Ny tômpon’andraikitra akao am-piangonana
3
Mahatoky izao tarea izao: Raha misy ôlona magniry ny asan’ny mpitondra fiangonana dia magniry asa tsara izy. 2 Araka izany, ny mpitondra fiangonana dia tsy maintsy ôlona tsy manan-tsigny, tsy mampirafy, mahafehy tegna, mendrika hajaina, tia vahiny, mahay mampianatra, 3 tsy mamo lava na tia ady fa be fandeferana, tia filaminana, tsy tia vola, 4 mitondra tsara ny ôlona iray tragno aminanjy, mahafehy ny zanagny mbô hankatoa ananjy am-pagnajana 5 satria raha misy ôlona tsy mahay mitondra tsara ny iray tragno aminanjy, dia hataony akôry aiky ny fikarakarana ny fiangonan’Andriamagnitra? 6 Tsy tokony ho ôlona vao vetiketika no nanolo-tegna ho an’Andriamagnitra no mitondra fiangonana fa sao dia miendaenda foagna izy ka ho voaheloka sahala amin’ny devoly. 7 Ary tsy maintsy ho tsara laza amin’ny ôlona tsy kristianina koa izy, mbô tsy ho lavon’ny fanagnan-tsigny sy ny fandriky ny devoly.
Ny fanompoana
8 Ny diakona koa dia sahala amin’izany: Ôlona maotina, tsy mivadi-dela, tsy mamo lava, tsy tia harena azo avy amin’ny tsy marina, 9 mitàna tsara ny fahamarinan’ny finoana amin’ny fisaignana madio. 10 Zahavo toetra aloha zareo, ka raha hita fa tsy manan-tsigny, dia izay vao avela hagnano ny asan’ny diakona.
11 Sahala amin’izany koa ny vehivavy: Ôlona maotina, tsy mpanendrikendrika, mahafehy tegna, azo atokisana amin’ny raha dahôlo. 12 Ny diakona dia tsy mampirafy ary mahafehy tsara ny zanagny sy ny ôlona iray tragno aminanjy. 13 Fa izay efa mahavatra tsara ny asan’ny diakona dia hajain’ny ôlona ary tsy hatahotra fa ho sahy hagnambara ny finoany an’i Kristy Jesoa.
Ny raha misitrika mikasika ny fahatahôrana an’Andriamagnitra
14 Soratako aminao izany raha izany, na dia magnantegna ho aigny aminao tsy ho ela aza izaho, 15 kanefa raha taratara izaho, dia efa hainao ny fitondrantegna tokony hatao akao an-dragnon’Andriamagnitra, izay fiangonan’Andriamagnitra velona, sady andriambo no fototry ny fahamarinana. 16 Iaraha-magneky fa geda ny fahalalana ny raha misitrika mikasika ny finoantsika:
Nanjary ôlona Kristy Jesoa,
namarignin’ny Fagnahy,
hitan’ny anjely,
notoriana taigny amin’ny Jentilisa,
ninoan’ny ôlona eran’izao tontolo izao,
nampiakarina ho aigny amin’ny voninahitra.