Ny fampianaran’ny demonia.
4
Ny Fagnahy dia milaza mazava fa amin’ny andro farany dia hiala amin’ny finoana ny sanagny ka hagneky fagnahy mamitaka sy fampianaran’ny demonia, 2 amin’ny fihatsarambelatsihin’ny mpandainga izay nasiana marika tamin’ny vy mamay ny fieritreretany. 3 Feranjareo tsy hanambady ny ôlona, ampifadianjareo ahanina izay nataon’Andriamagnitra ho an’izay mino sady mahalala no marina, mbô ho hohanina amin’ny fisaorana. 4 Tsara dahôlo mbôka ny raha nataon’Andriamagnitra ka tsisy tokony ho lavina raha amin’ny fisaorana no andraisana ananjy, 5 satria hamasinin’ny Tenin’Andriamagnitra sy ny vavaka izany.Mpamonjy ny ôlona dahôlo Andriamagnitra
6 Raha hampianarianao an’izany ny rahalahinao, dia hanjary gaogna azon’i Kristy Jesoa atokisana ianao, notezaina tamin’ny tenin’ny finoana sy ny fampianarana marina tsara izay narahinao. 7 Aza tainoana ny angano tsy manjary sy tsy mifagnaraka amin’ny finoana izay fataon’ny antibavy; fa ataovy fahazarana ny miaigna ny toe-pagnahy araka an’Andriamagnitra.
8 Ilaina ihany ny fahazarana mampiasa vatagna fa ilaina amin’ny raha dahôlo ny fanagnana ny toe-pagnahy araka an’Andriamagnitra satria magname fagnantenana ny amin’izao fiaignana izao sy ny amin’ny ho avy. 9 Azo atokisana izany tarea izany ka tokony ekena tokoatrany. 10 Izany no mampatonga anay mikiry sy miezaka satria izahay magnantegna an’Andriamagnitra velogna, izay Mpamonjy ny ôlona dahôlo, mitsaka fa izay mino Ananjy.
11 Toroy sy ampianaro ny ôlona izany raha dahôlo izany.
Fiagnarana ho an’izay ôlona mino
12 Aza avela hagnano anao ho tsisy dikany ny ôlona satria mbôla tanora ianao. Fa tokony ho tahafin’ny mino ianao amin’ny fitaravana, amin’ny fitondrantegna, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana.
13 Mandra-pihaviako dia ataovy fahazarana ny famakiana ny Soratra Masina, ny famporisihina ary ny fampianarana. 14 Aza atao antsirambina ny fagnamezam-pahasoavana izay akao agnatinao, izay namena anao tamin’ny faminaniana sy ny fametrahan-tagnan’ny lohôlona. 15 Tano tsara izany raha dahôlo izany dia mikiriza mafy mbô hitan’ôlona dahôlo ny fandrosoanao. 16 Tandremo tsara ny fiaignanao sy ny fampianaranao ka mahareta amin’izany; fa raha magnano an’izany ianao dia hamonjy ny aignanao sy izay ôlona mitaino anao.