Ny mikasika fanangonam-bola atao ho amin’ny fiangonana aigny Jerosalema
16
Raha ny mikasika ny fanangonam-bola ho an’ny ôlona masina, dia magnanaova sahala amin’izay torohevitra nasaiko nataon’ny fiangonana ta-Galatia koa ianareo. 2 Amin’ny andro voalôhany amin’ny herignandro dia sambia manokana vola araka izay anagnany, mbô ho vita alôhan’ny fahatongavako ny fanangonam-bola. 3 Rehefa tonga izaho dia izay ôlona nisafidinareo no asaiko mitondra ny taratasy sy hagnatitra ny fagnamezanareo aigny Jerosalema. 4 Raha tokony handeha aigny koa izaho dia hiaraka aminahy zareo.Ny dia kasain’ny Apostoly handehanana
5 Hankaigny aminareo izaho rehefa avy mandalo aigny Makedonia, fa izaho io mbôka mbôla handeha ho aigny Makedonia. 6 Mety hanangana elaela aigny aminareo izaho, na hanapitra ny ririnina mihitsy aza, mbô hahafahanareo magnatitra anahy amin’ny dia hombako. 7 Raha sitrapon’ny Tômpo dia tsy ny handalo foagnany no fikasako fa hanangana elaela aigny aminareo. 8 Kanefa hanangana aigny Efesosy izaho mandra-pahatongavan’ny Pantekôty. 9 Fa midagnadagna ho anahy ny varavaragna ho an’ny asa mahomby nefa betsaka ny mpanohitra.
10 Raha tonga aigny aminareo i Timoty dia ataovy izay hahatamana ananjy satria magnano ny asan’ny Tômpo ôhatra anahy izy. 11 Aza avela hisy ôlona hagnivaiva ananjy! Fa avilay izy handeha soa aman-tsara hankatỳ aminahy; mandigny ananjy sy ny rahalahintsika sanagny mbôka izaho io.
12 Momba an’i Apolosy rahalahintsika, dia tegna niangaviako izy mbô ho aigny aminareo hiaraka amin’ny rahalahintsika; mbôla tsy mazoto handeha mbôka izy amin’izao, fa vao misy irika kely foagnany dia ho avy izy.
Hafatra farany sy fanaovam-beloma
13 Miambesa, mifotora tsara amin’ny finoana, manàgna herin-tsaigna, matanjaha. 14 Ataovy amin’ny fitiavana ny raha dahôlo ataonareo.
15 Ô raôlona! Fantatrareo fa ery Stefanasy mianakavy no vôaloham-bokatr’i Akaia sady efa nanolo-tegna hanompo ny ôlona masina. Araka izany, miangavy anareo izaho: 16 Mbô ekeo ny ôlona sahala amin’iregny sy izay ôlona dahôlo miaraka miasa mafy aminanjy. 17 Mahafaly anahy ny fahatongavan’ery Stefanasy sy Fortonato ary Akaìko. Taminareo tsy takeo dia zareo no nagnampy anahy tamin’ny raha tokony nataonareo. 18 Zareo ireo dia nampilamin-tsaigna anahy sy anareo. Mahaiza mankasitraka ny ôlona sahala amin’iregny.
19 Mampamangy hozy ny fiangonana atỳ Azia. Mampamangy akao amin’ny Tômpo hozy ery Akoila sy Prisila mbaraky ny fiangonana an-dragnonjareo. 20 Mampamangy hozy ny rahalahintsika dahôlo. Mifagnanaova veloma amin’ny bàkely masina.