6
Mpiara-miasa Aminanjy mbôka izahay ka miangavy anareo hoe: Mbô asevo lanjany koa ma ny fahasoavan’Andriamagnitra noraisinareo Taminanjy! 2 Dia Hozy:
“Tamin’ny fotoana tsara no namaliako ny vavakao,
tamin’ny andro famonjena no namonjeko anao” (Isa 49.8).
Nigniany ity mihitsy no fotoana tsara;
izao koa no andro famonjena.
Ny gaognan’Andriamagnitra
3 Tsy magnano raha mandavo ôlona na amin’ino na amin’ino izahay mbô tsy hagnaratsiana ny asa fanompoanay. 4 Milaza tegna fa mpanompon’Andriamagnitra izahay amin’ny raha dahôlo: Amin’ny fahatozoana amin’ny fotoana manahirana, amin’ny tsi-fisiana, amin’ny fahatahôrana, 5 amin’ny taroka, amin’ny figadrana, amin’ny fisalahoana, amin’ny asa mafy be, amin’ny tsy fisian-torimaso, amin’ny silaona, 6 amin’ny fahadiovana, amin’ny fahalalana, amin’ny fahari-po, amin’ny fahatsoram-po, amin’ny Fagnahy Masina, amin’ny fitiavana tsisy fihatsarambelatsihy, 7 amin’ny teny fahamarinana, amin’ny herin’Andriamagnitra, amin’ny fitaovam-piadian’ny fahamarinana, na amin’ny ankavagnana na amin’ny ankavia, 8 amin’ny voninahitra sy ny fahafaham-baraka, amin’ny laza ratsy sy ny laza tsara; sahala amin’ny mpikatramo nefa marina foagnany, 9 sahala amin’ny ôlona tsy fantatra nefa fantatr’Andriamagnitra tsara, lazainjareo fa sahala amin’ny ôlona efa maty nefa mbôla velona, sahala amin’ny ôlona ampijaliana be nefa tsy vonoina ho foaty. 10 Faly foagna na dia mandalo raha sarotra àry, mampanankarena ny ankabeazan’ny ôlona na dia sahirana àry, sahala amin’ny tsisy raha hanagnana anefa tômpon’ny raha dahôlo.
11 Ianareo Korintiana ireo! Amin’ny fahatsoram-po no itenenana anareo, midagnadagna aminareo ny varavaragn’ny fonay. 12 Tianay foagna anie ianareo na dia tsy avy avy aminay àry e. 13 Araka izany, sahala amin’ny zanako no hitenenako anareo: Mbô adagnadagnao aminay koa ma ny varavaragn’ny fonareo!
Ny tempolin’Andriamagnitra velona
14 Ianareo ireo, ialao lavitra ny mizoga miaraka amin’ny ôlona tsy mpino. Fa ino ma no iraisan’ny fahamarinana sy ny fandikan-dalàna? Ary ino ma no iraisan’ny mazava sy ny maizigna? 15 Ary ino ma ifagnarahan’i Kristy sy Belialaa? Ary ino koa iraisan’ny finoana sy ny tsy finoana? 16 Dia ino ma iraisan’ny tempolin’Andriamagnitra amin’ny sampy? Fa atsika dia tempolin’Andriamagnitra velona, araka ny raha notaraviny hoe:
“Hipetraka sy hiaraka handeha aminjareo Izaho,
hanjary Andriamagniny Izaho ary zareo hanjary ôloko” (Lev 26.11-12).
17 Araka izany, “Ialao lavitra zareo ary aza mifampibidabida aminjareo intsony, hozy NY TÔMPO;
aza mitamotamo amin’ny raha tsy madio.
Dia ho raisiko indray ianareo.
18 Hanjary Rainareo Izaho
ary hanjary zanako lahy sy zanako vavy ianareo, hozy NY TÔMPO mahefa ny raha dahôlo” (Isa 52.11-12).