Fanitsiana ny fahadisoan-kevitry ny sanagny ny amin’ny andron’ny Tômpo
2
Ny amin’ny fiaven’i Jesoa Kristy Tômpontsika sy hamoriany atsika ho aigny aminanjy, dia mbô mangataka aminareo izahay raolona, 2 mbô tsy halady voahodin-dôha anareo na hatahotra. Aza mino na ny fagnahy, na ny epistily na ny tarea izay ohatran’ny avy aminay ka milaza fa efa tonga ny andron’ny Tômpo. 3 Aza magneky hadalain’ny ôlona mihitsy anareo. Tsy ho avy izany andron’ny Tômpo izany raha tsy efa tonga alôha ny fikomiana amin’Andriamagnitra, ka ilay Tsy Manjary, ilay Tapera, 4 ilay manohitra ka magnano ny tegnany ho agnambo noho izay dahôlo taravina hoe andriamangitra, na izay ijoroana, dia mahavita mentotra akeo amin’ny tempolin’Andriamagnitra sady magnano ny tegnany ho andriamangitra.
5 Tsy tsarovanareo ma fa tamin’izaho taigny aminareo igny dia efa notaraviko taminareo izany raha dahôlo izany? 6 Ary amin’izao ity, fantatrareo tsara izay manakana ananjy, fa tsy hiboagna izy raha tsy amin’ny fotoan’androny. 7 Fa miasa sahady ny hasin’ilay Tsy Manjary dia ny tsy fagnarahan-dalàna, mandra-pangalana an’ilay misakana amin’izao. 8 Ary haboagna ilay tsy mpanara-dalàna, ka hataon’i Jesoa Tômpo levona amin’ny fofon’aigna avy amin’ny vavany ary tsy hasiany miangana izy amin’ny fiaveny be voninahitra. 9 Ho tonga ilay Tsy Manjary iny hagnano ny asan’i Satana amin’ny hery sy ny famantarana sy ny fahagagana mamitaka. 10 Ary hampiasa raha tsy manjary dahôlo izy mbô hamitahana anjareo izay ho very satria zareo tsy nagneky ny fitiavana ny fahamarinana izay mahavonjy ananjy. 11 Ka izany ny handefasan’Andriamagnitra fahadisoan-kevitra be aminjareo hankatorôfany lainga, 12 mba hosaziana dahôlo izay ôlona dahôlo tsy nankatôritra ny marina fa nankateligna ny raha tsy manjary.
Fananarana sy fanaovam-beloma
13 Fa tsy maintsy misaotra an’Andriamagnitra fôgnany izahay raolona noho ny aminareo tian’ny Tômpo satria Andriamagnitra efa nisafidy anareo hatramin’ny voalohany hahazo famonjena, amin’ny fagnamasinan’ny Fagnahy sy ny finoana ny marina. 14 Ho amin’izany no nagnantsovany anareo tamin’ny Tarea Maharavo notorianay taminareo mbô hahazoanareo ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tômpontsika. 15 Mifotora tsara ary raolona dia aza arena ny fampianarana namenay anareo, na tamin’ny teninay na tamin’ny epistilinay.
16 Enga anie Jesoa Kristy Tômpontsika sy Andriamagnitra Raintsikany, izay efa tia antsika ka nagnome antsika fampiononana mandrakizay sy fagnantenana tsara amin’ny fahasoavana, 17 hampionona ny fonareo sy hampahery anareo amin’ny fagnanaovana raha tsara na amin’ny asa na amin’ny tarea.