Ny adin’ny samby mpirahalahy
6
Raha misy aminareo tsy mifankahazo amin’ny namany mpino, dia ho sakiny indesina amin’ny fitsarana izay ataon’ny ôlona tsy mpino ma izany raha izany, fa tsy mbô tokony agnatrehan’ny ôlona masina? 2 Angaha ma tsy hainareo fa ny ôlona masina no hitsara an’izao tontolo izao? Raha hitsara an’izao tontolo izao ianareo, dia tsy ho vitanareo ny hitsara ny raha tsisy dikany? 3 Angaha ma tsy hainareo fa hitsara anjely atsika? Dia tsy ho vitantsika ny hitsara ny raha mikasika an’izao fiaignana izao? 4 Araka izany, raha misy tsy fifankahazoana momba an’izao fiaignana izao, dia ôlona tsy agnisan’ny fiangonana ma no hotendrenareo ho mpitsara anareo? 5 Hampamegnatra anareo no hitaravako an’izany. Angaha ma dia efa tsisy ôlona manam-pagnahy na dia iraika mihitsy aminareo akao? Angaha tsisy ôlona afaka mandamina ny tsy fifankahazoana amin’ny samby mpino? 6 Kanefa misy rahalahy mpino tsy mifankahazo amin’ny rahalahy mpino hafa, dia mbôla indesina hotsaraina amason’ny tsy mpino koa!
7 Efa resy ianareo raha vao mifampitory amin’ny tribonaly rehefa misy tsy fifankahazoana aminareo samby ianareo. Magnino ma raha mbô mandefitra amin’ny tsy rariny? Magnino ma raha mbô magnaiky katramoina? 8 Kanefa ianareo indray no magnano ny raha tsy rariny sy mikatramo. Dia ny rahalahinareo mpino no agnanaovanareo an’izany.
9 Angaha ma tsy hainareo fa ny ôlona tsy marina dia tsy handova ny fanjakan’Andriamagnitra? Aza magnaiky fitahin’ny ôlona ianareo satria ny ôlona malanga sy ny mpanompo andriamagnitra tsy izy sy ny mpangalatra vadin’ny ôlona sy ny lehilahy mandry amin’ny lehilahy 10 sy ny mpangalatra sy ny ôlona matin-karena sy ny mamolava sy ny mpagnala baraka ôlona ary ny mpagnano borita dia tsy handova ny fanjakan’Andriamagnitra. 11 Ary efa avy nagnano an’izany koa ny sanagny taminareo, kanefa efa nosasana ianareo, efa nohamasinina, efa nohamarinina, tamin’ny agnaran’i Jesoa Kristy Tômpo sy ny Fagnahin’Andriamagnitsika.
Mankalazà Andriamagnitra amin’ny vatantegnanareo
12 Hiteny izao ianareo hoe: Azo atao ny raha dahôlo, kanefa tsy ny raha dahôlo no mahasoa. Marina fa azo atao ny raha dahôlo kanefa izaho tsy hagnaiky handevozin-draha na ino na ino. 13 Hiteny izao ianareo hoe: Ny hanina dia ho an’ny kibo, ary ny kibo ho an’ny hanina; kanefa samby holevonin’Andriamagnitra zareo roay. Ny vatantegna indray tsy natao ho an’ny halangana, fa ho an’i Tômpo; ary ny Tômpo ho an’ny vatantegna. 14 Ary Andriamagnitra dia efa nanangana an’ny Tômpo tamin’ny maty sady hanangana atsika amin’ny maty koa amin’ny heriny. 15 Angaha ma tsy hainareo fa agnisan’ny vatagn’i Kristy ny vatagnanareo? Araka izany, izaho ma izany dia hagnala ny raha iraika amin’ny vatan’i Kristy ka hagname an’izany ho agnisan’ny vatan’ny vehivavy makorelina? Sagnatrian’ny vava! 16 Angaha ma tsy hainareo fa izay mikambagna amin’ny vehivavy makorelina dia lasa tegna iraika aminanjy? Fa izao ny voasoratra hoe: “Hanjary nofo iraika foagna zareo nihindroay” (Gen 2.24). 17 Fa izay mikambagna amin’ny Tômpo kosany dia Fagnahy iraika aminanjy.
18 Ialao alavitra ny halangana. Izay fahotana dahôlo ataon’ôlona dia aigny avelan’ny vatagna foagna; fa ny mpagnano halangana kosany dia manota amin’ny aignany. 19 Angaha ma tsy hainareo fa ny tegnanareo dia tempolin’ny Fagnahy Masina, izay akao agnatinareo sady efa azonareo tamin’Andriamagnitra? Ka tsy tômpon’ny tegnanareo ianareo. 20 Efa voavidy mbôka ianareo, ka dia mankalazà an’Andriamagnitra amin’ny tegnanareo.