Hafatrafatra hafa momba ny fanangonam-bola
9
Raha momba ny fagnampiana ny ôlona masina aigny Jerosalema dia tsisy antony tokony hanoratako aminareo avy. 2 Fantatro tsara mbôka ny fahazotoanareo dia izany no mampisekoseko anahy aigny Makedonia hoe: Letry tamin’ny herintaonan’izao, dia efa vonona zareo taigny Akaia, ary namporisika ny ankabeazan’ny ôlona ny hafanam-ponareo. 3 Kanefa nagniraka an’ireo rahalahy ireo ihany izaho mbô tsy ho foagna ny reharehanay momba anareo ary mbô ho vognona araka izay efa voalazako ianareo. 4 Sandray mbôka misy tafiaraka aminahy ny avy a-Makedonia ka hahita anareo mbôla tsy vognona dia megnatra izahay mbô tsy ilazanay hoe ho hegnatra ho anareo izany tsy fahavognonanareo izany. 5 Araka izany, dia mangataka ny rahalahy koa izaho hialôha lalàna anahy aigny aminareo, hagnomagna tsialôhalôha ny vola nampagnantegnainareo, mbô ho malala-tagnana ianareo raha magname fa tsy kahidy.6 Fa izay mamafy kely, dia kely ny vokatra ampiakariny; izay mamafy betsaka dia betsaka ny vokatra ampiakariny. 7 Alay samby magname araka izay nahim-pony dahôlo ny ôlona, tsy amin’ny alahelo na amin’ny faneriterena, satria “Izay magname an-kafaliana no tian’Andriamagnitra” (Oha 22.8). 8 Efan’Andriamagnitra ny mampitobaka ny fahasoavana dahôlo aminareo, mbôry izay ianareo hanagna ny ampy ary hitobaka ny asa tsara dahôlo ataonareo. 9 Araka ny voasoratra hoe:
“Nalala-tagnana izy nizara tamin’ny ôlona mahantra;
maharitra mandrakizay ny fahamarinany” (Sal 112.9).
10 Ary Andriamagnitra Izay mamatsy ambeoka ho an’ny mpamafy sy raha hohanina, no hamatsy ny ambeoka sy hampitombo ny raha afafinareo ary hampitombo ny vokatry ny asan’ny fahamarinana ataonareo. 11 Araka izany, hanan-karena amin’ny raha dahôlo ianareo ka hanjary halala-tagnana. Dia hisaotra an’Andriamagnitra ny ôlona noho ny aminareo. 12 Ny fagnanaovana ny asa famoriam-bola mbôka dia tsy hoe mahafa-pahasahiranana ny ôlona mpino a-Jerosalema ihany fa mampitombo ny ôlona hisaotra an’Andriamagnitra koa. 13 Noho io asa soa nataonareo io dia hagname voninahitra an’Andriamagnitra zareo. Ianareo nalala-tagnana taminjareo sy tamin’ny ôlona dahôlo no porofo amin’ny ôlona mpino fa magnaiky ny Tarea Maharavon’i Kristy ianareo. 14 Tianjareo be mbôka ianareo ka indesiny am-bavaka satria nihoa-pampagna ny fahasoavan’Andriamagnitra taminareo. 15 Isaorana Andriamagnitra amin’ny fagnamezany tsy azo visavisaina!