Mandefitra amin’ny zo tokony ho azony i Paoly
9
Ôlona afaka kony izaho e! Apostoly izaho. Efa nahita an’i Jesoa Tômpontsika izaho. Vokatry ny asako akao amin’ny Tômpo ianareo. 2 Raha tsy apostoly ho an’ny sanagny ary izaho, dia apostoly ho anareo tokoatrany; fa ianareo ny fitomboka maha apostoly anahy akao amin’ny Tômpo.3 Izao no hamaliako an’izay mitsaratsara anahy. 4 Angaha ma tsy manjary mihinana sy misotro izahay? 5 Angaha ma tsy manjary mitondra vady kristiana izahay, sahala amin’ny apostoly sanagny sy ny mpirahalahy amin’ny Tômpo ary i Kefasy? 6 Sa izaho sy i Barnabasy foagna no tsy maintsy miasa mbô hahazo raha hohanina? 7 Angaha ma misy miaramila mandeha manafika ka mianto-tegna? Angaha ma misy mpamboly voaloboka ka tsy homana ny vokatry ny raha namboleny? Angaha ma misy mpiambina ondry sy osy ka tsy misotro ny rononon’ny raha iambesany?
8 Amin’ny maha ôlombelona anahy ma no hitaravako an’izany? Angaha ma tsy milaza an’izany koa ny lalàna? 9 Fa voasoratra amin’ny lalàn’i Mosesy hoe: “Aza magnakombogna ny vavana aomby magnosy” (Deo 25.4). Karakarain’Andriamagnitra ma ny aomby? 10 Sa izahay mihitsy no nagnanaovana an’izany teny izany? Ieny, izahay mihitsy no nanoratana an’izany satria izay miasa tany dia hiasa amin’ny fagnantegnana, ary izay magnosy dia tokony hagnosy amin’ny fagnantegnana fa hahazo anjara. 11 Raha namafy izay zava-pagnahy ho anareo izahay dia tsy tokony mbô mahazo anjara amin’izay fanagnanareo kosany?
12 Raha ny ôlon-kafa ary mbô managna an’izany fahefana izany aminareo, mintsaka ma fa izahay? Kanefa tsy nanampatra an’izany fahefana izany izahay, fa mihafy amin’ny raha dahôlo, mbô tsy hanakana ny Tarea Maharavon’i Kristy.
13 Angaha ma tsy hainareo fa izay manompo amin’ny raha masina dia homana ny rahan’ny Tempoly, ary izay manompo amin’ny alitara dia mahazo anjara amin’izay raha natao sorogna tamin’ny alitara? 14 Dia sahala amin’izany koa no nandidian’ny Tômpo, fa izay mitory ny Tarea Maharavo dia mivelona amin’ny Tarea Maharavo.
15 Kanefa tsy nahazatra anahy ny nitaky an’izany na dia kely ary; tsy hoe manoratra an’izany izaho mbô hagnanaovana an’izany aminahy; fa aleoko maty toy izay hisy hagnafoagna ny reharehako. 16 Fa raha mitory ny Tarea Maharavo izaho, dia tsisy ho reharehako amin’izany satria tsy maintsy magnatanteraka an’izany izaho; fa ho azon-draha izaho, raha tsy mitory ny Tarea Maharavo! 17 Raha sitrapoko no nagnanaovako an’izany, dia mahazo valisoa izaho; fa raha tsy ny sitrapoko, dia andraikitra namen’Andriamagnitra anahy izany. 18 Ino ma ny valisoa azoko? Dia izao: Ataoko maimaim-poagna ny fitoriana Tarea Maharavo mbô tsy hagnamparako ny fahefako amin’ny Tarea Maharavo.
Nagneky ho gaognan’ôlona dahôlo i Paoly
19 Na dia tsy andevon’ny ôlona ary izaho dia nagnano gaognan’ny ôlona dahôlo mbô hahazoako ôlona betsaka. 20 Tamin’ny jiosy, dia nagnano ôhatry ny jiosy izaho, mbô hahazoako ny jiosy; tamin’izay ambanin’ny lalàna dia lasa ôhatra ny ambanin’ny lalàna izaho, na dia tsy ambanin’ny lalàna ary, mbô hahazoako izay ambanin’ny lalàna; 21 tamin’izay tsy managna lalàna, dia sahalan’izay tsy managna lalàna izaho mbô hahazoako izay tsy managna lalàna, kanefa tsy mbô ôlona tsy managna ny lalàna amin’Andriamagnitra izaho, fa ambanin’ny lalàn’i Kristy. 22 Tamin’ny malemy dia lasa malemy izaho, mbô hahazoako ny malemy. Nagnaraka volontany izaho mbô hamonjeko ny sanagny. 23 Ataoko izany raha dahôlo izany noho ny Tarea Maharavo mbô hahazoako anjara amin’ny fitahiana avy amin’ny Tarea Maharavo.
Ny fifehezan-tegna ataon’ny mpihazakazaka
24 Angaha ma tsy hainareo fa izay mihazakazaka amin’ny tany fihazakazahana dia samby mihazakazaka dahôlo, nefa iraika foagnany no mahazo ny loka? Mihazakazaha sahala amin’izany koa mbô hahazoanareo loka. 25 Ary ny mpihazakazaka dahôlo dia mahafehy tegna amin’ny raha dahôlo. Kanefa zareo iregny dia mikaraka satroboninahitra manjary lo fa atsika indray dia mikaraka ny tsy mety lo. 26 Fa izaho indray, rehefa mihazakazaka dia tegna misy tanjona ary rehefa mamely topokondry dia tsy magnondry rivotra. 27 Fa folahiko mafy ny tegnako ary ho feheziko sandray na dia efa nitory tamin’ny sanagny àry izaho, dia tsy tafakatra.