Ny amin’ny fagnamezam-pahasoavana isan-karazagny
12
Ô raôlona! Tiako ho hainareo, ny mahakasika ny raha ara-pagnahy nosoratanareo. 2 Hainareo fa tamin’ny ianareo mbôla Jentilisa, dia nitaomina sy nindesina nanompo andriamagnitra moagna. 3 Araka izany, mampahafantatra anareo izaho fa tsisy ôlona ampitaravan’ny Fagnahin’Andriamagnitra ka hahavita hitarea hoe: Voaozogna i Jesoa. Ary tsisy mahay mitarea hoe: Jesoa no Tômpo, raha tsy avy amin’ny Fagnahy Masina.4 Misy isan-karazagny ny fagnamezam-pahasoavana, nefa Fagnahy iraika foagnany no magnome ananjy. 5 Misy isan-karazagny ny fanompoana, nefa ny Tômpo iraika foagna. 6 Misy isan-karazagny ny asa, nefa Andriamagnitra iraika foagna, Izay magname hakingana ny ôlona tsiraikaraika amin’ny raha dahôlo.
7 Ary ny ôlona tsiraikaraika dia samby namena ny fagnamezam-pahasoavana hagnaboagna ny Fagnahy mbô hahasoa ny ôlona dahôlo. 8 Ny iraika namen’ny Fagnahy teny fahendrena, ary ny iraika dia namen’izany Fagnahy izany teny fahaizana; 9 ny iraika nameny finoana, ny iraika dia namen’izany Fagnahy izany fagnamezam-pahasoavana magnasitragna; 10 ny iraika fahefana magnano raha mahagaga, ny iraika fahaizana magnazary, ny iraika fahaizana mamantatra fagnahy isan-karazany, ny iraika fahaizana mitarea amin’ny teny tsy fantatra isan-karazagny, ary ny iraika fahaizana mandika teny. 11 Ireo raha dahôlo ireo dia vokatry ny Fagnahy iraika ka mizarazara amin’ny ôlona tsiraikaraika araka ny sitrapony.
Vatagna iraika, taova betsaka
12 Fa ny Vatagna dia iraika foagnany, nefa betsaka ny taova; ary na dia betsaka ary ireo taova ireo, dia vatagna iraika foagnany; sahala amin’izany koa Kristy. 13 Fagnahy iraika foagnany mbôka no nagnanaovana batisa atsika dahôlo ho vatagna iraika, na ny Jiosy io na ny Jentilisa, na ny andevo na ny ôlona afaka; ary atsika dahôlo dia efa nampisotroina fagnahy iraika.
14 Nefa ny taova dia tsy iraika fa betsaka. 15 Raha ny tongotra hitarea hoe: Satria tsy tagnana izaho dia tsy isan’ny vatagna, dia tsy isan’ny vatagna ma izany izy amin’izany? 16 Ary raha ny sofigna no hitarea hoe: Satria tsy maso izaho dia tsy isan’ny vatagna, ka dia tsy isan’ny vatagna ma izany izy amin’izany?
17 Raha maso dahôlo ny vatagna iray manontolo, dia manakôry no handregnesana? Ary raha sofigna dahôlo ny vatagna iray manontolo, dia manakôry ny hirofana raha? 18 Fa Andriamagnitra efa nametraka ny taova tsiraikaraika amin’ny vatagna araka ny sitrapony. 19 Raha tsisy afa-tsy taova iraika izy iray manontolo, dia mbôla vatagna ihany ma izy amin’izany? 20 Betsaka mbôka ny taova, nefa ny vatagna dia iraika foagnany.
21 Ny maso tsy afaka hitarea amin’ny tagnana hoe: Tsisy raha ilaivako anao; ny lôha koa, tsy afaka mitarea amin’ny tongotra hoe: tsisy raha ilaivako anao. 22 Fa mery ilaintsika ary ny taova izay heverina fa malemy noho ny hafa. 23 Ary ny taova izay heverintsika fa kely voninahitra dia amena voninahitra be; ary izay taova tsy faseho masoandro no tegna kolokolointsika. 24 Izay taova efa misy haja dia tsy mila an’izany. Tamin’ny nagnamboaran’Andriamagnitra ny vatantsika mbôka dia izay kely voninahitra no namena voninahitra betsaka, 25 mbôry izay tsy hisy fisaratsarahana amin’ny vatagna, fa mbô hifagnahoa ny taova tsiraikaraika. 26 Raha mijaly ny taova iraika, dia miaraka mijaly aminanjy dahôlo ny taova; raha amem-boninahitra ny taova iraika, dia miaraka mifaly aminanjy dahôlo ny taova.
27 Ianareo no vatagn’i Kristy, ary ianareo tsiraikaraika dia samby mandrafitra ny vatagna iray manontolo araka izay mifagnandrify anareo. 28 Izao no fomba nanendren’Andriamagnitra ny ôlona akao amin’ny fiangonana: Voalôhany, apostoly; faharoay, mpagnazary; fahatelo, mpampianatra; magnarak’izany, dia akao koa ny nahazo fagnamezam-pahasoavana hagnano raha mahagaga, hagnasitragna, hagnampy ôlona, hahay hitondra ôlona, hitarea amin’ny teny tsy fantatra isan-karazany. 29 Angaha ma apostoly zareo dahôlo? Angaha ma mpagnazary zareo dahôlo? Angaha ma mpampianatra zareo dahôlo? Angaha ma magnano raha mahagaga zareo dahôlo? 30 Angaha ma magnana fagnamezam-pahasoavana hagnasitragnana zareo dahôlo? Angaha ma mitarea amin’ny fiteny tsy fantatra zareo dahôlo? Angaha ma mandika teny zareo dahôlo? 31 Magniria ny fagnamezam-pahasoavana farany tsara.
Ity misy fomba fiaignana tegna tsara izay atoroko anareo.