Niala tamin’ny fahasoavana
5
Nafahan’i Kristy atsika mbô ho afaka; ka mipetraha tsara fa aza magnaiky fangohan’ny ziogan’ny fagnandevozana aiky. 2 Izaho Paoly mihitsy no mitarea aminareo fa raha magnaiky hatao hasoavana ianareo dia tsy hisy varany aminareo intsony Kristy. 3 Averiko taravina amin’ny ôlona dahôlo magnaiky hatao hasoavana fa tsy maintsy arahinjareo ny Lalàna dahôlo. 4 Na iza na iza ianareo no te hohamarinina amin’ny Lalàna dia tafasaraka amin’i Kristy. Efa niala tamin’ny fahasoavana ianareo. 5 Fa izahay indray, noho ny asan’ny Fagnahy Masina, dia mandigny amin’ny finoana ny fagnantegnana ny fagnamarinana anay. 6 Satria akao amin’i Kristy Jesoa dia samby tsisy varany na hatao hasoavana na tsy hatao hasoavana fa ny finoana izay miasa amin’ny fitiavana no misy varany.
7 Mihazakazaka tsara ianareo. Ka iza ma ny nanakana anareo tsy hagnaiky ny marina? 8 Tsy avy amin’ilay nagnantso anareo avy izany fanakanana izany. 9 Mampitombo ny koba dahôlo ny leviora kely. 10 Matoky anareo amin’ny Tômpo akao izaho fa tsy hieritreritra raha hafa ankoatra izay eritreretiko ianareo. Ilay mampikorontagna anareo no ho voaheloka, na iza izy na iza. 11 Raha mbôla fanagnaovana hasoavana foagna no toriako aminareo raôlona, ino indray ma no mbôla hagnenjehana anahy? Raha izany dia tsy mahavoantsintohina intsony ny kakazo fijaliana. 12 Toara ho azon-draha amin’ny aignany mihitsy izay mampikorontagna anareo.
Tsy miaigna araka ny nofo fa araka ny Fagnahy
13 Efa nantsovina ho amin’ny fahafahana ianareo raôlona kanefa aza ampiasaina amin’ny filàn’ny nofo izany fa mifagnampia amin’ny fitiavana 14 satria tanteraka amin’ny teny iraika foagna ny Lalàna dahôlo dia izao: “Tiavo sahala amin’ny itiavanao ny aignanao ny namanao” (Lev 19. 18). 15 Fa raha mifandramatra sy mifagnaikitra ianareo dia tandremo sao dia mifamono.
16 Fa hozy izaho aminareo: Mandehana araka ny Fagnahy dia tsy hahatanteraka ny filàn’ny nofo ianareo. 17 Managna filàna manohitra ny Fagnahy mbôka ny nofo, ary manohitra ny nofo ny Fagnahy. Mifanohitra zareo nihin-droa ireo ka tsy hahazoanareo magnano izay raha tianareo hatao. 18 Fa raha ny Fagnahy no mitarika anareo dia tsy mbô ambanin’ny Lalàna ianareo. 19 Fa mibaribary ny asan’ny nofo dia izao: fahalangana, fahalotoana, fijejojejoana, 20 fanompoan-tsampy, fikajiana ody ratsy, fandrafesana, fifampindohifana, adilahy, fialonana, lolompo, fisaratsarahana, fitsitokotokoana 21 fitsiriritana, fahamamoana, hatendan-kanina dilaoaka sy ny raha hafa sahala amin’ireo. Mampitandrina anareo indray izaho, sahala amin’ny nampitandremako anareo talôha, fa izay magnano an’ireo dia tsy handova ny fanjakan’Andriamagnitra. 22 Ny vokatry ny Fagnahy indray dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahadignesana, fahatsorana, fanaovan-tsoa, fahatokisana, 23 fahalemem-pagnahy, fifehezan-tegna. Tsisy lalàna manohitra izany. 24 Fa efa namantsika ny aignany sy ny fagniriany ary ny filàny tamin’ny kakazo fijaliana takeo izay an’i Kristy Jesoa.