11
Tahafo izaho sahala amin’ny hanahafako an’i Kristy.
Ny lehilahy sy ny vehivavy agnatrehan’Andriamagnitra
2 Dokafako ianareo satria tsarôvanareo izaho amin’ny raha dahôlo ary tànanareo mafy koa ny fampianarana nameko, sahala amin’ilay nagnamezako anareo.
3 Kanefa tiako ho hainareo fa Kristy no lôhan’ny lehilahy dahôlo; ary ny lehilahy no lôhan’ny vehivavy; ary Andriamagnitra no lôhan’i Kristy. 4 Ny lehilahy, rehefa mivavaka na maminany ka magnano saron-dôha, dia magnala baraka an’i Kristy. 5 Fa ny vehivavy indray, rehefa mivavaka na maminany ka tsy misaron-dôha, dia magnala baraka ny vadiny satria sahala amin’ny nokakasana ny lôhany. 6 Fa raha tsy misaron-dôha ny vehivavy, dia magnino ma raha tapahiny koa ny volony? Fa raha mahamegnatra ny vehivavy ny hibory volo na ny hokakasana, dia tokony hisaron-dôha izy. 7 Tsy tokony misaron-dôha ny lehilahy satria izy no endrika sy voninahitr’Andriamagnitra; fa ny vehivavy kosany no voninahitry ny lehilahy. 8 Tsy ny vehivavy no nihavian’ny lehilahy voalôhany; fa ny lehilahy no nihavian’ny vehivavy voalôhany. 9 Fa tsy nohariana ho an’ny vehivavy ny lehilahy voalôhany, fa ny vehivavy voalôhany no nohariana ho an’ny lehilahy. 10 Izany no nampatonga ny vehivavy hitondra ny mariky ny fahefana amin’ny lôhany noho ny avy amin’ny anjely. 11 Kanefa akao amin’ny Tômpo dia tsisy vehivavy raha tsisy lehilahy, ary tsisy lehilahy raha tsisy vehivavy. 12 Fa sahala amin’ny nihavian’ny vehivavy voalôhany avy tamin’ny lehilahy, dia ôhatra an’izany koa, nateraky ny vehivavy ny lehilahy; fa Andriamagnitra kosany no nihavian’ny raha dahôlo.
13 Dinihinareo tsara ma: Manjary amin’ny vehivavy ma ny mivavaka amin’Andriamagnitra kanefa tsy misaron-dôha? 14 Tsy efa mahazatra ny ôlona ma fa hegnatra izany lehilahy lava volo izany? 15 Raha lava volo indray ny vehivavy, dia voninahitra ho ananjy izany satria ny volony no namena ananjy ho solona saron-dôha. 16 Raha misy ôlona te hifamatra, dia tsy fombantsika izany ary tsy fomban’ny fiangonan’Andriamagnitra koa.
Ny fanasan’ny Tômpo
17 Ary raha manolotra an’izao anatra izao izaho, dia tsy mandoka anareo avy satria rehefa mivory ianareo dia tsy mihamandroso fa mihamihemotra. 18 Voalôhany malôha, raha mivory ianareo dia regniko fa misy tsy fifankazahoana aminareo; ary mbô inoako kely ihany izany raha izany. 19 Fa tsy maintsy misy tsy fifankahazoana aminareo mbô ho hita aminareo izay ôlona mahazaka fitsapan-toetra. 20 Araka izany, rehefa mivory ianareo, dia tsy hiaraka homana ny fanasan’ny Tômpo avy ny raha ataonareo. 21 Rehefa homana mbôka ianareo dia samby homana ny haniny; ka ny sanagny matin-tsilaona ary ny sanagny mamo. 22 Angaha ma ianareo tsy managna tragno hihinanana sy hisotroana? Angaha ma ataonareo fa tsisy dikany ny fiangonan’Andriamagnitra ka alànareo baraka ny tsy managna? Ino ny raha tokony taraviko aminareo? Handoka anareo izaho? Izaho indray dia tsy handoka anareo amin’izany raha izany.
23 Izao mbôka ny raha noraisiko tamin’ny Tômpo ka natolotro anareo: Tamin’ilay alina namadihana ananjy ny Tômpo Jesoa, dia nandray ny mofo. 24 Nisaotra an’Andriamagnitra Izy dia novakivakiany ny mofo, ka hozy: Ity ny vatako izay amena anareo. Ataovy ho fahatsiarovana Anahy izao raha izao. 25 Dia sahala amin’izany koa, rehefa avy nihinina, dia noraisiny ny kapoaka ka hozy: Ity kapoaka ity no fagnekena vaovao amin’ny rako. Ataovy izao ho fahatsiarovana anahy isaky ny misotro ianareo. 26 Isaky ny homana ireto mofo ireto ianareo sy misotro amin’ny kapoaka, dia magnambara ny fahafatesan’ny Tômpo ianareo mandra-piveregnany.
27 Araka izany, izay ôlona homana ny mofo sy misotro amin’ny kapoakan’ny Tômpo amin’ny fagnahy tsy manjary, dia ho meloka amin’ny vatantegna sy ny ran’ny Tômpo izy. 28 Sambia mandini-tegna alôhan’ny hihinanana ny mofo sy hisotroana amin’ny kapoaka. 29 Fa izay ôlona homana sy misotro kanefa tsy mamantatra ny lanjan’ny tegnan’ny Tompo dia homana sy misotro fagnamelohana ho an’ny tegnany. 30 Araka izany betsaka ny osa sy marary aminareo ary misy koa no efa maty. 31 Fa tsy hotsaraina atsika raha mbô mandini-tegna. 32 Kanefa amin’ny fitsarany dia magnitsy antsika ny Tômpo mbôry izay tsy ho voaheloka miaraka amin’izao tontolo izao atsika.
33 Araka izany raôlona, raha mivory hihinana ny fanasan’ny Tômpo ianareo dia mifandignesa. 34 Raha misy ôlona noana, alay malôha izy hihinana an-dragnony, mbô tsy hahameloka anareo rehefa mivory.
Ary ny mahakasika ny fagnontaniana hafa dia halamiko rehefa tonga aigny aminareo izaho.