Paoly apostoly, ilay apostoly tegna izy
11
Magnantegna izaho mbô handeferanareo ny hadaladalana keliko. Mbô mandefera aminahy koa ma ianareo! 2 Hasarotam-piaro avy amin’Andriamagnitra no mahasaropiaro anahy aminareo. Tovovavy virijiny mbôka ianareo ka atolotra ho vadina lehilahy iraika dia i Kristy. 3 Sahala amin’i Eva voafitaky ny bibilava tamin’ny hafetsena dia matahotra izaho sandray hiharatsy ny fisaignanareo, ka hibirioka hiala amin’ny fahatsorana sy ny fahadiovana amin’i Kristy ianareo. 4 Haiko ma ianareo mandefitra foagna raha misy ôlona tonga mitory Jesoa hafa ankoatra izay nitorianay, magnaiky fagnahy hafa na Tarea Maharavo tsy mitovy amin’izay efa noraisinareo!
5 Tsy mihevitra izaho hoe latsa-danja raha mitaha amin’ireo Apostoly milaza tegna fa ambony ireo. 6 Raha fandraisam-pitenenana dia tsy dia mahay izaho; fa raha fahalalana kosa indray dia managna izaho; efa noporofoiko taminareo izany tamin’ny ôlona dahôlo sy tamin’ny fotoana dahôlo.
7 Mahadiso anahy ma izany ny nagnambaniako tegna mbô hisandratanareo tamin’ny nitoriako maimaim-poagna ny Tarea Maharavon’Andriamagnitra taminareo? 8 Sahala amin’ny ôlona nangalatra tamin’ny Fiangonana hafa izaho raha nandray karama taminjareo mbô hagnampiako anareo. 9 Tamin’izaho niasa taminareo dia tsisy raha nanagnana nefa tsy nanahirana ôlona. Rehefa tonga ny rahalahy avy a-Makedonia, dia namenjareo anahy izay raha nilaiko. Tsy nagnavesatra anareo izaho ary hitandrina tsara izaho mbô tsy ho enta-mavesatra ho anareo. 10 Raha mbôla agnatiko foagna ny fahamarinan’i Kristy, dia tsisy afaka hanakana anahy tsy hisekoseko an’izany magnerana ny faritra Akaia. 11 Magnino ma izaho no miteny an’izany? Tsy tiako ma izany ianareo? Andriamagnitra no mahafantatra!
12 Fa izay raha ataoko dia mbôla ho tohizako foagna, mbô tsy hahafahan’ny ôlona hihevitra fa ny asany dia sahala amin’ny asanay. 13 Apostoly sandoka zareo iregny, mpiasa mpamitaka izay magnova ny endrigny hitovy amin’ny Apostolin’i Kristy. 14 Tsy mahagaga izany, fa Satana àry nahavita nagnova ny endrigny hitovy amin’ny anjelin’ny mazava. 15 Araka izany, tsy mahagaga raha ny gaognany no magnova ny endrigny hitovy amin’ny gaognan’ny fahamarinana. Kanefa araka ny asanjareo foagna no hiafaranjareo.
Ireo fijaliana niaretan’ny Apostoly
16 Averiko indray mandeha: Aza eritretretina sahala amin’ny ôlona badrahodra izaho! Kanefa raha misy mihevitra anahy ho sahala amin’ny ôlona badrahodra dia alay izaho mbô hisekoseko kely koa. 17 Izaho misekoseko aketo ity dia tsy araka ny Tômpo fa mitarea sahala amin’ny ôlona badrahodra izaho. 18 Betsaka mbôka ny ôlona misekoseko amin’ny maha nofo sy ra ananjy dia mbô hisekoseko koa izaho. 19 Hendry mbôka ianareo ka tianareo ny handefitra amin’ny ôlona badrahodra! 20 Fa hay ma na dia misy magnandevo anareo, magnararaotra anareo, magnano barofo ny fanagnanareo, manjakazaka aminareo, mamely tefatsofigna anareo dia miaritra foagna ianareo. 21 Megnatra izaho raha milaza hoe tegna malemy izahay raha magnano an’izany!
Kanefa, raha misy ôlona mahasahy dia mahasahy koa izaho; lazaina fa mitarea sahala amin’ny ôlona badrahodra izaho. 22 Hebreo ma izy? Izaho koa. Israelita ma izy? Izaho koa. Taranak’i Abrahama ma izy? Izaho koa. 23 Gaognan’i Kristy ma izy? Mitarea sahala amin’ny ôlona badrahodra izaho. Izaho koa mandombolombo anjareo. Izaho raha mitaha aminjareo dia namono tegna niasa, natetika nigadra, drodroka karavasy. Tam-bavahaognan’ny fahafatesana foagna izaho matetika: 24 Nokaravasian’ny Jiosy in-dimy izaho, efapolo isa latsaka iraika isaky ny mandeha; 25 notarôhana tamin’ny kakazo in-telo izaho, notorahana vato indray mandeha, vaky sambo in-telo, ary indray mandeha nagnalina andro nahakeka andro tagnaty rano. 26 Nandeha matetika izaho, saika nidiran’andro tamin’ny rano maria be, saika nahita antambo tamin’ny dahalo, tamin’ny Jiosy mpiray firenena aminahy sy ny Jentilisa. Saika nahita antambo tan-tanàna, tan-kodahoda, tagnaty ranomasina ary saika nidiran’andro tamin’ny rahalahy sandoka. 27 Namono tegna mafy niasa, natetika tsy ampy torimaso, niaritra silaona sy main-tenda, tsy nahita raha hohanina, niaritra hatsiaka sy tsy fanagnana akanjo izaho. 28 Mbôla misy raha hafa ankoatra an’ireo iandraiketako isan’andro dia ny fagnahoana ny fiangonana dahôlo. 29 Raha misy malemy dia malemy koa izaho. Raha misy ôlona mibirioka miala amin’ny làla-marina, tsy hagnavy asira ma izany izaho?
30 Raha tsy maintsy misekoseko izaho, dia izay mikasika ny fahalemeko no isekosekoako. 31 Andriamagnitra Rain’i Jesoa Tômpo izay isaorana mandrakizay no mahafantatra fa milaza ny marina izaho. 32 Tamin’izaho ta-Damaskosy, dia nodidin’ny governeran’i Areta mpanjaka niambesana ny tanàna mbô hahafahana manambotra anahy. 33 Kanefa nisy ôlona nampidigna anahy tamin’ny karapaka takeo amin’ny varavarankelin’ny manda, ka afaka nilefa ananjy izaho.