Ny fihoaran’ny fahaizana haminany noho ny fahaizana hagnano fitarea tsy hay
14
Miezaha hanakatra ny fitiavana, nefa irio mafy ny fagnamezana ara-pagnahy mintsaka fa ny mbô haminanianareo. 2 Izay mitarea amin’ny fiteny tsy hay mbôka dia tsy mitarea amin’ny ôlona fa amin’Andriamagnitra satria amin’ny alalan’ny Fagnahy no itaravany ny raha misitrika ary tsisy ôlona mahay izay raha taraviny. 3 Izay magnazary kosany dia mitarea amin’ny ôlona ho fampandrosoana sy ho famporisihina ary ho fampaherezana. 4 Mampandroso ny tegnany izay mitarea amin’ny fiteny tsy hay; fa mampandroso ny fiangonana kosany izay magnazary. 5 Tiako samby hitarea amin’ny fiteny tsy hay ianareo dahôlo; nefa alaiko lavitra ary ianareo hagnazary. Fa izay magnazary dia mandombolombon’izay mitarea amin’ny fiteny tsy hay, raha tsy hoe adikany ilay teny mbô hampandroso ny fiangonana.6 Ô raôlona! Ankahitrio, raha mandeha aminareo izaho ka mitarea amin’ny fiteny tsy hay dia ino ma ny tombontsoa azonareo, raha ôhatra ka tsisy fagnambarana, na fahaizana, na faminaniana, na fampianarana, ny raha taraviko aminareo? 7 Dia sahala amin’izany koa, ny raha magneno tsy managna aigna sahala amin’ny sodina, na lokanga: na dia magneno aza izy, raha tsy mazava sady miavaka tsara ny feon-kira avoakany, dia manakôry ny hamantarana ny feo avoakan’ny sodina sy ny lokanga? 8 Mbô hisy ôlona hiomagna hiady ma raha tsy mazava tsara ny fagnenon’ny trompetra? 9 Dia sahala amin’izany koa ianareo, raha tsy mazava ny tarea taravinareo, hataon’ny ôlona manakôry ma no hahazo an’izany raha taravinareo amin’ny fiteny tsy hay izany? Dia miresaka amin’ny rivotra akeo ianareo. 10 Marina fa isan-karazagny ny fiteny aketo amin’izao tontolo izao ary samby managna ny heviny dahôlo ireo. 11 Araka izany, raha tsy haiko ny hevitry ny raha taravin’ny ôlona mikoragna aminahy, dia manjary tsy mahay anahy ilay ôlona mikoragna aminahy ary izaho koa tsy mahay ananjy. 12 Irinareo mafy mbôka ny hanagna fagnamezana avy amin’ny Fagnahy, dia sahala amin’izany koa, karaho mafy izay tegna mampandroso ny mpino dahôlo akao amin’ny Fiangonana.
13 Araka izany, izay mitarea amin’ny fitaravana tsy hay dia alay izy mbô hivavaka ka hahay handika izay raha taraviny. 14 Fa raha mivavaka amin’ny fiteny tsy hay izaho dia ny fagnahiko foagna no mivavaka fa ny saignako tsisy vokatra azony. 15 Dia ino ma izany no hataoko? Sady hivavaka amin’ny Fagnahy izany izaho no hivavaka amin’ny saignako; sady hihira amin’ny Fagnahy koa izaho no hihira amin’ny saignako. 16 Raha magnano fisaorana amin’ny Fagnahy foagna ianao, dia hanakôry ma izany no hamalian’ny ôlona miangona akeo hoe ‘Amena’ amin’ny vavaka fisaorana nataonao, nefa tsy fantanjareo avy izay raha notaravinao? 17 Marina fa tegna tsara ny vavaka fisaorana nataonao fa tsy mampandroso ny finoan’ny hafa avy izany.
18 Isaorako Andriamagnitra satria mahay mitarea amin’ny fiteny tsy hay mandombolombo anareo dahôlo izaho. 19 Kanefa rehefa aigny am-piangonana, dia aleoko mitarea teny dimy mazava amin’ny saignako mbô hampianarako ny hafa toy izay mitarea teny iray alina amin’ny fiteny tsy hay.
