Miaro ny asa fanompoagnany i Paoly
10
Ny tegnako amin’ny maha Paoly anahy mihitsy, no mamporisika anareo amin’ny hatsoram-po sy ny indrafon’i Kristy. Misy ôlona aminareo milaza fa managna hegna-maso izaho rehefa magnoloagna anareo, fa managna fahasahiana rehefa tsy amasonareo. 2 Rehefa mifagnatri-tava aminareo izaho dia miangavy anareo mbô aza terena hanagna an’izany fahasahiana izany; managna eritreritra ho sahisahy tokoatra mbôka izaho amin’ny ôlona sanagny izay milaza fa amin’ny maha ôlombelona no hagnanaovako raha. 3 Ôlombelona nofo sy ra mbôka izahay nefa tsy miady araka ny fisaignan’ny ôlombelona. 4 Tsy araka ny nofo sy ra ny fitaovam-piadiana indesinay miady fa avy amin’Andriamagnitra ka mahery handrodagna ny manda. 5 Fa harodagnay ny fomba fisaignana sy ny raha dahôlo natsangana hanoherana ny fahalalana an’Andriamagnitra. Ary ny fomba fisaignana dahôlo dia baboinay mbô hagnaiky an’i Kristy. 6 Rehefa tanteraka ny fankatoavanareo dia vognona hagnafay an’izay tsy mety magnaiky an’izany izahay.
7 Rehefa mijery raha dia aza mitsara ambelagny! Fa raha misy ôlona mihevitra ny tegnany fa an’i Kristy dia izao no tokony an-dôhany akao: Izy an’i Kristy dia izahay koa mbô Ananjy. 8 Na dia ôhatran’ny misekoseko kely amin’ny fahefana namen’Andriamagnitra anahy àry izaho dia tsy mahamegnatra anahy izany satria hagnamboatra fa tsy handrava anareo izany. 9 Tsy ôhatran’ny hoe hampatahotra anareo izaho raha nanoratra an’iregny taratasy nalefako iregny. 10 Ny sanagny mbôka milaza fa hentitra sady henjakenjagna ny taratasy alefanay kanefa rehefa mifagnatri-tava aminareo dia malemy sady tsisy dikany ny raha taravinay. 11 Tokony hieritreritra ilay ôlona mitarea an’izany fa mitovy foagna ny teny teneninay agnaty taratasy soratanay rehefa lavitra anareo izahay sy ny asa ataonay rehefa mifagnatri-tava aminareo izahay.
12 Tsy sahy mampitaha na mampitovy tegna amin’ny ôlona sanagny milaza tegna izahay. Fa tsy ampy fahendrena iregny ôlona iregny fa mampitaha ny tegnany amin’ny tegnany foagna ary ny tegnany samby irerika no ataony fitaratra amin’ny fomba fitondrany ny tegnany. 13 Raha momba anay, dia misekoseko amin’ny fahefana nofaritan’Andriamagnitra ho anay izahay. Tsy misekoseko mihoatra ny asa izay nofaritan’Andriamagnitra ho anay izahay ary tafiditra agnatin’izany ianareo. 14 Tsy nataonay dilahoaka ny sekosekonay rehefa tonga taigny aminareo izahay, fa nitondra ny Tarea Maharavon’i Kristy ho anareo. 15 Tsy misekoseko dilahoaka amin’ny asa vitan’ny sanagny izahay na amin’ny asa izay tsy nofaritana ho anay. Izahay indray magnantegna fa hitombo ny finoanareo ka hivelatra koa ny faritra iasanay akeo aminareo. 16 Dia hitory ny Tarea Maharavo amin’ny faritra hafa ankoatra ny faritra misy anareo izahay, ka tsy hisekoseko amin’ny asa efa vitan’ny ôlona sanagny amin’ny faritra niasany. 17 Fa izao no voasoratra: “Izay misekoseko dia ny Tômpo no tokony isekosekoany” (Jer 9.23) 18 satria tsy izay milaza tegna no ankasitrahana fa izay derain’ny Tômpo.