Rakitra akao agnaty vilany tany
4
Araka izany, tsy magnary toky izahay magnano fanompoana satria namindra fo taminay Andriamagnitra. 2 Nagnary tanteraka ny asa misitrika sy mahamegnatra izahay, ary tsy mandeha amin’ny hafetsena na magnatsatso ny tenin’Andriamagnitra; fa mampiseho mazava ny fahamarinana kosa izahay ka milaza tegna amin’ny fieritreretan’ny ôlona ny momba anay agnatrehan’Andriamagnitra. 3 Rehefa misarogna ny Tarea Maharavo torinay, dia misarogna amin’ny ôlona an-dalam-pahaverezana izany. 4 Dia nohajambain’andriamagni-kafa tompoina amin’izao vanim-potoana izao ny sain’ny ôlona tsy mino mbô tsy hiposahan’ny fahazavan’ny Tarea Maharavon’i Kristy, izay endrik’Andriamagnitra. 5 Tsy ny tegnanay avy no torinay fa Jesoa Kristy Tômpo; izahay mbôka gaognanareo noho ny amin’i Jesoa. 6 Fa Andriamagnitra niteny hoe: Hitaratra agnaty haizina akao ny fahazavana. Izy no hitaratra ny fonay mbô hampanjelanjelatra ny fahalalana ny voninahitr’Andriamagnitra izay mamirapiratra amin’ny tarehin’i Kristy.7 Fa managna raha sarobidy agnaty vilagny tany izahay, mbô hibaribary fa tsy avy aminay ny hery tsisy mahoatra fa avy amin’Andriamagnitra. 8 Manery anay dahôlo ny magnodidina kanefa tsy montsagna izahay, lavolavo antomboka kanefa tsy nagnary toky, 9 nenjehina kanefa tsy nilaosana, nolakamonina kanefa tsy maty. 10 Indesinay agnatin’ny vatantegananay foagna ny fahafatesan’i Jesoa mbôry izay ho hita aminay koa ny fiaignany. 11 Fa ho anay velona, mandindondindogna anay foagna ny fahafatesana noho ny amin’i Jesoa, mbôry izay ho hita mazava amin’ny vatantegnanay mety maty koa ny fiaignan’i Jesoa. 12 Araka izany, magnaraka an-joron-dambanay foagna ny fahafatesana, fa fiaignana ny anareo.
13 Managna ny fagnahin’ny finoana tokoatrany izahay, araka ny voasoratra hoe: “Nino izaho ka nitarea” (Sal 116.10). Ary nino koa izahay dia nitarea. 14 Dia fantatray fa izay nanangana an’i Jesoa Tômpo tamin’ny maty no hanangana anay miaraka amin’i Jesoa ary hanolotra anay miaraka aminareo akeo agnatrehany. 15 Niaretanay izany raha dahôlo izany noho ny aminareo mbôry izay hitobaka ny fahasoavana ka hihabetsaka ny ôlona hisaotra ho voninahitr’Andriamagnitra.
Mahery foagnany
16 Izany no mampatonga anay tsy magnary toky, fa na dia mihalevona aza ny ambelagny amin’ny vatantegnanay, dia havaozina isan’andro ny fagnahy agnatinay. 17 Maivagna sy miseragna ny raha manahirana anay agnatrehan’ny voninahitra goavam-be izay maharitra mandrakizay omagnina ho anay. 18 Araka izany, tsy mibanjina ny raha hita maso izahay, fa ny tsy hita maso; miseragna mbôka ny raha hita maso fa maharitra mandrakizay kosa ny tsy hita maso.