Ny Tarea Maharavo izay noraisiny sy nampitain’i Paoly
15
Ô raôlona! Tiako ampahafantarina anareo ny Tarea Maharavo izay notoriko taminareo sy noraisinareo ary ifotoranareo, 2 izay amonjena anareo koa, raha fangohanareo tsara araka izay tarea notoriko taminareo, raha tsy nody nino foagna ianareo.3 Izao ny raha tegna matomboka izay voaraiko ka nampitaiko taminareo: Araka ny Soratra Masina, dia maty noho ny fahotantsika Kristy, 4 nalevigna ary natsangana tamin’ny andro fahatelo, araka ny Soratra Masina; 5 dia niboagna tamin’i Kefasy malôha izy izay vao niboagna tamin’ny roa ambin’ny folo lahy. 6 Tafaran’izany, dia niboagna tamin’ny rahalahy mpino mihoatra ny dimanjato Izy, ary ny ankabeazanjareo dia mbôla velona mandraka ity nigniany, fa ny sanagny no efa maty. 7 Avy takeo, dia niboagna tamin’i Jakoba Izy, dia tamin’ny apostoly dahôlo. 8 Ary farany, dia niboagnany koa izaho na dia sahala amin’ny zaza tsy tonga volana aza.
9 Izaho mbôka dia ôlona faran’ny kely amin’ny apostoly. Izaho dia tsy manjary antsovina hoe apostoly satria efa nagnenjika ny fiangonan’Andriamagnitra. 10 Fa ny fahasoavan’Andriamagnitra no maha izao anahy; ary tsy very maigna ny fahasoavana nameny anahy; efa niasa mafy mandombolombo anjareo dahôlo izaho; kanefa tsy izaho fa ny fahasoavan’Andriamagnitra no niaraka niasa taminahy. 11 Araka izany, na izaho na zareo, dia izany foagnany no torinay, ary izany koa ny ninoanareo.
Ny amin’ny fitsanganan’ny maty
12 Fa raha mitory an’i Kristy natsangana tamin’ny maty izahay, dia magnino ma ny sanagny aminareo no mitarea fa tsisy ny fitsanganana amin’ny maty? 13 Fa raha tsisy ny fitsanganana amin’ny maty, na dia Kristy aza tsy natsangana. 14 Ary raha tsy natsangana tamin’ny maty Kristy, dia tsisy varany ny toriteninay ary tsisy varany koa ny finoanareo. 15 Ary dia ho fantatra fa vavolombelona mandainga ny amin’Andriamagnitra izahay satria efa nagnambara fa Andriamagnitra efa nanangana an’i Kristy tamin’ny maty; nefa raha tsy hatsangana ny maty, dia tsy mbô natsangany tamin’ny maty koa Kristy. 16 Fa raha tsy hatsangana ny maty, na dia Kristy koa izany dia tsy natsangana. 17 Ary raha tsy natsangana tamin’ny maty Kristy, dia tsisy varany ny finoanareo; ary mbôla akao amin’ny fahotanareo foagna ianareo; 18 dia very koa izay efa maty akao amin’i Kristy. 19 Raha amin’izao fiaignana izao foagnany no antamaintsikany an’i Kristy, dia atsika no tegna faraidigny amin’ny ôlona dahôlo.
20 Kanefa izao no tegna marina, efa natsangana tamin’ny maty i Kristy ho santatr’izay efa maty. 21 Avy tamina lehilahy iraika mbôka no niavian’ny fahafatesana, dia sahala amin’izany koa, avy amina Lehilahy iraika no niavian’ny fitsanganan’ny maty. 22 Sahala amin’ny ahafatesan’ny ôlona dahôlo akao amin’i Adama no ahaveloman’ny ôlona dahôlo kosa akao amin’i Kristy. 23 Nefa samby mandeha amin’ny ambaratongany avy izany fitsanganana amin’ny maty izany: Kristy malôha no misantatra, avy akeo vao ny ôlona dahôlo izay an’i Kristy rehefa miverigna Izy, 24 afaran’izany vao ho tonga ny farany. Amin’izany fotoana izany dia hatolony ho an’Andriamagnitra Ray ny fanjakana, rehefa noravany dahôlo ny fanapahana sy ny fahefana dahôlo ary ny hery dahôlo. 25 Fa tsy maintsy manjaka Izy, mandra-pagnanaovany ny fahavalony dahôlo ho akeo ambanin’ny tongony (Sal 110.1). 26 Ny fahafatesana no fahavalo farany ho foagnana. 27 Fa nampagneken’Andriamagnitra ho akao ambanin’ny tongony ny raha dahôlo (Sal 8.6). Rehefa milaza Izy hoe: “Ny raha dahôlo no nampagnekena”, dia mibaribary izany fa tsy mbô agnisan’izany Ilay nampagneky ny raha dahôlo. 28 Rehefa avy nampagnekena Ananjy ny raha dahôlo, dia ny Zanaka mihitsy no hagneky an’Ilay nampagneky ny raha dahôlo Ananjy. Araka izany, dia hanjaka feno amin’ny raha dahôlo sy amin’ny ôlona dahôlo Andriamagnitra.
29 Raha ôhatra ka tsisy ny fitsanganana amin’ny maty, dia hanakôry izay hatao batisa ho an’ny maty? Raha tsy hatsangana mbôka ny maty dia nagnino iregny no hatao batisa ho anjareo?
