7
Ô ry namako tiako! Managna ireo teny fampagnantegnana ireo atsika. Araka izany, tokony hagnadio tegna ho afaka amin’ny fahalotoana dahôlo atsika, na amin’ny vatagna izany na amin’ny fagnahy, ka hahatanteraka hatramin’ny farany ny fahamasinana amin’ny fahatahôrana an’Andriamagnitra.
2 Mbô ataovy midagnadagna aminay koa ma ny fonareo! Tsy nagnano raha ratsy tamin’ny ôlona, tsy nitarika ôlona hiala amin’ny finoana ary tsy nikatramo ôlona izahay. 3 Tsy hagnameloka anareo no antony itaravako an’izany. Efa akato am-ponay mbôka ianareo; velona iray tragno, maty iray fasagna atsika. 4 Tegna azoko antoka ianareo; misekoseko mihitsy izaho managna anareo; tegna matanja-tsaigna sady ampoky ny hafaliana izaho agnatin’ny raha dahôlo manahirana mahazo anay.
Aigny Makedonia i Paoly
5 Rehefa tonga ta-Makedonia izahay, dia tsisy tany niaignana mihitsy satria betsaka be ny raha nampijaly anay: Tambelagny nisy ady, ny agnaty mangôrohôro. 6 Ary Andriamagnitra izay mampahery ny ôlona mivalaketraka no nampahery anay tamin’ny fahatongavan’i Titosy, 7 tsy tamin’ny fahatongavany ihany fa tamin’ny fampaherezanareo ananjy koa. Notantarainy taminay mbôka hoe te hifagnatri-tava aminahy ianareo, vaky ranomaso mihitsy ianareo tamin’ny raha nahazo anahy ary nagniry hagnampy anahy ianareo, ka miha mitombo foagna ny hafaliako.
8 Na dia nampalahelo anareo àry ny taratasy nosoratako taminareo dia tsy nanegnenako avy izany. Na dia nanegnina àry izaho talôha dia fantatro fa nalahelo ianareo tamin’iny taratasy iny nefa nandalo ihany izany. 9 Kanefa faly izaho amin’izao, tsy noho ianareo malahelo, fa noho ny alahelo izay hitarika anareo hiova toetra ka hitodika amin’Andriamagnitra. Ny alahelonareo mbôka dia araka ny sitrapon’Andriamagnitra ka tsisy raha nataonay nandrangitra anareo. 10 Ny alahelo araka ny sitrapon’Andriamagnitra mbôka mampiova toetra hitodihanareo amin’Andriamagnitra ho famonjena. Fa ny alahelo amin’izao tontolo izao kosa dia mitarika ho amin’ny fahafatesana. 11 Ieny! Eritrereto ny vokatra nateraky ny alahelo araka ny sitrapon’Andriamagnitra taminareo: Nanjary mailamailaka be ianareo, tegna namosa heloka, tegna nagnavy asira, tegna natahotra, nagniry mafy te hahita anay, tegna nafana fo, vognona hagnafay ny ôlona nagnano tsy fanjariana. Tamin’izany raha dahôlo izany dia mampiseho fa marina ny raha nataonareo. 12 Araka izany, ny antony nanoratako taminareo dia tsy hoe hikaraka ny ôlona magnano tsy fanjariana na ny ôlona diso, fa tagnatrehan’Andriamagnitra no nanoratako mbô ho fantatrareo fa ôlona tsotra, tsy mivadika ianareo. 13 Ary izany no nampahery be anay.
Ankoatra ny fampaherezana azonay avy aminareo, dia safononoka koa ny hafalianay nahita ny hafalian’i Titosy, satria nampilamin-tsaigna ananjy ianareo. 14 Nisekosekoako taminanjy mbôka ianareo, dia tsy diso fagnantegnana taminareo izaho. Nitarea ny marina taminareo foagna izaho, dia nanjary marina tokoatrany ny raha nampisekoseko anahy tamin’i Titosy. 15 Vao mainka àry izy miraiki-po aminareo raha mahatsiaro ny fahavognonanareo dahôlo hagnano ny raha nangatahiny sy ny fomba nandraisanareo ananjy tamin’ny fagnajana sy tamin’ny fagnetren-tegna. 16 Faly izaho fa afaka matoky anareo amin’ny raha dahôlo.