3
Noho izany dia tsy digninay intsony, dia nataonay fa mety ny hipetraka rerika aigny Atena, 2 ka dia nasainay nankaigny aminareo i Timoty, zandribenay sady miaraka aminay manompo an’Andriamagnitra amin’ny fitoriana ny Tarea Maharavon’i Kristy, mba hampahery sy hampifototra anareo amin’ny finoanareo, 3 mba tsy hisy ho taitra anareo amin’izao fahoriana izao. Fantatrareo fa voatendrin’Andriamagnitra hiainantsika izao. 4 Tamin’izahay mbôla taigny aminareo, dia efa nampilaza fa tsy maintsy hampijalena tsika, ohatr’ilay nahavoa iregny araka ny fantatrareo. 5 Izaho koa raha tsy nahadigny intsony noho izany, dia nagniraka an’i Timoty hahafantarako ny finoanareo, sao dia naka fagnahy anareo ny mpaka fagnahy ka hanjary tsy hisy dikany ny namonoanay tegna.
6 Rahefa tafaverigna avy taigny aminareo i Timoty dia nikoragna raha tsara taminay ny amin’ny finoanareo sy ny fitiavanareo. Dia nilaza koa izy fa mahatsiaro anay magnalin’andro anareo sady magniry mafy hahita anay, sahala aminay te hahita anareo koa. 7 Ka ny finoanareo raolona no nagnome hery anay tagnatin’ny fijalena sy ny fahorianay dahôlo. 8 Fa velona indray izahay izao satria mifototra tsara akao amin’ny Tômpo anareo. 9 Manao akôry eky ny fisaorana avalinay an’Andriamagnitra noho ny aminareo, sy tamin’ny fifaliana dahôlo namenareo anay takeo anatrehan’Andriamagnitray? 10 Mangataka Aminazy magnalin’andro sy mahakek’andro izahay mba hifagnatri-tava aminareo indray sy hameno ny tsy ampy amin’ny finoanareo.
11 Enga anie Andriamagnitra Raintsika sy Jesoa Tômpontsika hitari-dàlana anay hankaigny aminareo. 12 Enga anie ny Tômpo hampitombo sy hagnamafy ny fifankatiavanareo sy ny fitiavanareo ny ôlona dahôlo, hoatra ny itiavanay anareo. 13 Enga anie ny Tômpo hampifototra ny fonareo ka tsy hisy tsigny sady ho masina anareo akeo anatrehan’Andriamagnitra Raintsika amin’ny fihavian’i Jesoa Tômpontsika miaraka amin’ny ôlony masina dahôlo.