20 Ô raôlona! Rehefa mandinika dia aza mbô sain-jaza! Fa amin’ny raha tsy manjary, dia magnanaova sahala amin’ny zaza ary rehefa misaigna mbô magnanaova matotra. 21 Araka ny Soratra Masina hoe:
“Amin’ny fiteny hafa
sy amin’ny vavan’ny ôlona hafa
no hitaravako amin’ireto vahoaka ireto
kanefa na dia izany ary mbôla tsy hitaino Anahy foagna zareo,
hozy NY TÔMPO” (Isa 28.11-12).
22 Ka ny fiteny tsy hay dia raha hamantarana ho an’ny ôlona tsy mino fa tsy ho an’ny ôlona mino; fa ny faminagniana indray dia ho an’ny ôlona mino fa tsy ho an’ny ôlona tsy mino. 23 Raha ôhatra ka tafavory dahôlo ny fiangonana dia samby hitarea amin’ny fiteny tsy hay, ary misy ôlona tsotra avy aigny am-belagny na tsy mino avy avy aigny, ka tsy lazainjareo kara ôlona adala ma ianareo amin’izany? 24 Kanefa raha samby maminany indray ianareo dahôlo ka misy ôlona tsotra avy aigny am-belagny na ôlona tsy mino avy avy aigny dia ho resy lahatra izy sady hotsarain’ny teninareo. 25 Habaribary ny raha misitrika am-pony takao ka hiandongalitra sy hiankohotra izy ary hivavaka amin’Andriamagnitra sady hitarea hoe: Taketo aminareo marina Andriamagnitra.
Ny fandaminana akao amin’ny fiangonana
26 Ô raôlona! Ino ma izany ny raha hatao? Rehefa miangona ianareo dia misy managna hira, misy managna fampianarana, misy managna fagnambarana, misy managna hafatra amin’ny fiteny tsy hay, misy managna fahaizana mandika teny koa. Alay mbô ho fampandrosoana ny fiangonana ny raha dahôlo ataonareo. 27 Raha misy mitarea amin’ny fiteny tsy hay dia alay mbô ho ôlona roay na telo no mifandimby mitarea ary alay mbô hisy ôlona iraika handika teny. 28 Kanefa raha tsisy mpandika teny, dia alay hangina dahôlo zareo am-piangonana akao ka samby mitarea mangingina amin’Andriamagnitra. 29 Mpagnazary roay na telo foagnany no mitarea fa ny ambiny mitsara an’izay raha taraviny. 30 Fa raha misy ôlona nahazo fagnambarana dia alay malôha hangina ilay mpagnazary nitarea voalôhany. 31 Manjary mifandimby maminany dahôlo ianareo mbôry izay samby hahazo fampianarana sy fampaherezana. 32 Akeo ambany fahefan’ny mpagnazary ny fagnahin’ny mpagnazary. 33 Andriamagnitra mbôka tsy Andriamagnitry ny fisavoritahana fa Andriamagnitry ny fiadanana.
Araka ny raha fataon’ny fiangonan’ny ôlona masina dahôlo, 34 dia alay ny vehivavy hangina rehefa am-piangonana satria tsy mahazo mitarea zareo, fa hagneky tsara araka ny raha voalazan’ny Lalàna. 35 Raha misy raha tiany ianarana, dia alay izy hagnontany ny vadiny rehefa aigny an-dragno; fa mahamegnatra mbôka raha mitarea am-piangonana ny vehivavy. 36 Avy taminareo ma izany no nipoiran’ny tenin’Andriamagnitra? Sa ianareo irerika ihany no nahazo ananjy?
37 Raha misy ôlona mihevitra ny tegnany hoe mpagnazary na hoe nahazo fagnamezana avy tamin’ny Fagnahy, dia alay ho fantany tsara fa baikon’ny Tômpo ity soratako aminareo ity. 38 Fa raha misy ôlona tsy magnahoa, dia tsy ahoan’ny Tômpo koa izy.