Tsy andevo intsony ianao fa zanaka
4
Izao no raha tiako taravina: Raha mbôla zaza ny mpandova dia tsisy mampiavaka ananjy amin’ny andevo, na dia ananjy aza ny raha dahôlo, 2 fa fehezin’ny mpikarakara sy mpitandrina ny fanagnana izy mandrapihavin’ny fotoagna notendren’ny rainy. 3 Dia ôhatra izany koa atsika tamin’ny mbôla kely, nandevozin’ny fomban’izao tontolo izao. 4 Fa rehefa tonga ny fotoana voatendry dia nirahin’Andriamagnitra ny Zanagny, nateraky ny vehivavy ary nateraka tambanin’ny lalàna, 5 hagnavotany izay ambanin’ny lalàna, mbô hananganan’Andriamagnitra antsika ho zanagny. 6 Ary satria zanaka ianareo dia nirahin’Andriamagnitra ho am-pontsika akao ny Fagnahin’ny Zanagny magnantso hoe: Ô Aba! Ô Daday! 7 Tsy andevo intsony izany ianao fa zanaka; ary raha zanaka dia mpandova noho ny nataon’Andriamagnitra.
Ny ahiahin’i Paoly mikasika ny finoan’ny Galatiana
8 Talôha, tamin’ny mbôla tsy nahay an’Andriamagnitra ianareo dia nanompo andriamagnitra tsy izy. 9 Fa amin’izao fotoana izao indray dia mahay an’Andriamagnitra ianareo, kanefa tsy izany, fa Izy no mahay anareo. Ka magnino ma izany ianareo no miverigna indray amin’ny fanompoana ny fomban’izao tontolo izao izay sady malemy no tsisy varany? Mbôla te ho andevozin’izany indray ma ianareo? 10 Andro, volana sy fotoana ary taona no tandremanareo mafy. 11 Mampatahotra anahy mihitsy ianareo ireto fa sao dia maty foagna izaho.
12 Ô raôlona! Miangavy anareo izaho: Magnahafa anahy fa izaho koa efa nagnano izay itovizako aminareo. Tsy hoe nagnano raha ratsy taminahy avy ianareo; 13 fantatrareo fa noho ny aretina no nitoriako ny Tarea Maharavo voalôhany taminareo igny. 14 Tsy tan-dôhanareo avy ny hagnafoka na handà anahy na dia nampanahirana anareo aza ny aretiko fa sahala amin’ny anjelin’Andriamagnitra no nandraisanareo anahy ary sahala amin’i Kristy Jesoa mihitsy. 15 Nankaiza ny fahasambaranareo? Vavolombelona izaho fa raha nanjary natao, na dia ny masonareo aza dia nongotanareo ka namenareo anahy. 16 Nanjary fahavalonareo izany izaho satria mivôlagna ny marina aminareo? 17 Tsy tsara ny fahazotoan’ireo ôlona ireo taminareo satria ny hampisaraka antsika no kendreny ary ny hampazoto anareo hiraika aminjareo. 18 Tsara foagna ny mazoto amin’ny raha tsara isan’andro isan’andro fa tsy hoe rehefa amin’izaho akeo ihany. 19 Ô ry anaka! Ôhatran’iregny mihetsi-kibo iregny mihitsy izaho takatrareo, mandra-panagnanareo ny endrik’i Kristy agnatinareo akao. 20 Te ho aigny aminareo mafy mihitsy izaho io mbô hahitako fomba hafa hitenenako anareo fa mampiasa lôha anahy ianareo.
Hagara sy Saraha: sarin’ny fagnekena roa
21 Mitenena aminahy ianareo izay te ho ambanin’ny lalàna: Tsy azonareo onogna ma ny lalàna? 22 Voasoratra mbôka fa nanan-janaka roa lahy i Abrahama, ny iraika tamin’ny andevovavy, ny iraika tamin’ny vehivavy afaka. 23 Nateraka araka ny nofo ilay avy tamin’ny andevovavy, fa ilay iraika avy tamin’ny vehivavy afaka kosa dia nateraka tamin’ny teny fampagnantenana. 24 Ôhatra mbôka ireo raha roa ireo. Sarin’ny fagnekena roa zareo roa vavy ireo: Ny iraika avy tamin’ny tampon-tanetin’ny Sinay ka miteraka andevo; i Hagara izany. 25 Ny dikan’ny Hagara mbôka dia tampon-tanetin’ny Sinay izay aigny Arabia, sahala amin’i Jerosalema amin’izao satria samby andevo izy sy ny zanagny. 26 Fa Jerosalema agnambo aigny indray izay renintsika dia ôlona afaka. 27 Voasoratra mbôka fa:
“Mifalia ianao Ramomba,
izay tsy niteraka;
Mihorakoraha am-pifaliana,
ianao izay tsy mbôla nihetsi-jaza.
Fa betsaka ny zanaky ny manano-tena
ka mandolombolombo ny an’ny manambady” (Isa 54. 1).
28 Fa atsika kosa raôlona dia zanaky ny teny fampagnantenana sahala amin’Isaka. 29 Kanefa tamin’izany fotoana izany dia nagnenjika ilay teraka araka ny Fagnahy ilay teraka araka ny nofo. Ary mbôla mitovy amin’izany koa amin’izao. 30 Ino ma no lazain’ny Soratra Masina? “Roaso aigny io andevovavy io sy ny zanagny lahy fa tsy afaka hiray lova amin’ny zanaky ny andevo ny zanaky ny vehivavy afaka” (Gen 21. 10). 31 Noho izany raôlona, dia tsy zanaky ny andevovavy atsika fa zanaky ny vehivavy afaka.