2
Izany no antony nanapahako hevitra tsy hiverigna aigny aminareo mbôry izay ianareo tsy halahelo. 2 Fa raha mampalahelo anareo izaho, dia iza indray ma no hagnome fifaliana ho anahy, afa-tsy ianareo izay nagnanaovako raha nampalahelo ihany? 3 Naleoko malôha nanoratra ho anareo satria tsy tiako ny hahazo alahelo amin’ny ôlona izay tokony hahazoako hafaliana. Rehefa faly izaho dia azoko antoka fa faly koa ianareo. 4 Nalahelo be, vaky fo mihitsy ary nitomagny nigololoka izaho rehefa nanoratra an’ity taratasy ity ho anareo. Kanefa tsy hampalahelo anareo ny anton’izany fa mbô ho fantatrareo ny halalign’ny fitiavako anareo.
Mamela heloka ny diso
5 Raha misy ôlona magnome alahelo dia tsy izaho no atao malahelo fa ianareo dahôlo, nefa tsy ianareo dahôlo fa ny sanagny aminareo satria izaho tsy te hampitombo resaka. 6 Fanaoka an’izany ôlona izany ny famaizana nataon’ny ankabeazanareo ananjy. 7 Kanefa tokony hamela heloka sy hampifaly ananjy ianareo amin’izao, sandray izy hamoy fo takatry ny alahelo dilahoaka. 8 Araka izany dia miangavy anareo izaho: Ataovy izay hahatsapany fa tianareo izy. 9 Nanoratra aminareo koa izaho mbô hahafantarako ny toetranareo na vognona hagnaraka ny raha dahôlo taraviko ianareo na tsy vognona. 10 Fa na iza na iza avelanareo heloka dia mamela ny helogny koa izaho! Raha misy ôlona avelako ny helogny, dia ianareo no antony nagnanaovako an’izany tagnatrehan’i Kristy. 11 Izany ny raha ataontsika mbô tsy voafitak’i Satana atsika satria haintsika ny teti-dratsiny.
Ny fanahian’i Paoly taigny Troasy
12 Rehefa tonga taigny Troasy nitory ny Tarea Maharavon’i Kristy izaho, na dia namôha ny varavarana dahôlo hiasako aza ny Tômpo, 13 dia tsy tafatombigna mihitsy ny saignako satria tsy hitako i Titosy rahalahintsika. Dia nirasa vôlagna tamin’ny ôlona izaho ary lasana nankaigny Makedonia.
Ny fandresena akao amin’ny Kristy
14 Isaorana Andriamagnitra izay mitondra antsika foagna tamin’ny filaharam-ben’ny mpiady avy nandresy akao amin’i Kristy. Ampiasain’Andriamagnitra izahay hampidofaka eraky ny tany dahôlo ny fahalalana an’i Kristy. 15 Hagnitr’i Kristy ho an’Andriamagnitra mbôka izahay na amin’izay ôlona an-dalam-pamonjena na amin’izay ôlona an-dalam-pahaverezana: 16 Ho an’ny sanagny, fofona mahafaty izahay ka mitarika fahafatesana; ho an’ny ôlon-kafa, fofona mahavelona izahay ka mitarika fiaignana. Tsisy ôlona mahavita an’izany asa izany avy. 17 Tsy magnova ny tenin’Andriamagnitra mbô hahazoana vola sahala ny an’ny ôlona sanagny izahay. Fa izahay kosany dia mitory ny tenin’Andriamagnitra amin’ny fahatsorana avy amin’Andriamagnitra satria akao amin’i Kristy sy agnatrehan’Andriamagnitra no itorianay ny teny.