5
Fantatsika fa rehefa robàna ny lasy izay ipetrahantsika atý ambonin’ny tany dia managna tragno izay namboarin’Andriamagnitra aigny an-dagnitra atsika, tragno tsy natao tamin’ny tagnana ary mateza mandrakizay. 2 Dia misento foagna atsika amin’izany ary magniry mafy hosarognana ny tragnontsika avy aigny an-dagnitra; 3 mbôry izay atsika mitafy fa tsy miboridagna. 4 Agnatin’ity lasy ity atsika, dia misento satria mitambesatra be ny raha mahazo antsika. Satrintsika tsy halana mbôka ity vatantegnantsika ity fa tiantsika hosarognana an’ilay vatagna vaovao mbôry izay hatelign’ny fiaignana ilay vatagna mety maty. 5 Efa izany no tanjon’Andriamagnitra nomanigny ho antsika, Izy no nagnome ny Fagnahy ho voalôham-bokatra.
6 Araka izany, azontsika antoka foagna sady fantatsika fa raha mbôla velona amin’ity vatantegna ity atsika dia mbôla lavitra ny tragnontsika mbaraky ery Tômpo. 7 Fa miaigna amin’ny finoana atsika fa tsy amin’ny raha hita maso. 8 Matoky àry atsika dia alaintsika miala amin’ny vatantegnantsika ka hipetraka aigny amin’ny tragnontsika mbaraky ery Tômpo. 9 Araka izany, miezaka foagna hahazo fankasitrahana atsika na mipetraka amin’ity vatantegna ity na miala akao. 10 Tsy maintsy hibaribary akeo amin’ny fitsaran’i Kristy mbôka atsika dahôlo ka samby handray ny valin’ny raha nataony ny ôlona tsiraikaraika na tsara na ratsy.
Ny raharahan’ny fampihavanana
11 Fantatsika mbôka ny fahatahôrana an’Andriamagnitra, dia miezaka mandresy lahatra ôlona atsika. Mahafantatra tsara antsika Andriamagnitra dia magnantegna izaho fa mahafantatra anahy koa ianareo amin’ny fieritreretanareo akao. 12 Tsy milaza tegna aminareo izahay. Fa te hampafantatra anareo ny raha tokony hisekosekonareo ny aminay, mbôry izay ianareo mahita raha havaly an’ireo ôlona miendaenda amin’ny raha avelambelagny ireo fa tsy amin’ny raha agnatin’ny fo. 13 Raha sagnagna izahay dia an’Andriamagnitra izany; raha hendry izahay dia anareo. 14 Ny fitiavan’i Kristy dia tsy mamela anay hisafidy satria resy lahatra izahay fa maty ny iraika hamonjy ny ôlona dahôlo dia maty koa zareo dahôlo. 15 Maty Kristy hamonjy ny ôlona dahôlo mbôry izay ny velona tsy ho velona ho an’ny vatantegnany intsony fa ho an’Ilay efa maty sy efa nitsangana tamin’ny maty hamonjy ananjy.
16 Araka izany, tsy mahafantatra ôlona amin’ny maha ôlombelona intsony atsika na dia amin’ny maha ôlombelona aza no nahafantarantsika an’i Kristy, dia efa tsy izany intsony no hahafantarantsika Ananjy amin’izao. 17 Rehefa tafiraika amin’i Kristy ny ôlona dia manjary ôlom-baovao izy, efa lasana ny fiaignany talôha ary fiaignana vaovao amin’izay no iaignany. 18 Avy tamin’Andriamagnitra izany raha dahôlo izany. Izy no nampihavana antsika Taminanjy tamin’ny alalan’i Kristy sady nanendry anay ho mpitory ny teny fampihavanana. 19 Andriamagnitra takao amin’i Kristy mbôka no nampihavana an’izao tontolo izao Taminanjy. Izy dia nagnafoagna ny fagnamelohan’ny fahotana ary napetragny taminay ny teny fampihavanana.
20 Ambasadaoron’i Kristy izahay. Andriamagnitra miangavy anareo amin’ny alalanay; izahay miangavy anareo amin’ny alalan’i Kristy hoe: Mbô mihavagna amin’Andriamagnitra koa ma ianareo raôlona! 21 Izy dia tsy nahalala ota fa nataon’Andriamagnitra ho ota hamonjena antsika mbô hanjary fahamarinan’Andriamagnitra akao Aminanjy atsika.