Ny momba ny andevon’ôlona
6
Izay mbôla andevon’ôlona dia tokony hagnaja ny tômpony, mbôry izay ny ôlona tsy magnasaha ny agnaran’Andriamagnitra sy ny fampianarana. 2 Ary raha kristianina ny tômpony dia tokony hohajainy satria mpirahalahy zareo; tokony manompo be an’ilay tômpony mihitsy aza izy satria kristianina sady tiany ny ôlona agnanaovany soa. Ampianaro sy amporisiho ny ôlona izany raha izany.Fampianarana izay tsy mifagnaraka amin’ny fahatahorana an’Andriamagnitra
3 Raha misy ôlona mampianatra raha hafa ankoatr’izany ka tsy magnaiky ny teny marin’i Jesoa Kristy Tômpontsika sy ny fampianarana araka an’Andriamagnitra, 4 dia miendaenda foagna izany ôlona izany sady tsisy raha fantany. Azom-poka mifamatra sy mifandohika amina teny izy ka mampatonga fialonana, fifamaliana, fagnaratsena, fagnasoketana, 5 fifamaliana tsisy fiafarany ataon’ôlona managna saigna lomorina sady efa niala tamin’ny fahamarinana, mihevitra fa ny toe-pagnahy araka an’Andriamagnitra no lôharano hahazoan-karena.
6 Tombony be tokoatrany ho an’ny ôlona mahay mifaly amin’izay anagnany ny toe-pagnahy araka an’Andriamagnitra.
7 Tsy nitondra na ino na ino nankaty amin’izao tontolo izao atsika
sady tsy hahavita mitondra na ino na ino koa rehefa miala aketo.
8 Rehefa mbô managna raha hohanina sy akanjo sarognana atsika
dia tokony hahay hifaly amin’izany.
9 Ary izay ôlona azom-poka te hanan-karena dia roboka amin’ny fitsapam-pagnahy sy ny fandrika ary ny filàna maro tsisy dikany sady mampidi-doza, izay mandentika aigny amin’ny faharavana sy fahaverezana. 10 Fa ny fitiavam-bola no fototry tsy fanjariana dahôlo; misy ôlona azom-poka nikaraka an’izany ka efa nibirioka niala tamin’ny finoana ary nitomboka alahelo tamin’ny aignany.
Hafatrafatra nataon’i Paoly tamin’i Timoty
11 Fa ianao indray ry Timoty, ôlon’Andriamagnitra ianao,
ialao lavitra izany raha dahôlo izany,
ka mikezaha mikaraka fahamarinana, toe-pagnahy araka an’Andriamagnitra, finoana, fitiavana, fahatozoana, ary fahatsorana.
12 Miadiva ny ady ho an’ny finoana
ary tano ny fiainana mandrakizay
izay nagnantsôvan’Andriamagnitra anao
sady nagnanaovanao fagnekena tsara tamasona vavolombelona betsaka.
13 Akeo agnatrehan’Andriamagnitra izay mamelona ny raha dahôlo, ary akeo agnatrehan’i Kristy Jesoa, Ilay nagnano fagnekena tsara tamason’i Pontio Pilato, no agnanarako anao: 14 Tandrôvo tsara mbô ho tsisy kianina ireo didy ireo mandrapiavin’i Jesoa Kristy Tômpontsika. 15 Izy no hampiseho an’izany amin’ny fotoana voatendrin’Andriamagnitra,
Ilay Tokana tômpon’ny fahefana sy lôharanon’ny fahasambarana,
Ilay Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tômpon’ny tômpo,
16 Ilay Tokana tsy andairan’ny fahafatesana,
mipetraka akao amin’ny mazava tsy azon’ôlona akaikesina,
mbôla tsisy nahita maso sady tsisy afaka mijery,
enga anie ho Ananjy ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena.
Ny amin’ny mpanankarena
17 Anaro ny mpanankarena amin’izao fotoana izao mbô tsy hiavognavogna na hatoky ny harena mandalo fa hatoky an’Andriamagnitra, Ilay magname malalaka antsika ny raha dahôlo mbô hifaliantsika. 18 Hafaro zareo hagnano asa soa mbôry izay hanankarena amin’ny asa tsara ary hazoto magname sy mizara izay anagnany amin’ôlon-kafa. 19 Dia hahavory harena maharitra ho an’ny aignany, ho amin’ny andro ho avy zareo mbô hitanany ny tegna fiaignana.
Rasa vôlagna
20 Ô Timoty! Tandrôvo tsara ilay raha namena anao ka ialao lavitra ny resaka tsisy dikany sy ny fanoherana izay taravina hoe fahalalana nefa tsy izy avy 21 Nagnaiky an’izany ny sanagny ka niala tamin’ny finoana.
Enga anie ho aminareo ny fahasoavana!