Mitoria ny Teny
4
Tegna miangavy anao akeo agnatrehan’Andriamagnitra sy akeo agnatrehan’i Kristy Jesoa izay hitsara ny velona sy ny maty izaho, ary miangavy anao avy amin’ny fiaviany sy ny fanjakany: 2 Torio foagna ny teny na oviana na oviana, reseo lahatra ny ôlona, amporisiho, anaro mafy amin’ny fampianarana dahôlo; ataovy amin’ny faharetana foagna izany.
3 Ho avy mbôka ny fotoana tsy hahazakan’ny ôlona ny fampianarana marina; fa halailay sofina zareo ka hagnantso mpampianatra betsaka hagnambara izay raha tianjareo ho tainôna, araka izay raha ilainjareo. 4 Tsy te hitaino ny fampianarana marina intsony zareo fa alainy mitaino anganonganon-draha dahôlo.
5 Fa ianao indray, mahaiza mifehy tegna amin’ny raha dahôlo, miareta amin’ny fijaliana, mazotoa amin’ny fitoriana ny Tarea Maharavo, ary tanteraho ny fanompoanao.
Nitozôko hatramin’ny farany ny fihazakazahako ary voatanako ny finoako
6 Raha mikasika anahy indray dia efa akaiky ny fotoana hagnanaovana sorogna anahy sy hialako amin’ity tany ity. 7 Tsy nitsoak’ady izaho, nitozôko hatramin’ny farany ny fihazakazahako, ary voatanako ny finoako. 8 Miantena amin’izao dia efa nakajina ho anahy ny satroboninahitra ny fahamarinana izay hamen’ny Tômpo, Ilay mpitsara marina, ho anahy amin’ny andro fitsarana. Tsy ho anahy irerika avy izany fa ho an’ny ôlona dahôlo izay mandigny am-pitiavana ny hiaviany indray.
Vaovao manokana sy hafatra avy atỳ aminahy
9 Ataovy mihitsy izay hahatongavanao malady atỳ aminahy; 10 efa nilaosan’i Demasy mbôka izaho, fa lasana nankaigny Tesalonika izy vokatry ny fitiavany an’izao fiaignana izao; Kreska lasana nankaigny Galatia, ary Titosy lasana nankaigny Dalmatia. 11 Lioka irerika no atỳ aminahy. Alao i Marka ka indeso miaraka aminao mankatỳ, tegna ilaiko mbôka izy amin’ny asa fagnompoana. 12 Nasaiko nankaigny Efesosy i Tikiko. 13 Rehefa mankatỳ ianao dia indeso ilay paridesỳ najanoko takao amin’i Karpo taigny Troasy igny; dia indeso koa ny horognam-boky, mintsaka fa ireo vita amin’ny hoditra. 14 Ratsy fiaignana be taminahy i Aleksandra mpanefy varahina; enga anie hamaly ananjy araka ny raha nataony ny Tômpo. 15 Mitandrema tsara ianao amin’igny ôlona igny fa ny raha nampianarinay dia tegna notoheriny.
16 Tamin’ny fotoana voalôhany niarovako tegna takeo amin’ny fitsarana dia tsisy nomba anahy fa nialan’ny ôlona dahôlo izaho. Enga anie mbô tsy hataon’Andriamagnitra ho agnisan’ny fahadisoanjareo izany! 17 Kanefa nitsangana takaikiko ny Tômpo ka nagname hery anahy mbô hahavitako mampita tsara ny Tarea Maharavo ary mbô ho regnin’ny jentilisa dahôlo izany raha izany. Ary navotany tam-bavan’ny liona izaho. 18 Enga anie hagnafaka anahy amin’ny raha tsy manjary dahôlo ny Tômpo ka hamonjy anahy ho aigny amin’ny Fanjakany aigny an-dagnitra. Enga anie ho Ananjy ny voninahitra mandrakizay! Amena!
Rasavôlagna
19 Veloma aigny amin’i Prisila sy Akoila mbaraky ny fianakavian’i Onesiforosy.
20 Nanangana taigny Korinto i Erasto. Narary i Trofimo ka nilaosako taigny Mileto.
21 Ataovy izay hahatongavany atỳ alôhan’ny rirignina.
Veloma ianao hozy Eobolo, Poda, Lino, Klaodia mbaraky ny rahalahy dahôlo.
22 Enga anie homba ny fagnahinao ny Tômpo! Enga anie ho aminareo ny fahasoavana!