Ny amin’ny fianakaviam-be
5
Aza dia masiaka loatra amin’ny antilahy fa anaro ôhatran’ny hoe rainao izy, ny gaondahy ento ohatran’ny rahalahy, 2 ny antibavy ôhatran’ny reny, ny gaombavy ôhatran’ny anabavy amin’ny fahadiovana dahôlo.
Ny maty vady
3 Karakarao ny maty vady izay tsy managna an’iza na iza. 4 Fa raha manan-janaka na manan-jafy izy, dia avilay malôha ny taranagny hianatra hampiseho ny fahatahorana an’Andriamagnitra amin’ny fianakaveny ka hamaly soa ny ray sy reniny; fa izany no ankasitrahan’Andriamagnitra. 5 Fa izay tegna efa maty vady ka tsy managna an’iza na iza ikarakara ananjy dia magnantegna an’Andriamagnitra ka maharitra amin’ny fangatahana sy ny fivavahana foagna magnalin’andro. 6 Fa izay efa maty vady magnaram-po amin’ny fahafinaretana dia efa maty fagnahy mbôla velona. 7 Taravo tsara aminjareo izany raha izany mbô tsy hanagnanjareo tsigny. 8 Fa raha misy ôlona tsy mikarakara ny fianakaveny, mitsaka fa tegna akeky ananjy, dia nivadika tamin’ny finoanany izy ka mbôla ratsy mandombolombo ny olôna tsy mino.
9 Aza sokajiana agnatin’ny lisitry ny maty vady izay latsaky ny enimpolo taona sady mbôla vao indraika nanambady 10 ary mila managna laza tsara amin’ny asa soa nataony izy: nitaiza tsara ny zanagny, nampandroso vahiny, nanasa ny tongotry ny ôlona masina, namonjy ny ôlona sahirana, nazoto nagnano karazagna asa soa dahôlo. 11 Aza sokajiana agnatin’ny efa maty vady ny mbôla tanora satria mety hagnalavitra ananjy amin’i Kristy ny filàny ka hiverigna hanambady indray izy. 12 Magnameloka ny tegnany izy amin’izany satria tsy nitàna ny fagnekena nataony tamin’ny voalôhany. 13 Tsy izany foagnany fa manjary kamo miasa koa izy ka mandehandeha mitety tragnon’ôlona; ary tsy vitan’ny kamo miasa foagnany fa mitondra haoka sy miteniteny foana miditra amin’ny raha tsy tokony hidirany.
14 Tiako raha miverigna manambady ny vehivavy mbôla tanora izay maty vady, ka hanan-janaka sy hikarakara ny tokantragnony, mbôry izay tsy afaka hitarea raha tsy manjary momba antsika ny fahavalo. 15 Ny sanagny amin’ny vehivavy maty vady mbôka efa nibirioka nagnaraka an’i Satana. 16 Raha misy vehivavy mpino managna havana maty vady, dia tokony magnampy anjareo izy, mbô tsy hampanahirana ny fiangonana, mbôry izay ny fiangonana mbô afaka hagnampy an’izay maty vady tsy managna na iza na iza.
Ny amin’ny lohôlona
17 Tokony hamena fagnajana roa sosona ny lohôlona mahay mitondra tsara ny Fiangonana, mitsaka fa izay mamono tegna amin’ny fitorian-teny sy ny fampianarana. 18 Fa hozy ny Soratra Masina: “Aza akombogna ny vavana aomby mively vary” (Deo 25. 4). Dia hozy koa: “Mendrika hahazo ny karamany ny mpiasa” (Lio 10. 7). 19 Aza tonga dia raisina ny fitoriana ny lohôlona raha tsisy vavolombelona roay na telo. 20 Anaro akeo amason’ôlona dahôlo izay lohôlona manota mbôry izay hatahotra koa ny sanagny.
21 Miangavy mafy anao akeo agnatrehan’Andriamagnitra sy Kristy Jesoa ary ny anjely voafidy izaho: Tandremo tsara izany raha izany ary aza miangatra na mitagnila. 22 Aza malaky mametra-tagnana amin’ôlona na amin’iza na amin’iza, ary aza mandray anjara amin’ny fahotana ataon’ny sanagny; tandrovo foagna ny tegnanao mbô hadio.
23 Tsy tokony ho rano foagnany no hosotroinao, fa misotroa divay kely koa mbô hagnampy anao amin’ny fandevonan-kanina sy ny tsy fahasalamanao matetika. 24 Mibaribary mialôhan’ny dinidinika atao aminanjy ny fahotan’ny ôlona sanagny, fa ny an’ny sanagny indray tsy fantatra raha tsy afaran’igny. 25 Ary mibaribary sahala amin’izany koa ny asa tsara ataony; ary na izay tsy mibaribary aza dia tsy azo hasitrika foagna.