Ny fihemorana amin’ny andro farany
3
Tokony ho hainao tsara fa amin’ny andro farany dia hisy fotoan-tsarotra; 2 ny ôlona mbôka ho tia tegna, ho tia vola, ho mpidoka tegna, ho mpiavognavogna, ho mpiteny ratsy, tsy hankatô ray sy reny, tsy hahay mankasitraka, tsy hanaja ny raha masina, 3 tsy hanam-pitiavana, tsy hahay mamela heloka, ho mpagnasoketa, tsy hahafehy tegna, ho mpampijaly, tsy ho tia ny tsara, 4 ho mpamadika, ho be kirina, ho mpisekoseko, ho tia fahafinaretana mandombolombo ny fitiavana an’Andriamagnitra, 5 hagnano ananjy ho mpivavaka kanefa tsy magneky ny herin’Andriamagnitra. Ialao lavitra ireny ôlona ireny.
6 Ny sanagny aminjareo ireny tonga dia mitsofoka an-dragnon’ôlona mbô hitarika ny vehivavy mora adaladalaina, izay itambesaran’ny fahotana ary indesin’ny filan-dratsy isan-karazany; 7 mianatra foagnany izy kanefa tsy mety mahatakatra ny fahalalana ny marina. 8 Sahala amin’ny nanoheran’i Jana sy Jambra an’i Mosesy koa no anoheranjareo ny fahamarinana. Ôlona ratsy lôha sady tsy magnam-pinoana lalim-paka zareo ireny. 9 Kanefa tsy ho lasa lavitra avy zareo ireny satria ho hitan’ny ôlona dahôlo ny tsy fanjariana ataony, sahala amin’izay nahazo an’izy roa lahy.
Ianao kosa, mahareta amin’izay raha niagnaranao
10 Fa ianao kosa dia efa nagnaraka tsara ny fampianarako, ny fitondrantegnako, ny fisaignako, ny finoako, ny fandeferako, ny fitiavako, ny faharetako, 11 ny fanenjehana anahy, ny fijalena nahazo anahy taigny Antokia, Ikonioma, ary Listra. Inona ma ny fanenjehana izay tsy efa niaretako? Nefa nalan’ny Tômpo tamin’izany raha dahôlo izany izaho. 12 Enjehina tokoatrany ny ôlona dahôlo te hanagna fiaignana tian’Andriamagnitra akao amin’i Kristy Jesoa. 13 Fa ny ôlona ratsy fiaignana sy ny mpamitaka kosa dia mbôla hiharatsy foagnany; sady mamitaka izy no ho voafitaka.
14 Fa ianao kosa dia mahareta amin’izay raha nianaranao sy izay raha nekenao satria naharesy lahatra anao; fantatrao mbôka fa azo antoka ny ôlona nampianatra anao an’izany. 15 Letry ianao mbôla kely dia efa nahay ny Soratra Masina, ary izany no nagname anao fahendrena, izay mitarika ny ôlona ho amin’ny famonjena amin’ny alalan’ny finoana an’i Kristy Jesoa. 16 Izay Soratra dahôlo avy amin’ny tsindrimandrin’Andriamagnitra dia tegna mahasoa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana ny raha tsy marina, ho fitaizana amin’ny fahamarinana, 17 mbô hampatonga ny ôlon’Andriamagnitra ho tegna vognona sy ho vory fitaovana amin’ny asa tsara dahôlo.