Ireo izay mbôla zaza akao amin’i Kristy
3
Ô raôlona! Izaho dia tsy nanjary nitarea taminareo sahala amin’ny mitarea amin’ny ôlona araka ny Fagnahy fa sahala amin’ny ôlona mbôla nofo aman-drà sy sahala amin’ny zazakely akao amin’i Kristy. 2 Ronono no nameko anareo, fa tsy ventin-kanina satria mbôla tsy mahazaka an’izany ianareo; hatramin’izao dia mbôla ohatra an’izany ihany ianareo 3 satria mbôla araka ny nofo aman-drà. Raha misy fialognana sy fifamaliana aminareo akao, tsy mandeha araka ny nofo aman-drà ma ianareo amin’izany? Tsy magnano ny raha fataon’ôlona ma ianareo amin’izany? 4 Fa misy mitarea hoe: Izaho magnaraka an’i Paoly, dia hozy ny hafa: Izaho magnaraka an’i Apolosy. Tsy raha fataon’ôlona ma izany ataonareo izany?
Ny gaognan’Andriamagnitra
5 Iza ma Apolosy, ary iza Paoly? Gaognan’Andriamagnitra nampatonga anareo ho mpino foagnany izahay, arakaraka ny raha nasain’ny Tômpo nataonay tsiraikaraika. 6 Izaho namboly, Apolosy nanondraka fa Andriamagnitra no nampitombo. 7 Tsisy varany na ny namboly na ny nanondraka, fa Andriamagnitra Izay nampitombo no tegna izy. 8 Mitovy foagnany na ny mpamboly na ny mpanondraka; nefa samby hahazo ny valin’ny asany avy arakaraka ny asa vitany. 9 Izahay mbôka dia mpiara-miasa amin’Andriamagnitra ary ianareo no tanimbolin’Andriamagnitra sy tragno namboarin’Andriamagnitra.
10 Araka ny fahasoavan’Andriamagnitra namena anahy, sahala amin’ôlona mpagnano tragno mahay ny nagnanaovako ny fototra, ary ny hafa mandrafitra amboniny. Tokony hitandrina izay narafiny tamboniny takeo ny ôlona tsiraikaraika. 11 Fa tsisy ôlona afaka mametraka fototra hafa ankoatra an’izay efa vita; i Jesoa Kristy mbôka izany fototra izany. 12 Mety misy ôlona mandrafitra volamena na volafotsy na vatosoa na kakazo na ahitra na mololo akeo ambonin’io fototra io, 13 dia habaribary dahôlo ny asan’ny ôlona tsiraikaraika amin’ny andro fitsarana. Hotsapaina amin’ny afo mbôka ny asan’ny ôlona tsiraikaraika hahitana ny hamafisany. 14 Raha tsy levona ny asan’ny ôlona izay narafiny tambonin’ny fototra takeo dia hahazo valisoa izy. 15 Fa raha levon’ny afo kosa indray ny asan’ny ôlona, dia ho foaty antoka izy; kanefa ny tegnany dia voavonjy, fa dia ho sahala amin’ny ôlona tafivoaka avy tagnaty afo izy.
16 Tsy fantatrareo ma fa tempolin’Andriamagnitra ianareo ary mipetraka agnatinareo akao ny Fagnahin’Andriamagnitra? 17 Raha misy ôlona mandratra ny Tempolin’Andriamagnitra, dia mbô haratin’Andriamagnitra koa izy; masina mbôka ny tempolin’Andriamagnitra; ianareo anie izy izany.
Anareo ny raha dahôlo ary ianareo an’i Kristy
18 Aza misy mamita-tegna. Raha misy aminareo ireo mihevitra ny tegnany ho manam-pagnahy araka ny fihevitr’izao tontolo izao, dia tokony hanjary adala izy mbôry izay hanam-pagnahy. 19 Fa ny fahendren’izao tontolo izao dia hafokana akeo agnatrehan’Andriamagnitra. Izao mbôka no voasoratra: “Ny hafetsen’ny hendry foagnany no nindesina manambotra ananjy” (Joba 5.13). 20 Dia izao koa: “Hain’NY TÔMPO ny hevitry ny manam-pagnahy ary hainy koa fa tsisy varany avy izany” (Sal 94.11).
21 Araka izany, tsy tokony hisy ôlona hampatonga anareo hiendaenda satria efa anareo ny raha dahôlo: 22 Na Paoly, na Apolosy, na Kefasy, na izao tontolo izao, na fiaignana, na fahafatesana, na ny raha ankahitrio, na ny raha ho avy. Anareo izany raha dahôlo izany, 23 ianareo an’i Kristy ary Kristy an’Andriamagnitra.