30 Ary magnino ma izahay no tandindomin-doza foagna isanandro? 31 Ô raôlona! Ambavahaognan’ny fahafatesana foagna izaho isan’andro isan’andro! Mitarea ny marina aminareo izaho satria ianareo no mampisekoseko anahy akao amin’i Kristy Jesoa Tômpontsika. 32 Raha amin’ny fijerin’ôlombelona, dia niady tamina bibidia taigny Efesosy izaho, ino ma ny tombontsoa azoko tamin’izany? Raha tsy atsangana ny maty dia “Andao atsika hihinana sy hisotro, satria ho foaty amaraigna” (Isa 22.13).
33 Aza magnaiky hofitahina ianareo;
satria ny fiarahana amin’ny naman-dratsy dia mamotika ny fitondrantegna tsara.
34 Sambia tonga saigna, ary aza manota intsony. Ny sanagny aminareo mbôka tsy mahafantatra an’Andriamagnitra. Ny hampamegnatra anareo no hitaravako an’izany.
Ny tegnan’ny tafatsangana amin’ny maty
35 Fa hisy ôlona angamba hagnontany hoe: Manakôry ma izany ôlona maty dia mitsangana izany? Ary manakôry ny ho endrikendriky ny vatagny amin’izany? 36 Ô ilay sagnagna ity! Angaha ma tsy fantatrao fa tsy hitsiry ny raha afafinao raha tsy maty malôha? 37 Rehefa mamafy ianao dia ny ambeoka foagnany no afafinao, na akotry izany na ambeoka hafa fa tsy ny vatagny izay mbôla ho avy. 38 Fa Andriamagnitra magname vatagna araka izay tiany, ary ny ambeoka tsiraikaraika dia samby ameny vatagna dahôlo.
39 Tsy ary mitovy dahôlo ny nofo: Hafa ny an’ny ôlona, hafa ny an’ny biby, hafa ny an’ny vorogna ary hafa ny an’ny barahoa. 40 Misy ny vatagn’ny aigny an-dagnitra, dia misy ny vatagn’ny atỳ ambonin’ny tany. Fa hafa ny voninahitry ny aigny an-dagnitra ary hafa ny an’ny atỳ ambonin’ny tany: 41 Hafa ny voninahitry ny masoandro, hafa ny voninahitry ny volana, hafa ny voninahitry ny kintana; ary ny kintana tsiraikaraika dia samby managna ny voninahiny.
42 Dia sahala amin’izany koa ny fitsanganan’ny maty: Afafy izy ka ho levona, ary atsangana ka tsy ho levona intsony; 43 afafy amin’ny fahafaham-baraka izy, ary atsangana amin’ny voninahitra; afafy mavozo izy, ary atsangana amin-kery; 44 afafy amin’ny vatagna voajagnahary izy, ary atsangana amin’ny vatagna ara-pagnahy.
Raha misy ny vatagna voajagnahary, dia misy koa ny vatagna ara-pagnahy. 45 Izao mbôka no voasoratra: “ Adama, ôlombelona voalôhany dia nanjary managna aigna” (Gen 2.7); Adama farany kosa natao Fagnahy magname fiagnana. 46 Kanefa tsy izay ara-pagnahy no voalôhany fa izay voajanahary, nagnaraka tafara ny ara-pagnahy. 47 Ny ôlona voalôhany izay namboarina avy amin’ny jofo dia jofo; fa ny ôlona faharoay dia avy aigny an-dagnitra. 48 Ny ôlona amin’ny jofo dia sahala amin’ilay ôlombelona avy amin’ny jofo; ary ny ôlona avy aigny an-dagnitra dia sahala amin’ny ôlombelona avy aigny an-dagnitra. 49 Dia sahala amin’ny anahafantsika ny endrik’ilay ôlona avy amin’ny jofo no hanahafantsika koa ny endrik’ilay avy aigny an-dagnitra.
50 Ô raôlona! Izao no tiako taravina aminareo: Ny nofo aman-drà dia tsy afaka mandova ny fanjakan’Andriamagnitra; ary izay mety levona dia tsy afaka mandova ny tsy mety levona. 51 Mbô tainoa ma e! Raha misitrika no hotaraviko aminareo: Tsy ho foaty dahôlo avy atsika, fa samby hovaina dahôlo, 52 fa ho avy vetiketika, amin’ny indray mipi-maso izany raha izany, amin’ny feon’ny trompetra farany. Rehefa regny ny feon’ny trompetra, dia hatsangana tsy ho levona ny maty, ary samby hovaina dahôlo atsika. 53 Tsy maintsy hisarogna ny tsy mety levona mbôka ity mety levona ity, ary tsy maintsy hisarogna ny tsy fahafatesana ity mety maty ity. 54 Rehefa misarogna ny tsy mety levona ity mety levona ity, ary misarogna ny tsy fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: “Voateligna ny fahafatesana ka azo tanteraka ny fandresena” (Isa 25.8).
55 “Ô fahafatesana! Akaiza ma ny fandresenao?
Ô fahafatesana! Akaiza ma ny filonao?” (Hos 13.14).
56 Ny filon’ny fahafatesana dia ny ota ary ny herin’ny ota dia ny Lalàna. 57 Andriamagnitra no isaorana! Izy mbôka no nagname atsika ny fandresena tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tômpontsika.
58 Araka izany, havako tiako: Mifotora mafy, aza mihozongozogna ary mitomboa foagnany amin’ny asan’ny Tômpo satria hainareo fa tsy ho very maigna ny asa mafy ataonareo akao amin’ny Tômpo.