Ny fanambadena
7
Mahakasika ny raha nosoratanareo, dia tsara amin’ny lehilahy raha tsy mikasika vehivavy. 2 Kanefa indray ma noho ny halangana dia alay ny lehilahy dahôlo samby hanagna ny vadiny, ary alay koa ny vehivavy dahôlo samby hanagna ny vadiny. 3 Alay ny lehilahy hagnano ny raha tokony atao amin’ny vehivavy; dia sahala amin’izany koa ny raha tokony ataon’ny vehivavy amin’ny lehilahy. 4 Ny vehivavy dia tsy managna fahefana amin’ny vatantegnany, fa ny vadiny ihany; dia sahala amin’izany koa, ny lehilahy dia tsy managna fahefana amin’ny vatantegnany, fa ny vadiny ihany. 5 Tsy tokony hisara-pandrena amin’ny vadinareo ianareo, raha tsy amin’ny fotoana sagnany nifagnarahanareo hivavahana, kanefa afaran’izany dia miraisa fandrena indray ianareo, mbô tsy hitsapan’ny Satana fagnahy anareo noho ny tsy fahadignesanareo. 6 Tsy baiko izany raha taraviko aminareo izany fa fandeferana. 7 Tiako mbôka raha mitovy aminahy ny ôlona dahôlo; kanefa dia samby managna izay fagnamezam-pahasoavana namen’Andriamagnitra ananjy avy ny ôlona tsiraikaraika, ny an’ny sanagny ôhatra an’izao, ary ny an’ny hafa sahala amin’izao.8 Izao ny raha taraviko amin’ny mpitovo sy ny maty vady: Tsaratsara aminjareo raha mijanona mitovy aminahy. 9 Nefa ma raha tsy mahadigny izy, dia avilay hanambady; fa tsara ny manambady noho ny maimay.
10 Izao ny raha taraviko aminareo manambady, kanefa tsy izaho ma izany no mibaiko anareo fa ny Tômpo: Aza misaraka amin’ny vadinareo ianareo vehivavy, 11 fa raha misy ôlona misaraka, dia na izy mijanona tsy manambady, na izy miverigna amin’ny vadiny; ary aza mba magnary vady ianareo lehilahy.
12 Fa hozy izaho fa tsy ny Tômpo, amin’ny ôlonkafa avelan’ireo: Raha misy rahalahy manambady tsy mpino, ka magnaiky mijanona aminanjy ihany ilay vehivavy, dia aza arena izy. 13 Sahala amin’izany koa raha misy vehivavy manambady tsy mpino, ka magnaiky ny hijanonan’ilay vehivavy ilay lehilahy, dia aza isarahana izy. 14 Ny lehilahy tsy mpino mbôka dia efa masina akao amin’ny vadiny mpino ary ny vehivavy tsy mpino dia efa masina akao amin’ny vadiny mpino; raha tsy izany, dia tsy madio ny zanakareo, kanefa avy amin’izany raha izany dia masina zareo. 15 Raha ny tsy mpino no te hisaraka dia avilay faty aigny. Raha izay no zava-misy, dia tsisy raha mamatotra an’ilay mpino; Andriamagnitra efa nagnantso anareo amin’ny fihavanana. 16 Ô vehivavy ity! Aiza ma ny hahafantaranao, na ho voavonjinao ny fanambadenao na tsy ho voavonjinao? Ô r’Ingahy! Aiza ma ny hahafantaranao na ho voavonjinao ny fanambadenao na tsy ho voavonjinao?
Mandeha araka izay nagnantsovan’Andriamagnitra
17 Ankoatra an’izany, avilay ny ôlona samby handeha amin’izay anjara namen’ny Tômpo ananjy, araka ny nagnantsôvan’Andriamagnitra anjareo tsiraikaraika. Izany no didy apetrako amin’ny fiangonana dahôlo. 18 Voafora ma ianao tamin’ny ianao nantsovin’Andriamagnitra? Mijanona voafora. Tsy voafora ma ianao tamin’ny ianao nantsovin’Andriamagnitra? Tsy mila forana avy ianao. 19 Fa tsisy varany na voafora na tsy voafora; fa ny mankatôritra ny didin’Andriamagnitra no tegna mety. 20 Avilay ny ôlona dahôlo samby hijanona amin’izay toerana nagnantsovana ananjy. 21 Gaognan’ny ôlona ma ianao tamin’ny ianao natsovina? Aza atao mampagnino anao avy izany; kanefa raha misy hahafahanao miala dia araraoty. 22 Fa ny andevo voaantso akao amin’ny Tômpo dia ôlona afaka an’ny Tômpo; sahala amin’izany koa, ny ôlona afaka izay vôaantso dia gaognan’i Kristy. 23 Fa ôlona voavidy ianareo, ka aza magnaiky hanjary andevon’ny ôlona. 24 Ô raôlona! Avilay ny ôlona dahôlo samby hijanona agnatrehan’Andriamagnitra, amin’izay toerana nagnantsovana ananjy.
