Mifampitondrà izay mavesatra
6
Ô raôlona, raha sendra misy ôlona nanota, dia izay managna ny Fagnahy Masina no magnarina ananjy amin’ny fahalemem-pagnahy, ka hevero ny tegnanao fa sao dia voan’ny fakam-pagnahy koa. 2 Mifampitondrà izay mavesatra ianareo, dia ho tanterakareo ny lalànan’i Kristy. 3 Fa raha misy ôlona miendaenda nefa tsisy apoaka avy dia mamita-tegna izy. 4 Alay ny ôlona dahôlo samby handinika ny asany; raha mbô hisekoseko izy dia amin’ny aignany fa tsy amin’ny ôlon-kafa 5 satria ny ôlona dahôlo samby hilanja ny entany. 6 Izay nampianarina ny tarean’Andriamagnitra, mahafoiza raha tsara ho an’izay nampianatra anareo.
7 Aza magnaiky hadalaina ianareo. Andriamagnitra tsy manjary vazivaziana, fa izay raha dahôlo afafin’ôlona no ampiakariny. 8 Izay mamafy ho an’ny nofony dia hahazo fahapotehana avy amin’ny nofo fa izay mamafy ho an’ny Fagnahy dia hahazo fiaignana mandrakizay avy amin’ny Fagnahy. 9 Aza disaka amin’ny fagnanaovana raha tsara atsika fa amin’ny fotoanany raha tsy kivy atsika dia hahazo izay nafafintsika. 10 Ka raha mbôla misy fotoana, dia andao hagnano raha tsara amin’ny ôlona dahôlo, indrindra amin’ny mpianakavin’ny finoana.
Fananarana farany sy rasa vôlagna
11 Zahavo ny hagedazan’ny soratro. Ny tagnako mihitsy no nanoratra an’io ho anareo. 12 Izay manery anareo atao hasoavana dia ôlona te hiseho ho tsara amin’ny hafa sao dia henjehina noho ny kakazo fijalian’i Kristy izy. 13 Tsy magnaraka ny lalàna avy na dia ireo atao hasoavana ireo; fa tiany atao hasoavana ianareo mbô hisekosekoanjareo amin’ny nofonareo.
14 Sagnatria aminahy raha mbô misy raha hampisekoseko anahy afa-tsy ny kakazo fijalian’i Jesoa Kristy Tômpontsika. Noho ny kakazo fijaliana no nahavoafantsika an’izao raha dahôlo izao raha ny aminahy, ary namantsihana anahy raha ny amin’izao raha dahôlo izao. 15 Samby tsisy varany na ny vita hasoavana na ny tsia, fa ny tegna izy dia ny manjary olom-baovao. 16 Enga anie ho an’izay ôlona dahôlo magnaraka an’ity fitsipika ity sy ho amin’ny Israelin’Andriamagnitra ny fiadanana sy ny famindrampo.