4
Ianareo mpampiasa, ataovy amin’ny gaognanareo izay marina sy manjary satria hainareo fa mbô managna Mpampiasa aigny an-dagnitra koa ianareo. Fitondrantegna akeo agnatrehan’ny hafa
2 Mahareta amin’ny fivavahana ary mivognona foagna amin’ny vavaka fisaorana. 3 Mivavaha koa ho anay mbô hosokafan’Andriamagnitra ny varavarana ho an’ny Tareany, hagnambaranay ny raha nisitrika an’i Kristy izay antony nampigadra anahy 4 mbô hazava tsara izay raha hotaraviko. 5 Mananà fitondrantena hendry amin’ny ôlona aigny ivelany ary araraoty ny fotoana anagnanareo. 6 Tokony ho feno fagnajana sy mahasarika ny raha taravinareo, mahaiza mamaly ny ôlona dahôlo araka ny tokony ho izy.
Fagnanaovam-beloma
7 Hotantarain’i Tikiko aminareo ny raha dahôlo momba anahy. Izy ilay rahalahy sady namana mahatoky amin’ny asa fanompoagna ny Tômpo. 8 Ny antony nagnirahako ananjy ho atỳ aminareo dia mbô hahafantaranareo momba ny vaovaonay sy mbô hampaherezany ny fonareo. 9 Nirahiko hiaraka aminanjy i Onesimosy, ilay rahalahy mahatoky sy tianay, izay avy atỳ aminareo foagna. Izy roa lahy no hitantara anareo ny raha dahôlo atỳ.
10 Veloma ianareo hozy Aristarko, gadra miaraka aminahy, sy Marka ilay havan’i Barnabasy. Raiso tsara i Marka raha tonga aigny aminareo satria efa naharegny ny raha hatao momba ananjy ianareo. 11 Veloma koa ianareo hozy Jesosy izay antsovina hoe Josto. Izy telo lahy no hany mpino Jiosy miara-miasa aminahy ho an’ny fanjakan’Andriamagnitra. Mampahery ho anahy ny fanagnana anjareo. 12 Veloma koa ianareo hozy Epafra, izay avy taminjareo sady gaognan’i Kristy Jesoa. Mivavaka ho anareo foagna izy ary mangataka mafy mbô hiorina tsara ianareo, mbô ho vonona tanteraka amin’ny fagnanaovana ny sitrapon’Andriamagnitra. 13 Vavolombelona izaho fa miasa mafy izy ho anareo sy ho an’ny aigny Laodikia ary ho an’ny aigny Hierapolia. 14 Veloma koa ianareo hozy dokotera Lioka, rahalahintsika sy Demasy.
15 Veloma aigny amin’ny rahalahy aigny Laodikia sy aigny amin’i Nymfa ary ny fiangonana akao an-dragnony. 16 Rehefa voavakinareo ity taratasy ity dia mbô ampamakio ny fiangonan’ny Laodikianina koa ary vakionareo ilay avy amin’ny Laodikia. 17 Taravo i Arkipo hoe: Tandremo ny asa niandraiketanao akao amin’ny Tômpo ary ataovy tsara.
18 Izaho Paoly no manoratra ity veloma ity. Aza hadinoina fa migadra izaho. Enga anie ho aminareo ny fahasoavana.