2
Tegna tiako ho hainareo fa miady mafy ho anareo sy ho an’ny avy aigny Laodikia ary ho anjareo izay mbôla tsy nahita anahy. 2 Nataoko izany mbô hampahery ny fonjareo sy ny hiarahanjareo akao agnatin’ny fitiavana ka ho feno fahiratan-tsaina zareo ary hahay ny raha misitrika an’Andriamagnitra, dia i Kristy, 3 satria misitrika akao Aminanjy dahôlo ny haren’ny fahendrena sy ny fahalalana dahôlo. 4 Magnambara an’izany izaho mbô tsy hisy ôlona hamitaka anareo amin’ny tarea ohatry ny marina. 5 Fa na dia tsy mifagnatri-tava aminareo aza izaho dia mifagnatrika aminareo am-pagnahy ka faly izaho mahita ny filaminanareo sy ny fioregnan’ny finoanareo akao amin’i Kristy.
Managna ny raha dahôlo akao amin’i Kristy ianareo
6 Noho izany, sahala amin’ny nandraisanareo an’i Kristy Jesoa ho Tômpo dia mitondra tegna araka izany: 7 Mamaka sy mifototra akao Aminanjy ary miorina amin’ny finoana izay nampianarina anareo; ary mazotoa mankasitraka.
8 Tandremo mbô tsy ho babon’ny filôzôfia sy ny tarea mamitaka izay mifagnaraka amin’ny fomba fataon’ny razana sy amin’ny foto-pampianaran’izao tontolo izao ianareo fa tsy mifagnaraka amin’i Kristy, 9 satria Aminanjy akao no misy ny fahafenoan’Andriamagnitra dahôlo. 10 Managna ny fahafenoana dahôlo ianareo akao Aminanjy, Ilay Lôhan’ny fanapahana sy fahefana dahôlo. 11 Natao hasoavana takao Aminanjy koa ianareo tsy nataon-tagnan’ôlona izany fa nataon’i Kristy mbô hangalana ny aignan’ny nofo akao aminareo. 12 Niara-nalevigna Taminanjy tamin’ny batisa ianareo ary niara-natsangana Taminanjy noho ny finoana ny herin’Andriamagnitra izay nanangana Ananjy tamin’ny maty. 13 Matin’ny fahotanareo sy tsy fanaovana hasoavana ny toetranareo talôha ianareo kanefa novelominy niaraka tamin’i Kristy. Navelany dahôlo ny fahotantsika, 14 nofoagnany ny didy niampanga antsika, nalany izany ary nofantsihany tamin’ny kakazo fijaliana, 15 noreseny ny fanapahana sy ny fahefana ka naboagnany am-pahabemaso ny fandreseny takeo amin’ny kakazo fijaliana.
16 Noho izany, aza avela hisy hitsara anareo na amin’ny raha hohanina, na amin’ny raha sotroina, na amin’ny fety isan-karazany, na amin’ny fetin’ny tsinam-bolana na amin’ny Sabata; 17 talinjon’ny raha ho avy iregny fa ny tegna izy dia i Kristy. 18 Aza magnaiky horebirebena amin’ny fanetrentegna tsy izy sy ny fivavahana amin’ny anjely fa miziriziry amin’izay hitany zareo sady miavognavogna noho ny fisaignany baikon’ny nofo. 19 Tsy mifikitra amin’i Kristy izay lôha zareo kanefa Izy no mampitombo ny vatagna dahôlo, mamelogna sy mampitambatra ny vanin-taolagna sy ny hozatra, araka ny fitomboana tian’Andriamagnitra.
Miaraka maty sy miaraka velona amin’i Kristy
20 Niara-maty tamin’i Kristy ianareo ary nafahana tamin’ny foto-pampianaran’izao tontolo izao ka magnino ma no miaigna ôhatra ny an’izao tontolo izao foagna ka magnaiky izay andidiany sahalany hoe: 21 Aza mandray! Aza mihinana! Aza mikitika! 22 Izany raha dahôlo izany dia levona amin’ny fampiasana ananjy satria didy sy fampianaran’ôlombelona no ifotorany. 23 Izany raha dahôlo izany dia lazaina ho fahendrena satria raha jerevana avy atỳ ivelany dia mitaky fanokanan-tegna amin’ny fivavahana sy fanetren-tegna ary fampijaliam-batagna, kanefa tsisy dikany ary tsy magnome afa tsy ny fagnarahanam-po ny nofo.