Fampirisihana momban’ny fanangonagna fanomezana
8
Ô raôlona! Tianay ho fanatatrareo ny fahasoavana namen’Andriamagnitra ny fiangonana taigny amin’ny faritra Makedonia. 2 Na dia nozahana toetra tagnaty raha manahirana àry izy dia nitobaka ny hafaliany; na dia tagnaty fahasahiranana laligna àry izy dia mbôla nitobaka koa ny haren’ny fahatsaram-pagnahiny. 3 Izaho no vavolombelona fa tsy noterena avy zareo fa nagnome araka izay vitany, ary mbôla mandombolombo an’izany àry ny raha nataony. 4 Nitalaho mafy taminay koa zareo mbô handray ny fahasoavana amin’ny fanompoana ny ôlona masina. 5 Tsy nagnampo avy izahay fa natolony ho an’ny Tômpo malôha ny vatantegnany, araka izay tian’Andriamagnitra ho ataony, izay vao natolony ho anay. 6 Araka izany, nangataka tamin’i Titosy izahay mbô hagnatanteraka an’io asan’ny fahatsaram-pagnahy io, izay efa nataony letry tam-boalôhany.
7 Manankarena amin’ny raha dahôlo ianareo: Na amin’ny finoana na amin’ny fahaizana miteny na amin’ny fahalalana na amin’ny hafanam-po na amin’ny fitiavanareo anay. Araka izany, fagniriako raha mbô handombolombon’izany ny asa soa ataonareo. 8 Tsy mibaiko anareo nefa izaho, misy sanagny aminareo mbôka mafana fo ka tiako ho fantatra na madio ny fitiavanareo na tsia. 9 Fantatrareo mbôka ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tômpontsika. Nanan-karena Izy kanefa nagneky nahantra noho ny aminareo ka ny fahantrany no nampanankarena anareo. 10 Dia taraviko aminareo ny hevitro momba an’izany, fa tombontsoa ho anareo izany satria tamin’ny herintaonan’izao dia ianareo no voalôhan-disitra nagnandroka vola sy nanagna fagniriana hagnano an’izany. 11 Araka izany, vitao hatramin’ny farany izany fagnirianareo izany, ka ataovy araka izay zakanareo. 12 Ankasitrahana ny fagnomezana raha atao amin’ny fahatsoram-po izany; ny raha anagnana no amena fa tsy ny raha tsy anagnana. 13 Izany tsy midika hoe hanjary faraidiny ianareo rehefa magnampy ny hafa fa mbô hisy fitovizana amin’ny mpagnome sy ny mpandray. 14 Manankarena be ianareo amin’izao ka afaka magnampy ny ôlona sahirana. Indray andro aigny, rehefa sahirana ianareo dia afaka hagnampy anareo izy amin’ny antokarena hanagnany mbôry izay hisy fitovizana aminareo. 15 Araka ny voasoratra hoe: “Izay nagnandroka betsaka dia tsisy ambiny tavela; izay nagnandroka kely dia nahazo ny antognony izy” (Eks 16.18).
16 Isaorana Andriamagnitra nampatonga an’i Titosy nafana fo tamin’ny asa ho anareo sahala amin’ny nataonay. 17 Fa nagnaiky ny fiangavianay izy ary tegna narisika izy ka nandeha an-tsitrapo nitsidika anareo. 18 Dia nirahiny hiaraka aminanjy akaigny ilay rahalahy henin-kaja tagnatrehan’ny fiangonana dahôlo noho ny asa fitoriana Tarea Maharavo. 19 Ary tsy izany foagna, efa notendren’ny fiangonana koa izy mbô hiaraka hiasa aminay hitondra an’izao asa soa izao, izay angoninay ho voninahitry ny Tômpo sy ho vavolombelon’ny fahazotoanay. 20 Izany no ataonay mbô tsisy ho kianina ny fitantananay ny vola be voaandroka tan-tagnanay. 21 Magniry hagnano raha tsara izahay, tsy agnatrehan’ny Tômpo foagna fa amason’ny ôlona koa. 22 Nirahiny niaraka aminjareo koa ilay rahalahy izay hitanay fa mafana fo amin’ny raha dahôlo, dia nitombo ny fahazotoany satria natoky anareo izy. 23 Raha momba an’i Titosy indray dia namako izy, sady mpiara-miasa aminahy hagnampy anareo; ary ireo rahalahinay ireo mbôka dia sady iraky ny fiangonana no voninahitr’i Kristy. 24 Porofoy amin’ny fiangonana fa marina ny fitiavanareo sy ny reharehanay ny aminareo.