Ny fitiavana
13
Na dia mitarea amin’ny fitenin’ny ôlona sy ny fitenin’ny anjely ary izaho, kanefa tsy managna fitiavana dia manjary sahala amin’ny feona amponga varahigna sy kipantsona mikarantsagna mafy. 2 Na dia managna faminaniana ary izaho ka mahay ny raha misitrika dahôlo sady tegna tapi-pahaizana, ary na dia managna ny finoana ampy hamindrana tampon-tanety, kanefa raha tsy managna fitiavana izaho dia tsisy varany. 3 Na dia zaraiko amin’ny ôlona sahirana ary ny raha dahôlo anagnako ary na dia atolotro ho doroana ary ny vatantegnako, kanefa raha tsy managna fitiavana izaho dia tsisy tombontsoako avy izany.4 Ny fitiavana dia mahadigny, tsotra; ny fitiavana tsy mialona, tsy misekoseko, tsy miendaenda, 5 tsy magnano raha magnala baraka, tsy mikaraka izay mahasoa ananjy irerika, tsy mora sosy, tsy mitàna alahelo. 6 Ny fitiavana dia tsy mifaly amin’ny tsy rariny fa kosany miaraka mifaly amin’ny fahamarinana, 7 mahalefitra ny raha dahôlo, mino ny raha dahôlo, magnantegna ny raha dahôlo, mahatôzo ny raha dahôlo.
8 Ny fitiavana dia tsy ho roba mihitsy. Raha ny faminagniana dia ho hisy fiafarany; ny fiteny tsy hay lagny dia tsy hitohy intsony; ny fahaizana dia ho foagnana. 9 Fa tsy feno ny fahaizantsikany ary tsy feno ny faminaniantsikany; 10 fa rehefa tonga ny fahatanterahana dia tsy ho hisy intsony ny raha tsy feno. 11 Tamin’izaho mbôla kely, dia nitarea sahala amin’ny zaza, nieritreritra sahala amin’ny zaza, nisaigna sahala amin’ny zaza. Rehefa geda izaho dia tapitra ny fahazazana. 12 Fa ankahitrio atsika mijery amin’ny fitaratra ka tsy dia mahita tsara an’izay tegna izy; fa ho avy ny fotoana ahitantsika mivantagna. Ankahitrio dia tsy feno ny fahaizako; fa ho avy ny fotoana dia ho haiko tsara sahala amin’ny ahaizana tanteraka anahy.
13 Ary ankahitrio dia ireto telo ireto no sisa tavela: Ny finoana, ny fagnantegnana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no farany mavesa-danja amin’ireo.