Ny tsy fisiam-pagnahin’ny Galatiana
3
Tsisy fagnahy zalahy ianareo Galatiana e! Iza ma no nagnosavy anareo? Efa nokoragnina mazava taminareo ny namantsihana an’i Jesoa Kristy tamin’ny kakazo fijaliana. 2 Izao foagna ny raha tiako ho hay: Avy tamin’ny asan’ny lalàna ma no nandraisanareo ny Fagnahy sa avy tamin’ny nandrignesanareo ka ninoanareo ny Tarea Maharavo? 3 Magnino ma ianareo no tsisy fagnahy ôhatra izany? Nanomboka tamin’ny Fagnahy ianareo ka magnino indray ma no hiafara amin’ny nofo ankahitrio? 4 Tsisy varany ma ny niaretanareo izany raha betsaka be izany? Raha ôhatra tsisy varany tokoatrany izany! 5 Izay magname anareo ny Fagnahy ary magnano raha mahagaga matomboka aminareo, tamin’ny asan’ny lalàna ma no nagnanaovany izany sa avy tamin’ny nandrignesanareo ka ninoanareo ny Tarea Maharavo?Voatahy miaraka amin’i Abrahama izay mino
6 Abrahama izao “nino an’Andriamagnitra dia nisaina ho fahamarinany izany” (Gen 15. 6), 7 ary fantaro fa izay ôlona mino no zanak’i Abrahama. 8 Ary satria efa hitan’ny Soratra Masina mialôha fa avy amin’ny finoana no hagnamarinan’Andriamagnitra ny Jentilisa, dia nitory ny Tarea Maharavo tamin’i Abrahama koa Izy ka nivolagna hoe: “Avy aminao no hitahiana ny firenena dahôlo” (Gen 12. 3). 9 Ka izay mino no tahiana miaraka amin’i Abrahama, ilay ôlon’ny finoana.
10 Fa voaozogna izay ôlona dahôlo miankina amin’ny asan’ny lalàna satria efa voasoratra hoe: “Voaozogna izay ôlona tsy mahefa isan’andro isan’andro ny raha dahôlo voasoratra akao amin’ny bokin’ny lalàna” (Deo 27. 26). 11 Mazava fa tsisy ôlona hamarinina amin’ny lalàna agnatrehan’Andriamagnitra akeo fa “ny marina amin’ny finoana no ho velona” (Hab 2. 4). 12 Ny lalàna koa dia tsy avy amin’ny finoana; fa “Izay mahefa izany no ho velona aminanjy” (Lev 18. 5). 13 Nagnavotra antsika tamin’ny ozogn’ny lalàna i Kristy satria nanjary voaozogna Izy hamonjy antsika; voasoratra mbôka hoe: “Voaozogna izay ôlona dahôlo mihantogna amin’ny kakazo” (Deo 21. 23). 14 Izany no nahatonga ny fitahiana an’i Abrahama akao amin’i Kristy Jesoa ho an’ny Jentilisa sy handraisantsika amin’ny finoana ny teny fampagnantenana mikasika ny Fagnahy.
Ny lalàna sy ny teny fampagnantenana
15 Ô raôlona! Handray ôhatra amin’ny raha fataon’ôlona andavanandro izaho. Rehefa vita ara-dalàna ny didim-panagnan’ny ôlona iraika, dia sady tsy azo foagnana no tsy azo tovognana koa. 16 Tamin’i Abrahama sy ny tamingany no nagnambarana ny teny fampagnantenana. Tsy nambara hoe: “Ho an’ireo tamingany”, sahala amin’ny manondro ôlona betsaka, fa “Ho an’ny taminganao” (Gen 22. 18) izay manondro ôlona tokana, dia i Kristy. 17 Izao no raha tiako hambara: Mafy fototra ny didim-panagnana nataon’Andriamagnitra ka tsy voaravan’ny Lalàna izay vao noforonina telopolo sy efajato taona tatỳ afara ary tsy magnafoagna ny teny fampagnantenana koa. 18 Raha avy amin’ny lalàna ny lova, dia tsy avy amin’ny teny fampagnantenana intsony, kanefa teny fampagnantenana no nagnasoavan’Andriamagnitra an’i Abrahama.
Ny asan’ny lalàna
19 Hatao ino ma ny lalàna? Ny lalàna mbôka dia namena mbô hampibaribary ny fandikan-dalàna mandra-pihavian’ilay tamingana, izay nagnanaovana ny teny fampagnantenana; ary tamin’ny alalan’ny anjely no nanolorana izany lalàna izany tan-tagnan’ny mpagnelagnelagna. 20 Ny mpagnelagnelagna dia tsy natao ho an’ny ôlona iraika kanefa Andriamagnitra dia iraika. 21 Manohitra ny teny fampagnantenan’Andriamagnitra ma izany ny lalàna? Sagnatria! Raha nisy lalàna mahavelogna namena dia avy tamin’ny lalàna tokoatra ny fahamarinana, 22 kanefa ny Soratra Masina dia nagnambara fa voagadran’ny fahotana izao tontolo izao mbô hamena izay ôlona mino ny teny fampagnantenana amin’ny alalan’ny finoanjareo an’i Jesoa Kristy.
23 Talôhan’ny niavian’ny finoana dia voagadran’ny lalàna atsika, ka voahidy mandra-pihavian’ny finoana izay efa haseho atỳ afara. 24 Araka izany dia mpitaiza antsika mandra-pihavian’i Kristy ny lalàna mbô hamarinina amin’ny finoana atsika. 25 Ka rehefa tonga ny finoana dia tsy ambanin’ny fifehezan’ny mpitaiza intsony atsika. 26 Zanak’Andriamagnitra amin’ny finoana an’i Kristy Jesoa ianareo dahôlo. 27 Fa na iza na iza no natao batisa ho an’i Kristy dia nitafy an’i Kristy izy. 28 Tsy misy intsony ny hoe Jiosy sy Grika, andevo sy tsy andevo, lehilahy sy vehivavy satria iraika foagna ianareo dahôlo akao amin’i Kristy Jesoa. 29 Raha an’i Kristy ianareo dia tamingan’i Abrahama ary mpandova araka ny teny fampagnantenana.