Ny Tômpo, mpitsara tokana
4
Araka izany, raiso sahala amin’ny gaognan’i Kristy izahay, tompon’andraikitry ny fampahafantarana ny raha misitrika an’Andriamagnitra. 2 Ny tompon’andraikitra dia tokony ôlona azo atokisana. 3 Raha momba anahy alôha, tsy dia mampagnino anahy avy na hotsarainareo izaho na hotsarain’ny ôlonkafa; na izaho ary tsy mitsara tegna. 4 Milamina ny eritreritro, kanefa tsy mahamarina anahy izany satria ny Tômpo no Mpitsara anahy. 5 Araka izany, aza mitsara na ino na ino alôhan’ny fotoana hiavian’ny Tômpo. Izy mbôka no hampibaribary ny raha misitrika agnatin’ny maizigna ka hampiboagna ny fikasan’ny fo. Ary amin’izany fotoana izany, dia samby hahazo dera avy amin’Andriamagnitra ny ôlona tsiraikaraika.Ny raha tsy maintsy hiaretan’ny apostoly
6 Ô raôlona! Noho ny aminareo dia nampiasa sarin-teny izaho rehefa niresaka ny momba anahy sy i Apolosy. Tiako ianareo raha mbô mianatra aminay ny tsy hihoatra an’izay voasoratra, mbôry izay tsy hisy ôlona hoderaderainareo na hotivativainareo. 7 Angaha ma nisy ôlona nagnambonimbony anao? Mbô ino ma ny raha anagnanao ankoatra an’izay noraisinao? Raha nandray an’izany raha izany ianao, dia magnino ianao no miendaenda sahala amin’ny ôlona tsy nandray iregny?
8 Karaha efa afa-po ianareo! Karaha efa manan-draha ianareo! Karaha nanomboka nanjaka tsy niaraka taminay ianareo! Raha manjaka tokoatrany ianareo dia mbô te hiaraka hanjaka aminareo koa izahay. 9 Raha ny fahitako anajy dia nataon’Andriamagnitra farahidiny izahay Apostoly sahala amin’ny ôlona voaheloka ho foaty amason’ny ôlona iregny: Namandraha fampisehoana jerevan’izao tontolo izao iregny izahay, na amin’ny anjely izany na amin’ny ôlona. 10 Karaha izahay izany no adala noho ny amin’i Kristy, fa ianareo hendry akao amin’i Kristy! Karaha izahay izany no mavozo fa ianareo no matanjaka! Karaha izahay izany no hafokaina fa ianareo no hajaina! 11 Mandrak’ity nigniany izahay dia noana sy mangetaheta foagnany, tsy managna akanjo tsara, nofafazana topokondry ary tsy tafitombina amina toerana iraika. 12 Mamono tegna miasa izahay. Raha misy magnasaha anay dia irarianay soa izy; raha misy magnenjika anay dia iaretanay; 13 raha misy magnaratsiratsy anay dia valianay amim-pahatsorana. Mandrak’ity nigniany, dia sahala amin’ny fakofakon’izao tontolo izao sy sahala amin’ny faikan’ôlona izahay.
Ny fagnanaran’i Paoly amin’ny maha ray ananjy
14 Tsy ny hampamegnatra anareo no hanoratako an’izany raha izany fa magnanatra anareo sahala amin’ny zanako tiako iregny izaho. 15 Na dia managna mpampianatra iray alina akao amin’i Kristy aza ianareo, dia tsy maro ray ianareo fa izaho irerika no niteraka anareo takao amin’i Kristy Jesoa tamin’ny alalan’ny Tarea Maharavo. 16 Araka izany, mamporisika anareo izaho: Araho ny raha fataoko. 17 Izany no nandefasako an’i Timoty ho aigny aminareo; izy dia zanako tiako sady azo atokisana akao amin’i Tômpo. Izy no hampahatsiaro anareo ny raha fataoko akao amin’i Kristy sahala amin’ny ampianarako an’izany raha izany amin’ny fiangonana dahôlo na aiza na aiza.
18 Misy ôlona sanagny mbôka miendaenda sahala amin’ny hoe tsy mihevitra ny ho aigny aminareo iregny izaho. 19 Efa tsy ho ela avy izaho dia ho avy aigny aminareo aigny raha sitrapon’ny Tômpo. Ho hitako amin’izay ny tanjak’ireo mpiendaenda ireo, fa tsy ny vava ataonjareo foagnany. 20 Ny fanjakan’Andriamagnitra mbôka dia tsy amin’ny vava fa amin’ny hery. 21 Ino ma ny raha karahinareo? Ho avy aigny aminareo mitondra kobay izaho, sa ho avy aigny aminareo amin’ny fitiavana sy ny fahatsorana?