Ny ôlona tsy manambady sy ny vehivavy maty vady
25 Ho an’ny tovovavy virijiny, tsy managna didy avy amin’ny Tômpo izaho; fa ameko ny hevitro sahala amin’ny ôlona nahazo famindrampo avy tamin’ny Tômpo ka manjary atokisana. 26 Noho izao fotoan-tsarotra izao, ataoko angamba fa tsara amin’ny ôlona ny mijanona amin’izay toerana misy ananjy. 27 Manambady ma ianao? Aza mikaraka raha hisarahana. Tsy manambady ma ianao? Aza mikaraka vady. 28 Nefa na dia hanambady ary ianao, dia tsy hoe manota avy; ary na dia hanambady ary ny tovovavy virijiny, dia tsy manota avy izy. Kanefa kosany ny ôlona manambady dia hahita fijaliana ka tiako tsy hihatra aminareo izany raha izany.
29 Ô raôlona! Izao ny raha tiako taraviko aminareo: Efa kely sisa ny fotoana. Ka manomboka izao, alay ny manambady mbô hiaigna sahala amin’ny tsy managna; 30 alay ny mitomagny mbô ho sahala amin’ny tsy nitomagny; ny faly ho sahala amin’ny tsy faly; ny mividy mbô ho sahala amin’ny tsy fanagnany avy izay raha novidiny; 31 ary izay mankafy an’izao tontolo izao dia mbô ho sahala amin’ny tsy nankafy an’izany. Tsy haharitra mandrakizay mbôka izao tontolo izao.
32 Tiako mbô tsy hisy raha hampiasa lôha anareo. Izay tsy manambady mbôka dia miasa lôha amin’ny asan’ny Tômpo mbô hahafaly Ananjy. 33 Fa ny lehilahy manambady kosany dia miasa lôha amin’ny rahan’izao fiaignana izao mbô hahafaly ny vadiny. 34 Ary tsy mitovy koa ny vehivavy manambady sy ny tovovavy virijiny. Ny tovovavy virijiny dia miasa lôha amin’ny rahan’ny Tômpo, mbôry izay ho masina dahôlo ny vatagny sy ny fagnahiny. Ny vehivavy manam-bady kosany dia miasa lôha amin’ny rahan’izao fiaignana izao mbô hahafaly ny vadiny. 35 Tsy hoe mamandrika anareo izaho raha mitarea an’izany fa mbô hahatsara anareo; mbôry izay ianareo hagnano izay raha manjary atao sy ho vesoka amin’ny asan’ny Tômpo.
36 Raha misy gaondahy mihevitra fa tsy manjary ny fomba fitondrasany ny fofombadiny; izy anefa magniry mafy hiala-behivavy; tsara aminanjy raha magnano izay raha tiany izy ary avilay zareo hifanambady. Tsy manota avy zareo raha magnano an’izany. 37 Raha misy kosany gaondahy tapa-kevitra tsy noterena ny tsy hanambady ary mahafehy tegna amin’ny fofombadiny dia manjary ny raha ataony. 38 Araka izany, manjary ny raha ataon’izay mampakatra ny fofombadiny; fa mbôla tsara mandombolombo an’izany indray izay tsy mampakatra.
39 Mifamatotra amin’ny vadiny ny vehivavy raha mbôla velona ny lehilahy; raha maty kosany ny vadiny, dia mahazo mifanambady an’izay lehilahy tiany izy fa tsy maintsy lehilahy mpino. 40 Na dia izany ary, mihevitra izaho fa sambatra ny mijanona tsy manambady ary ataoko fa managna ny Fagnahin’ Andriamagnitra koa izaho.