Ny amin’ny fivavahana ho an’ny ôlona dahôlo sy ny fitondrategna sy ny fiankanjoana mendrika ny vehivavy kristianina
2
Voalohany indrindra malôhany dia mampirisika anareo izaho mbô hangataka, hivavaka, hifona, ary hisaotra an’ny ôlona dahôlo. 2 Mivavaha ho an’ny mpanjaka sy ny manam-pahefana dahôlo mbô hiaignantsika amin’ny fiadanana sy filaminana, amin’ny fitondrantegna mendrika sy ny fahatahorana an’Andriamagnitra. 3 Izany edy no tsara sady ankasitrahana akeo amason’Andriamagnitra Mpamonjy antsika, 4 Ilay te hamonjy ny ôlona dahôlo sy tia ny hahafantaranjareo ny marina.5 Fa iraika Andriamagnitra
ary iraika koa ny Mpagnelagnelagna an’Andriamagnitra amin’ny ôlona
dia Kristy Jesoa, izay ôlona izany,
6 nanolotra ny aignany Izy
mbô hagnavotana ny ôlona dahôlo.
Izany no porofo nameny tamin’ny fotoana efa voatondro
fa te hamonjy ny ôlona dahôlo Andriamagnitra.
7 Izany no antony nanendrena anahy ho mpitory sy Apostoly (milaza ny marina izaho fa tsy mandainga), ho mpampianatra ny jentilisa amin’ny finoana sy ny fahamarinana.
8 Araka izany dia tiako ny lehilahy mba hivavaka sady hanangan-tagnana amin’ny fo madio na aiza na aiza tany misy ananjy, tsy amin’ny fahasosena na amin’ny fifamaliana.
9 Ary sahala amin’izany koa ny vehivavy, tiako mba hagnano akanjo magnendrika, hiravaka amin’ny fahamaotinana sy fahatsorana, tsy amin’ny bango volo be filirony na firavaka volamena na vatosoa na akanjo lafo vidy, 10 fa amin’ny asa tsara araka izay mendrika ny vehivavy magnaiky ny fivavahana amin’Andriamagnitra.
11 Tokony hangigna sy hagnaiky tanteraka ny vehivavy rehefa ampianarina. 12 Fa ny vehivavy dia tsy avelako hampianatra na hanagna fahefana amin’ny lehilahy, fa tokony hangigna foagnany izy 13 satria i Adama no noforonina voalohany, izay vao Eva. 14 Ary tsy Adama no voafitaka, fa ny vehivavy no voafitaka ka nanjary mpanota. 15 Nefa hovonjena ihany izy rehefa akeo am-piterahana raha mahatôzo amin’ny finoana sy ny fitiavana ary ny fahamasinana sy ny fahatsorana.