3
Satria niara-natsangana tamin’i Kristy ianareo dia karaho ny raha aigny agnambo, aigny amin’izay ipetrahan’i Kristy izay mentòtra akeo ankavagnan’Andriamagnitra. 2 Diniho ny raha aigny agnambo fa tsy ny raha etỳ an-tany 3 satria efa maty ianareo ary miara-misitrika amin’i Kristy akao amin’Andriamagnitra ny fiaignanareo. 4 Raha hiboagna Kristy fiaignanareo dia hiara-hiboagna Aminanjy amin’ny vogninahitra koa ianareo. Ny fiainana talôha sy ny fiainam-baovao
5 Vonoy akao agnatinareo ny filàn’ny nofonareo toy ny fijangajangana, fahavetavetana, tsy fifehezan-tegna, fagnirian-dratsy ary fangorognan-karena fa fanompoan-tsampy io. 6 Mampahasosy an’Andriamagnitra amin’ny ôlona tsy mankatô Ananjy ny raha dahôlo ohatr’izany. 7 Nagnano an’izany koa ianareo talôha, taminareo niaigna takao agnatin’ny ota. 8 Fa amin’izao, ialao dahôlo koa ireto raha ireto: Fahasosena, fahasosena dila hoaka, lolompo, fagnasahina, ary ny tarea ratsy. 9 Aza mifandainga ianareo satria efa nialanareo ny toetranareo talôha sy ny asa ratsiny 10 ary efa nitafianareo ny toetra vaovao izay havaozina ho amin’ny fahalalana tsara araka ny endrik’Izay nagnamboatra anareo. 11 Noho izany dia tsisy intsony ny Jentilisa sy Jiosy, na natao hasoavana sy ny tsy natao hasoavana na Baribarianina sy Skitiana, na andevo sy ôlon’afaka, fa i Kristy no raha dahôlo sady akao amin’ny ôlona dahôlo.
12 Noho izany, misarogna famindrampo, fiantrana, fahamorampagnahy, fanetrentegna sy fahalemempagnahy ary fandeferana mbô ho mendrika araka ny maha olomboafidin’Andramagnitra anareo izay sady masina no tiany. 13 Mifandefera ka mifamelà heloka raha misy managna alahelo amin’ny sanagny ianareo; mamelà heloka sahala amin’ny namelan’ny Tômpo ny helokareo. 14 Ary ataovy ho agnambon’izany raha dahôlo izany ny fitiavana izay fehin’ny fahatanterahana. 15 Ataovy manjaka akao agnatin’ny fonareo ny fiadanan’i Kristy fa amin’izany no nagnantsovan’Andriamagnitra anareo ho aigna iraika. Meteza hankasitraka. 16 Fenoy akao agnatinareo ny tarean’i Kristy. Mifampianara ka mifananara amin’ny fahendrena dahôlo avy amin’ny salamo sy ny hira fiderana ary ny tononkiran’ny Fagnahy; mihirà amin’ny fonareo dahôlo ho an’Andriamagnitra sy amin’ny fankasitrahana. 17 Ataovy amin’ny agnaran’i Jesoa Tômpo izay raha dahôlo ataonareo na ino na ino, na amin’ny tarea na amin’ny asa; ary misaora an’Andriamagnitra Ray amin’ny alalany.
Fifampitondran’ny fianakaviana
18 Ianareo vehivavy, magneke ny vadinareo ohatra an’izay tokony hataonareo akao amin’ny Tômpo. 19 Ianareo lehilahy, tiavo ny vadinareo ary aza sosy aminanjy. 20 Ianareo zanaka, magneke ny ray sy reninareo amin’ny raha dahôlo, fa ankasitrahan’ny Tômpo izany. 21 Ianareo ray, aza mafahasosy ny zanakareo, sao dia ho kivy zareo.
Fifampitondran’ny gaogna sy ny mpampiasa
22 Ianareo gaogna, magneke ny mpampiasa anareo amin’ny raha dahôlo, tsy akeo amasony foagna sahala amin’ny ôlona mila dera, fa amin-kitsim-po sy amin’ny fahatahorana ny Tômpo. 23 Ataovy amin’ny fo sahala ny ho an’ny Tômpo fa tsy ho an’ny ôlona izay raha dahôlo ataonareo na ino na ino, 24 satria hainareo fa ny Tômpo no handraisanareo ny lova ho karama, fa gaognan’i Kristy Tômpo ianareo. 25 Izay managno raha tsy marina mbôka dia mandray ny valin’ny tsy fahamarinana nataony, fa tsisy avakavaka.