dia ireo efa zatra tsara mampiasa ny lôhany ka mahay magnavaka ny tsara amin’ny ratsy.