Hafatrafatra sy fagnanaovam-beloma
13
Fagnintelony izao no handehanako aigny aminareo. Izao no voasoratra: “Amin’ny tenin’ny vavolombelona roay na telo no handaminana ny raha dahôlo” (Deo 19. 15). 2 Tamin’ny famangiako anareo fagnindroany, dia efa niteny izaho; amin’izao izaho tsy aigny aminareo izao dia taraviko tsialôhalôha amin’izay ôlona nanota talôha sy amin’ny ôlon-kafa ambiny fa tsy handefitra aminareo mihitsy izaho rehefa tonga. 3 Mikaraka marika hamantarana mbôka ianareo fa mitarea akato agnatiko i Kristy. Tsy malemy Izy rehefa mandamina raha aminareo fa mahery kosa agnivonareo. 4 Fa tsy nanan-kery Izy rehefa nofantsihana tamin’ny kakazo fijaliana nefa amin’izao, dia velona Izy noho ny herin’Andriamagnitra. Izahay koa dia malemy sahala Aminanjy nefa kosa hiara-belona Aminanjy ho anareo noho ny herin’Andriamagnitra.
5 Diniho ny toetranareo, na mandeha marina amin’ny finoana ianareo, na tsy mandeha; jerevo tsara ny fiaignanareo. Tsy fantatrareo ma fa agnatinareo akao Jesoa Kristy raha tsy hoe angaha ôlona tsy nekena ianareo satria tsy nagnaraka fitsipika? 6 Magnantegna izahay fa rehefa nandinika ianareo dia ho fantatrareo hoe ôlona nekena izahay. 7 Ny raha angatahinay amin’Andriamagnitra dia ny mbô tsy hagnanaovanareo tsy fanjariana; tsy hoe hagnamarin-tegna izahay; ny fagnirianay mbôka dia hagnano raha manjary ianareo na dia sahala amin’ny tsy zarizary àry ny raha nataonay. 8 Fa tsy manan-kery hanoherana ny fahamarinana izahay. Angaha ma misy azonay hatao afa-tsy ny hampandroso ny fahamarinana? 9 Faly izahay na dia malemy fa ianareo kosa matanjaka; ary mivavaka izahay mbô ho tanteraka ianareo. 10 Izany no antony hanoratako an’ity taratasy ity, na dia mbôla tsy aigny aminareo àry izaho; sandray rehefa tonga aigny aminareo aigny izaho dia voatery hiteny mafy anareo. Ny fagniriako mbôka dia ny hampiasa ny fahefana namen’ny Tômpo anahy hampahery anareo fa tsy hanjakazaka aminareo.
11 Hofamaragnako an’ity taratasy ity, raôlona, dia izao: Mifalia, magnanaova ezaka mbô ho matotra amin’ny finoana, mifampahereza, miraisa saigna, mahaiza mifagnaraka. Enga anie ho aminareo ny Andriamagnitry ny fitiavana sy ny fiadanana. 12 Sambia mifagnano veloma amin’ny oroka masina. Magnano veloma anareo ny ôlona masina dahôlo.
13 Enga anie ho aminareo dahôlo ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tômpo sy ny fitiavan’Andriamagnitra ary ny firaisana amin’ny Fagnahy Masina.