Gaognan’ny fagnekena vaovao
3
Mbôla mila milaza tegna aminareo indray ma izany izahay? Sa hoe mbôla mila taratasy fanolorana anay aminareo na hoe mila taratasy avy aminareo hanolotra anay amin’ny ôlon-kafa? 2 Ianareo mihitsy no taratasinay izay voasoratra agnaty fonay sady fantatra sy vakin’ny ôlona dahôlo. 3 Mibaribary fa ianareo dia taratasy nosoratan’i Kristy nampitondraina anay; kanefa tsy nosoratana tamin’ny ranomainty fa tamin’ny Fagnahin’Andriamagnitra velona; tsy tamin’ny vato fisaka fa tamin’ny vato fisaka nofo dia ny fo. 4 Azonay antoka agnatrehan’Andriamagnitra, amin’ny alalan’i Kristy izany.5 Nefa tsy mihambo hahavita asa sahala amin’izany amin’ny herinay manokana izahay fa avy amin’Andriamagnitra no hahavitanay an’izany raha izany. 6 Izy no nampatonga anay hanjary gaognan’ny Fagnekena Vaovao, nefa tsy amin’ny soratra fa amin’ny Fagnahy satria ny soratra mamono, fa ny Fagnahy no mahavelona.
7 Ny asa fagnompoan’ny fahafatesana, ilay voasokitra tamin’ny vato fisaka àry nisy voninahitra ka nampatonga ny Zanak’Israely tsy nahajery ny tarehin’i Mosesy izay nanjelanjelatra, 8 mintsaka fa ny asa fagnompoan’ny Fagnahy, tsy handombolombon’izany ma ny voninahitra? 9 Ny fagnompoana mitondra fagnamelohana koa àry nisy voninahitra, mintsaka fa ny fagnompoana mitondra fahamarinana dia handombolombo an’izany ny voninahitra. 10 Fa ny voninahitra nanjelanjelatra talôha dia nihen-danja be rehefa oharina amin’ilay voninahitra amin’izao, izay tegna goavambe. 11 Fa raha ny miseragna ary nisy voninahitra, mintsaka fa ny maharitra mandrakizay dia ho heniky ny voninahitra goavam-be.
12 Managna an’izany fagnatenagna izany tokoatrany izahay ka mahasahy mitarea, 13 fa tsy sahala amin’i Mosesy izay nagnarona ny tarehiny tamina voaly mbô tsy hahitan’ny Zanak’Israely ny fiafaran’izany voninahitra niseragna izany. 14 Fa efa natao mafy lôha zareo satria mandraka ity nigniany dia mbôla tsy nalana foagna ilay voaly rehefa mamaky an’ilay Fagnekena Talôha, satria akao amin’i Kristy ihany no angalana an’izany. 15 Fa mandraka ity nigniany, isaky ny mamaky ny raha taravin’i Mosesy zareo, dia mbôla voasarona foagna ny lôhanjareo. 16 Halana ihany anefa izany raha nisarogna izany rehefa miverigna amin’ny Tômpo zareo. 17 Ny Tômpo mbôka izany Fagnahy izany ary izay misy ny Fagnahin’ny Tômpo dia aigny no misy fahafahana. 18 Fa atsika dahôlo kosa dia mahita mibaribary sahala amin’ny mijery fitaratra ny voninahitry ny Tômpo. Miova endrika miandalana hatraigny hatraigny hitovy endrika amin’ny Tômpo atsika, ka hitombo voninahitra hatraigny hatraigny. Izany no asan’ny Tômpo, dia ny Fagnahy.