Ny Isiraely taigny ankodahoda: Anatra ho antsika
10
Ô raôlona! Tiako ho tsarovanareo fa ny razantsika dia nandeha tambanin’ny rôndro zareo dahôlo ary namakivaky ny ranomasina zareo dahôlo. 2 Samby vita batisa tagnatin’ny rôndro sy ny ranomasina zareo dahôlo, ary izany no nampitambatra anjareo tamin’i Mosesy. 3 Nitovy ny ahanina ara-pagnahy nohaninjareo dahôlo. 4 Nitovy ny fisotro ara-pagnahy nosotroinjareo dahôlo satria tamin’ny vatolampy ara-pagnahy izay nagnaraka anjareo no nisotroanjareo dahôlo, ary Kristy izany vatolampy izany. 5 Tsy sitrak’Andriamagnitra anefa ny ankamaroanjareo ka ripaka taigny ankodahoda taigny.6 Ka izany raha izany dia nanjary anatra ho antsika, mbô tsy hitsiriritra raha ratsy sahala aminjareo koa atsika. 7 Aza manompo andriamagnitra tsy izy sahala amin’ny sanagny taminjareo iregny ianareo, araka ny voasoratra hoe: “Nientotra hihinana sy hisotro ny ôlona dia nitsangana handihy” (Eks 32.6). 8 Aza magnano halangana sahala amin’ny sanagny taminjareo atsika, ka telo arivo sy roa alina no ripaka indray andro. 9 Aza mitsapa fagnahy ny Tômpo atsika, sahala amin’ny nataon’ny sanagny taminjareo, ka nampatonga ny anjareo matin’ny bibilava. 10 Aza mimenomenona sahala amin’ny sanagny taminjareo izay matin’ny mpandripaka. 11 Nahazo anjareo izany raha dahôlo izany mbô ho anatra, sady voasoratra koa mbô ho fagnanarana antsika izay miaigna amin’izao andro farany izao. 12 Araka izany, izay mihevi-tegna fa mitsangana dia mitandrema sandray lavo.
13 Tsisy fitsapam-pagnahy tonga aminareo afa-tsy izay mpahazo ny ôlombelona; nefa atokisana Andriamagnitra ka tsy hamela anareo tsapaina fagnahy mihoatra an’izay zakanareo; fa amin’ny fotoana fitsapam-pagnahy dia hameny anareo ny fomba hialana amin’izany mbô hahavitanareo miatrika.
Tsisy fiombonana amin’ny demonia
14 Ka izao, ry havako tiako, ialao lavitra ny fanompoana andriamagnitra tsy izy. 15 Ôlona misaigna no itaravako ka diniho izay raha koragniko. 16 Angaha ma tsy fiombonana amin’ny ran’i Kristy ny kapoaka fisaorana izay isaorantsika? Angaha ma tsy fiombonana amin’ny aignan’i Kristy ny mofo izay zaraintsika? 17 Iraika ny mofo, aigna iraika atsika na dia betsaka ary fa atsika dahôlo dia samby mihinana amin’izany mofo iraika izany. 18 Jerevo ma ny vahoakan’ny Israely: Angaha ma tsy mpiombona amin’ny alitara izay ôlona homana ny sorogna?
19 Ino ma izany ny raha hotaraviko? Misy dikany ma izany ny hena nagnanaovana jôro amin’andriamagnitra tsy izy? Angaha ma misy dikany ny andriamagnitra tsy izy? 20 Ahaa, Tsisy dikany avy. Izay raha natao sorogna ho an’andriamagnitra tsy izy, dia aterina amin’ny demonia, fa tsy amin’Andriamagnitra (Deo 32.17); fa tsy tiako ho mpiombona amin’ny demonia ianareo. 21 Tsy manjary raha sady hisotro amin’ny kapoaky ny Tômpo ianareo no sady hisotro amin’ny kapoaky ny demonia; tsy manjary raha sady homana amin’ny latabatry ny Tômpo ianareo no sady homana amin’ny latabatry ny demonia. 22 Mitsikotra ny hasarotampiaron’ny Tômpo ny raha ataontsika. Kanefa atsika tsy matanjaka noho izy avy.
Ataovo ho voninahitr’Andriamagnitra ny raha dahôlo
23 Azo atao ny raha dahôlo, kanefa tsy ny raha dahôlo no mahasoa; azo atao ny raha dahôlo, kanefa tsy ny raha dahôlo no mampandroso. 24 Alay mbô tsisy ôlona hikaraka an’izay hahasoa ananjy irerika fa izay mbô hahasoa ny ôlon-kafa.
25 Hohano dahôlo izay hena amidy aigny an-tsena, fa aza magnontany noho ny feon’ny fieritreretana; 26 fa “an’NY TÔMPO ny tany sy ny raha dahôlo akeo aminanjy” (Sal 24.1). 27 Raha misy ôlona tsy mino magnantso anareo hihinana, ka te handeha ianareo dia hohano izay raha dahôlo arosony aminareo fa aza magnadina noho ny feon’ny fieritreretana. 28 Kanefa raha misy mitarea aminareo hoe: Hena avy nijoroana io! Dia aza homana noho ny amin’ilay ôlona nitarea sy noho ny feon’ny fieritreretana. 29 Feon’ny fieritreretana hozy izaho, tsy ny anao fa ny an’ilay ôlona. Magnino ma ny fahafahako no dia tsarain’ny fieritreretan’ny ôlon-kafa? 30 Raha amin’ny fisaorana no handrambesako an’izany, dia magnino ma izaho no haratsiana amin’izay hagnanaovako fisaorana?
31 Araka izany, na homana na misotro ianareo, na ino na ino ataonareo, dia ataovy ho voninahitr’Andriamagnitra izany raha dahôlo izany. 32 Aza magnano izay raha handavo ny Jiosy na ny Jentilisa na ny fiangonan’Andriamagnitra, 33 dia ôhatra anahy koa magnano izay hahafaly ny ôlona dahôlo amin’ny raha dahôlo ka tsy mikaraka ny mahasoa anahy, fa ny mahasoa ny ôlona betsaka be mbô hovonjena zareo.