Fagnanarana ny amin’ny tsy hagnesosarana ny lehilahy magnano raha tsy manjary
5
Regninay hatraiza hatraiza fa misy magnano raha mamoafady ianareo akao. Na dia ny jentilisa ary tsy magnano raha mamoafady sahala amin’izany. Misy ôlona aminareo akao mandry amin’ny vadin-drainy. 2 Dia mbôla miendaenda koa ianareo amin’ny raha magnano an’izany! Tsy tokony mbô nampalahelo anareo ma izany raha izany? Tsy tokony noroasinareo hiala aminareo akao ma izay ôlona nagnano an’izany raha izany? 3 Fa izaho indray, na dia tsy magnatrika anareo mivantagna aza izaho dia magnatrika anareo amin’ny fagnahiko; efa nitsara an’ilay nagnano an’izany raha izany sahala amin’ny ôlona nagnatrika iregny izaho. 4 Rehefa hivory amin’ny agnaran’i Jesoa Kristy ianareo dia magnatrika anareo ny fagnahiko sy ny herin’ny Jesoa Tômpontsika; 5 hatoloro an’i Satana aigny izany ôlona izany mbô haratina ny vatagny, mbôry izay hovonjena ny fagnahiny amin’ny andron’ny Tômpo.6 Ataonareo fa manjary ma ny endaendanareo? Tsy hainareo ma fa lalivaina kely foagna dia efa ampy mampibôka ny koba iray manontolo? 7 Alao aigny dahôlo ny lalivaina tranainy, mbô hanjary koba vaovao ianareo, satria tsisy lalivaina ianareo. Natao sorogna i Kristy, Ilay Paka ho antsika. 8 Araka izany, andao atsika hagnano tsaboraha, tsy amin’ny lalivaina tranainy na amin’ny lalivainan’ny fahotana sy haratsiam-piaignana, fa amin’ny mofo tsisy lalivaina, dia amin’ny fahadiovam-po sy ny fahamarinana.
9 Nisy taratasy nosoroatako taminareo mbô tsy hiharoharoanareo amin’ny ôlona malanga. 10 Izaho tsy hoe manakana anareo tsy hiharoharo amin’ny ôlona malanga dahôlo amin’izao tontolo izao, na ny matin-karena, na ny mpagnano borita, na ny mpanompo andriamagnitra tsy izy. Raha izany mbôka dia tsy maintsy miala amin’izao tontolo izao ianareo. 11 Ny antony nanoratako taminareo, dia ny mbô tsy hiharoharoanareo amin’ny ôlona izay milaza tegna hoe rahalahy mpino kanefa malanga, na matin-karena, na mpanompo andriamagnitra tsy izy, na mpagnala baraka ôlona, na ny mamolava, na mpagnano borita. Aza atao na dia miaraka miramarama amin’ny ôlona sahala amin’izany ary.