Fahitana sy fagnambaràna namena an’i Paoly
12
Tsy maintsy misekoseko ma izany izaho, na dia tsy mahasoa àry? Fa izaho dia hilaza ny fahitana sy ny fagnambarana ny raha misitrika avy amin’ny Tômpo. 2 Efatra amby folo taona izay, dia nisy ôlona iraika akao amin’i Kristy fantatro fa nakarina ho aigny amin’ny lagnitra fahatelo – asa ma izany izy na niaraka tamin’ny vatagny na tsisy vatagna – Andriamagnitra no mahafantatra! 3 Nisy ôlona iraika fantatro – asa ma izany izy na niaraka tamin’ny vatagny na tsisy vatagna – Andriamagnitra no mahafantatra! 4 Fa nakarina ho aigny amin’ny paradisa izy ka naharegny teny tsy hay fanognonana ary tsy manjary taravin’ny ôlombelona. 5 Io ôlona iraika io no hampisekoseko anahy, fa raha momba anahy dia ny fahalemeko irerika foagna no hisekosekoako.6 Fa na dia te-hisekoseko àry izaho dia tsy ho badrahodra, fa hilaza ny marina; kanefa izaho tsy hisekoseko sandray misy ôlona mihevitra anahy mandombolombon’izay raha ataoko hitany sy raha taraviko regniny. 7 Raha nisekoseko noho ny habetsaky ny fagnambarana ny raha misitrika izaho, dia nisy irak’i Satana nagnatsatoka tsilo tamin’ny vatantegnako ka nampangirifiry anahy, mbôry izay izaho tsy hisekoseko be. 8 Nitalaho tamin’ny Tômpo in-telo izaho mbô hagnalany an’izany raha izany aminahy. 9 Dia Hozy namaly anahy: Antognony ho anao ny fahasoavako; ny heriko mbôka dia mahatontosa amin’ny antsakany sy ny an-davany ny asany amin’ny fahalemena.
Alaiko avy misekoseko amin’ny fahalemeko, mbô hiasa amin’ny alalako ny herin’i Kristy. 10 Faly foagna izaho na dia malemy na misy ôlona magnivativa na misy raha manery na misy ôlona magnenjika na misy raha mampatahotra izay iaretako noho ny amin’i Kristy. Rehefa malemy izaho dia izany no tanjako.
Ny ahiahin’i Paoly ny amin’ny Korintiana
11 Efa nanjary badrahodra izaho! Ianareo no nanery anahy hagnano an’izany. Ianareo no tokony hanolotra anahy satria izaho dia tsy latsa-danja raha mitaha amin’ireo Apostoly milaza tegna ho ambony ireo na dia tsy dia manakôry àry izaho. 12 Rehefa niasa taminareo takeo izaho dia naseho anareo ny marika hamantarana ny maha Apostoly anahy: Ny fahatozoana be, ny marika hamantarana sy ny raha mahagaga ary ny asa mampiseho ny herin’Andriamagnitra. 13 Ino ma izany no mahalatsa-danja anareo raha mitaha amin’ny fiangonana hafa, afa-tsy ilay izaho tsy nagneky ho enta-mavesatra ho anareo? Mbô mamelà anahy koa ma ianareo amin’izany tsy fahamarinana izany!
14 Efa in-telo izao izaho no vognona hamangy anareo, kanefa tsy ho enta-mavesatra, fa tsy ny raha anagnanareo no karahiko fa ianareo. Tsy ny zanaka mbôka no tokony hanôhagna ny ray aman-dreny, fa ny ray aman-dreny no tokony hanôhagna ny zanaka. 15 Raha izaho manokana, na dia lany àry ny fanagnako sy ny heriko ka mahasoa anareo izany dia faly izaho. Raha mitombo ma izany ny fitiavako anareo, dia hihegna ny fitiavanareo anahy?
16 Kanefa, na dia izany àry, dia tsy enta-mavesatra ho anareo izaho. Misy milaza mbôka fa fetsifetsy izaho ka am-pitaka no nahazoako tombontsoa taminareo. 17 Ny ôlona izay nalefako taminareo ma nampiasaiko mbô hahazoako tombontsoa? 18 Niangavy an’i Titosy izaho, sady nirahiko niaraka taminanjy ny rahalahy iraika izay efa hainareo. Nagnararaotra anareo ma Titosy? Izahay sy Titosy dia mitovy fisaignana ka ny dia ombako no ombany.
19 Letry ny ela ianareo no nihevitra fa magnamarin-tegna agnatrehanareo izahay. Kanefa miteny agnatrehan’Andriamagnitra akao amin’i Kristy izahay, ry havako tiako, mbô handroso ny finoanareo. 20 Ny atahôrako, sandray rehefa tonga izaho, dia tsy ho arakarak’izay tiako no hahitako anareo, dia sahala amin’izany koa tsy arakarak’izay tianareo no hahitanareo anahy. Matahotra izaho sandray hisy ôlona hifamaly, hifampialogna, ho tia tegna, hifandrafy, hifagnivativa, hifagnaratsy, hifampifosa, hiendaenda, ary hitondra fisavoritahana. 21 Matahotra koa izaho sandray rehefa tonga aigny aminareo dia hampietry anahy akeo agnatrehanareo ny Andriamagnitro. Ary hampalahelo anahy ny hahita ny ankabeazan’ny ôlona izay mbôla tsy niala tamin’ny ota sahala amin’ny fahalotoana, ny halangana ary ny fagnaranam-po amin’ny tsy fanjariana.