Ny momba ny hena izay nagnanaovana jôro
8
Raha ny momba ny hena nagnanaovana jôro amin’ny andriamagnitra tsy izy, dia fantatsikany fa managna fahaizana atsika dahôlo. Ny fahaizana dia mampatonga ny ôlona miendaenda; fa ny fitiavana no mampandroso. 2 Raha misy ôlona mihevitra fa mahay raha, dia mbôla tsy mahay an’izay raha tokony ho fantany avy izy. 3 Raha misy ôlona tia an’Andriamagnitra, dia hain’Andriamagnitra izy. 4 Ary ny momba ny fihinanana hena nagnanaovana jôro amin’ny andriamagnitra tsy izy, dia haintsika fa tsisy andriamagnitra tsy izy amin’izao tontolo izao, ary tsisy Andriamagnitra afa-tsy tokana foagnany. 5 Na dia misy ma izany ny raha lazaina fa andriamagnitra, na aigny an-dagnitra, na aketo ambonin’ny tany, izay mampatonga andriamagnitra betsaka sy tômpo betsaka. 6 Amintsikany kosany indray dia tokana foagnany Andriamagnitra; dia ny Ray, izay nihavian’ny raha dahôlo, ary Izy no antony hahavelomantsika. Tokana foagna ny Tômpo, dia Jesoa Kristy. Avy Aminanjy no nampisy ny raha dahôlo sy nahavelona atsika. 7 Kanefa tsy managna an’izany fahaizana izany dahôlo ôlona. Misy ôlona mbôka efa zatra niaraka tamin’ny andriamagnitra tsy izy, ka mandraka ity nigniany rehefa homana hena izy dia heveriny fa hena avy nagnanaovana joro no nohaniny ka voaloto ny feon’ny fieritreretany satria malemy. 8 Tsy ny raha hohanina no hampifagnakaiky antsika amin’Andriamagnitra; na dia tsy homana ary atsika, dia tsy maty antoka, ary na dia homana ary atsika, dia tsy mahazo tombony.
9 Tandremo nefa sandray handavo ny malemy izany fahafahanareo izany. 10 Raha ianao manam-pahalalana no hitan’ny ôlona malemy miantotra homana amin’ny tany fagnompoana andriamagnitra tsy izy, ka tsy hitarika ny malemy hihinanana hena avy nijoroana ma ianao amin’izany? 11 Araka izany, ho very noho ny fahalalanao ny malemy, dia ny rahalahy izay navotan’i Kristy tamin’ny fahafatesany? 12 Raha manota ôhatra izany amin’ny rahalahy ianareo ka mandratra ny fieritreretan’ny malemy, dia manota amin’i Kristy ianareo. 13 Araka izany, raha ny hanina no mampatonga ny mpirahalahy aminahy hanota, dia alaiko foagna izaho tsy hihinan-kena mandrakizay, sandray handavo ny mpirahalahy aminahy izany.